Fivoriamben’ny Distrika 1994 “Tahotra Araka An’Andriamanitra”
1 Ireo olona nanam-pinoana nanomboka tamin’ny andron’i Abela sy i Noa ka hatramin’ny andro ankehitriny dia naneho “tahotra araka an’Andriamanitra”. (Heb. 11:4, 7, NW). Ny fanehoana tahotra araka an’Andriamanitra dia midika ho fanehoana miharihary “fahatahorana sy fanajana lalina an’ilay Mpamorona sy tahotra mahasoa sao tsy mahazo sitraka aminy”. (adF p. 343). Amin’ny Aogositra sy Septambra isika dia haneho io fanajana lalina io amin’ny fanatrehantsika ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”. Ho eo ve ianao mba hifaly amin’ny fandaharana iray manontolo, manomboka amin’ny hira fanokafana ka hatramin’ny vavaka farany?
2 Isan-taona isika dia miandry amim-pahadodonana ny fivoriamben’ny distrika. Na dia mety ho tafiditra amin’izany aza ny fanaovana ezaka sy fandaniana betsaka manokana, dia maro ireo fitahiana natao ho azo. Rehefa mody any amintsika isika dia faly, sady afa-po no mihamatanjaka ara-panahy. (Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 8:66.) Mamelombelona ny fiarahana, ary mampiova amin’ny zavatra fanao mahazatra ny fivoriambe. Tadidio anefa fa isika dia mivory mba hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Mandidy antsika mba hanao izany izy. Mampianatra antsika ny fomba andraisan’ny tenantsika soa izy. — Deot. 31:12, 13; Sal. 122:1.
3 Fivoriambe haharitra telo andro: Amin’itỳ taona itỳ, eto Madagasikara, dia haseho any amin’ny fivoriambe 6 ny fandaharana. Nomena tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1994 ireo toerana hanaovana azy ireo. Hanomboka ny zoma maraina amin’ny 10.20 ny fandaharana ary hifarana ny alahady tolakandro eo amin’ny 4.15 eo ho eo. Hanomboka amin’ny 9.30 maraina ny fandaharana ny asabotsy sy ny alahady.
4 Manosika antsika hanatrika izany ny fanajantsika lalina an’i Jehovah: Nanoro hevitra ireo Kristiana hebreo mba “hanolotra ho an’Andriamanitra fanompoana masina amin-tahotra sy fahatahorana araka an’Andriamanitra” i Paoly. (Heb. 12:28, NW). Nomanina mba hanampy antsika hanao izany mihitsy ny fivoriamben’ny distrika amin’itỳ taona itỳ. Mety hahita vato misakana izay hisedra ny fahatapahan-kevitsika hanatrika isika. Izy ireo dia mety ho toy ny tendrombohitra, nefa omban’ny fanampian’i Jehovah, dia azo resena izy ireny. (Matio 17:20). Raha toa ianao tsy afaka mampiditra ao anatin’ny fialan-tsasatrao ny fivoriambe manontolo, ny zoma maraina hatramin’ny alahady tolakandro, efa nanatona ny mpampiasa anao ve ianao ka nangataka mba tsy hiasa mandritra izany fotoana izany, sady nanao izany ho antom-bavaka? (Jak. 1:6-8). Tokony hampahafantatra amim-panajana ny mpampianatra azy ireo ny ankizy izay efa miditra mianatra nefa hanatrika ny iray amin’ireo fivoriambe, fa tsy ho eo izy ny zoma, satria hanatrika io tapany lehibe amin’ny fanompoam-pivavahany io.
5 Aoka isika handray soa avy amin’ny fiezahana nataontsika: Fiezahana ho amin’inona moa izany? Ny fotoana sy ny herim-po lany mba hanatrehana ny fivoriambe. Tsy ho fahendrena ny hanaovana drafitra amim-pitandremana hanatrehana io fivoriamben’ny distrika io mba hody fotsiny ny alahady hariva, tsy nanatrika ampahany lehibe tamin’ny fandaharana. Hody eo antenatenan’ny fanasana iray ve ianao mba hikarakarana raharaha hafa? Tamin’ny taon-dasa, tany amin’ny ankamaroan’ireo fivoriambe, dia nomarihina fa nody taorian’ny fotoam-pivoriana maraina ny olona sasany. Ny fanehoantsika fahamatorana ara-panahy sy tahotra araka an’Andriamanitra anefa dia tokony tsy hamela antsika tsy hanatrika izay rehetra nomanin’i Jehovah ho antsika. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 2:9, 10.
6 Azo inoana fa tsy hihevitra ny hody aloha ny ankamaroantsika. Kanefa, dia mety mbola tsy hahita ampahany betsaka amin’ny fandaharana isika. Ahoana no mety hitrangan’izany? Amin’ny tsy fanaovantsika drafitra maty paika mialoha mba handraisana soa avy amin’ireo anjara haseho. Ho tiantsika ny hifoha maraina kokoa mba handraisana sakafo maraina sahaza sy hikarakarana ireo raharaha hafa ilaina, mba ho afaka hipetraka eny amin’ny toerantsika isika alohan’ny hanombohan’ny fandaharana. Zava-dehibe koa ny hananantsika torimaso tsara amin’ny alina mba ho mavitrika sy ho afaka hifantoka mandritra ny fandaharan’ny andro manontolo.
7 Fomba iray voamarina fa ahazoana soa be indrindra amin’ny fandaharana, ny fakana fitadidiana an-tsoratra fohifohy. Zava-dehibe ho an’ny tanora sy ho an’ny olon-dehibe izany. Nilaza toy izao ny ankizivavy mpitory iray 16 taona: “Manoratra ireo andinin-teny voalaza mandritra ny lahateny aho. Afaka mandinika izany indray aho avy eo rehefa tonga any an-trano.” Ny zatovolahy hafa iray 16 taona dia nanampy teny toy izao: “Marihiko ireo hevi-dehibe ka manampy ahy hifantoka amin’ny fandaharana izany.” Mazàna ny hany tena ilainao amin’ny fandaharana dia ny Baiboly, ny boky fihirana, bloc-notes iray antonontonony ny habeny, sy penina na pensilihazo. Mazava ho azy fa ny ray aman-dreny manana ankizy madinika dia tsy maintsy mikarakara izay ilain’izy ireo, nefa tsara indrindra, ny tsy hanelingelenana ny tenantsika sy ny hafa amin’ny fitondrana vata fampangatsiahana lehibe sy entana manokana be dia be.
8 Ny rahalahy sasany dia mandray feo na sary ny fandaharana amin’ny fampiasana radiocassettes na caméras vidéo, mba hohenoina na hojerena any aoriana, rehefa ho tonga any an-trano. Ny fanaovana izany dia raharaha manokana, nefa asehon’ny fanandraman-javatra hitan’ny sasany fa rehefa miverina amin’ny raharaha fanao mahazatra izy ireo, dia tsy misy fotoana firy hihainoana na hijerena izay feo na sary nalaina. Ho fanampin’izany, dia mety tsy handre ireo hevitra fototra amin’ny lahateny iray ny tena eo am-panitsiana ny fitaovana fandraisam-peo na sary.
9 Tokony hanao ezaka amim-pahatsorana isika mba ho eo amin’ny toerantsika alohan’ny hanombohan’ny fandaharana. Na dia eo am-piresahana fanandraman-javatra mahafaly miaraka amin’ireo sakaiza hatry ny ela aza isika, rehefa manambara ny mpitari-draharaha fa hanomboka ny fandaharana, dia fanehoana fanajana ho an’ireo mpandray anjara sy ireo rahalahintsika amin’ny ankapobeny, ny mampitsahatra haingana ny resaka ka mandray toerana.
10 Ireo fivoriamben’ny distrika dia fisehoan-javatra mahafaly foana noho ny fitahian’i Jehovah azy ireny tondraka. Mandray soa isika sady ara-panahy no ara-nofo. Tsy maintsy tadidina fa misy fandaniana be eo amin’ny fanofana ny toerana hanaovana ny fivoriambe. Ary koa fa miakatra ny vidin-tsakafo, ary sakafo tsara karazana no zarain’ny Fikambanana amin’ny fivoriambe tsirairay. Ahoana no isahanana ireny fandaniana ireny sy ny hafa rehetra? Amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo ataontsika, lela vola na seky atao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.”. Izany dia mifanaraka amin’ny hevitra ao amin’ny Salamo 96:8, izay mampirisika antsika ‘hanome an’i Jehovah ny voninahitra sy hitondra fanatitra eo an-kianjany’.
11 Hitondra fiderana ve ny fitondran-tenanao? Isan-taona Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana dia mampahatsiahy antsika amin-katsaram-panahy ny maha-zava-dehibe ny hananana fitondran-tena tsara rehefa manatrika ny fivoriamben’ny distrika. Mazava ho azy fa tokony ho fakan-tahaka foana ny fitondran-tenantsika, nefa rehefa tafavory maro be isika, dia mazàna dinihin’ireo olona any ivelan’ny fahamarinana akaiky kokoa. Ny fitondran-tenantsika, tsara na ratsy, dia mety hisy lanjany kokoa amin’ny olona noho ny fitoriantsika aminy. Irintsika ny hiderana an’i Jehovah amin’izay lazaintsika sy ataontsika. — Ohab. 27:2; 1 Pet. 2:12.
12 Tamin’ny taon-dasa, taorian’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” dia nanao izao fanamarihana izao ny mpitandro ny filaminana iray tao amin’ny motel iray: “Efa ela izay no tsy nahitako antokona tanora nahafinaritra indrindra tahaka ireto.” Avy eo, rehefa avy nanao fanamarihana momba ny fomba ratsy sy ny fanimbasimbana ataon’ny antokona tanora hafa izy, dia nanampy teny toy izao momba ireo ankizy Vavolombelona: “Mitondra tena tsara izy ireo, ary fahafinaretana ny miaraka aminy. Iriko mba ho tahaka itỳ iray itỳ daholo ireo fihaonana hafa hatao eto.”
13 Nanao izao fanamarihana izao momba ilay fivoriambe ny mpanoratra an-gazety iray: “Nanao akanjo tsara tarehy ireo vehivavy sy tovovavy, ary ireo lehilahy sy tovolahy dia nanao palitao sy karavato. Naka fitadidiana an-tsoratra tamim-pahazotoana izy ireo teo am-pihainoana ireo mpandahateny nifandimby nandritra ny efatra andro. Ary raha toa ka marina ilay fitenenana hoe ny fahadiovana dia manakaiky ny fitiavana an’Andriamanitra, dia naneho fari-pahadiovana tena ambony manome taratry ny fifikirana araka an’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah.” Kanefa, tsy manorina tahaka izany avokoa ireo tatitra rehetra.
14 Tany amin’ny toerana sasany, dia tsy voafehy ireo ankizy. Mazàna izany dia noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso na ny tsy fisian’ny fanaraha-maso mihitsy avy tamin’ny olon-dehibe. Tany amin’ny fivoriambe hafa iray, dia nanaovana tatitra fa be loatra ny fivezivezena nandritra ny fotoam-pivoriana. Voaisa fa maherin’ny 1 000 (ankizy ny ankamaroany) no nandehandeha nandritra ny fandaharana ny asabotsy tolakandro; milaza izany fa mila mampiofana sy manara-maso bebe kokoa ny zanany ny ray aman-dreny. Miteraka tabataba tafahoatra izay manelingelina ireo miezaka mihaino, ny fandehandehanana tsy misy farany. Misy olona vitsy manana raharaha tokony hokarakaraina mandritra ny fandaharana, nefa ny sisa hafa amintsika ve tsy tokony hijanona eny amin’ny toerantsika, ka hihaino amim-pitandremana?
15 Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny dia hentitra amin’ny zanany rehefa manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona isan-kerinandro. Tsy tokony ho hentitra tahaka izany koa ve izy ireo raha ny amin’ny fahazoana antoka fa mipetraka eo anilany ny zanany fa tsy mandehandeha mandritra ny fandaharana? Marina fa lasa Efitrano Fanjakana goavana ny toerana hanaovana ny fivoriambe, nefa mbola ao anatin’ny fandehan-javatr’i Satana isika; ka ho mora ho an’ny olona maty eritreritra ny hiditra ao amin’ny toeran’ny fivoriambe amin’ny fananana antony manosika ratsy. TOKONY HO FANTATRAO AMIN’NY FOTOANA REHETRA HOE AIZA NO MISY NY ZANAKAO ARY INONA NO ATAONY.
16 Fitafy sy fihaingoana: Isika dia miaina amin’ny fe-potoana izay iheverana ho azo ekena ny fisehoana ivelany tsy mifanaraka amin’ny toe-javatra, na misavoritaka mihitsy aza. Olona maro no mandeha any am-piangonana sy any amin’ny konseritra na misakafo hariva any amin’ny hotely amin’ny fitafiana tena tsy mifanaraka amin’ny toe-javatra. Asehon’ny fanamarihana voalaza teo amin’ny fehintsoratra faha-13 fa mbola misy ireo izay midera ny fomba fitafy mendrika, indrindra rehefa mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana ofisialy. Milaza be dia be momba antsika ny fomba fitafy tsy mifanaraka amin’ny toe-javatra sy misavoritaka sy ny fihaingoana tsy mifanentana. Aza hadinoina mihitsy fa tsy kianja fanaovana fanatanjahan-tena ny toerana anaovana ny fivoriambe. Fitaran’ny Efitrano Fanjakana izy io. Mitafy amin’ny fomba mendrika ny sasany mandritra ny fivoriambe, nefa rehefa aorian’ny fotoam-pivoriana dia mitafy amin’ny fomba tsy mety na tsy maotina any amin’ireo hotely fisakafoana eo an-toerana na any amin’ny toerana hafa.
17 Tokony hampahatsiahivina ireo mpilatsaka hatao batisa fa ny fitafiana fitondra milomano sasany dia tsy sahaza ilay fisehoan-javatra. Tokony ho maotina sy mendrika ny fitafiana. Iza no tokony hametra izany? Ireo loholona no tompon’andraikitra ny amin’ny tsy hisian’ny olona hatao batisa avy ao amin’ny kongregasionany hanome antony hahatafintohina. (2 Kor. 6:3, 4). Tsy hety izany ny fitafiana fitondra milomano mampiharihary loatra ny faritra amin’ny tena sy ireo T-shirt misy teny fanentanan’izao tontolo izao na dokam-barotra. Tsara ny hiarahan’ny loholona mandinika io raharaha io amin’ilay mpilatsaka hatao batisa eo am-pandinihana ireo fanontaniana ao amin’ny boky Voalamina.
18 Toeram-pilasiana any amin’olona manokana na any amin’ny hotely fatoriana: Tokony haneho ny vokatry ny fanahy isika amin’ny fotoana rehetra, nefa indrindra rehefa mifandray amin’ireo mpiasa any amin’ny hotely fatoriana na fisakafoana. Tokony hampahatsiahivina koa ny ilana hanomezana falim-po mety. Diniho mandritra ny minitra vitsy indray aza fady ny lahatsoratra hoe Faut-il laisser un pourboire? sy ny hoe Les pourboires à travers le monde eo amin’ny pejy faha-24–27 amin’ny Réveillez-vous! 22 juin 1986. Raha toa isika ka any amin’ny rahalahy na namana na fianakaviana no hipetraka mandritra ny fivoriambe, amin’ny fotoana rehetra isika dia tokony haneho fanajana ny mpampiantrano antsika sy ny fananany. Tadidio fa tsy tompon-trano isika fa vahiny. Tandremo indrindra mba tsy hanao zavatra amim-pahasahisahiana ny zanakao. Aoka isika tsy hikarokaroka na hanimba ny fananan’ny olona mampiantrano antsika na hiditra any amin’ny faritra manokana ao amin’ilay trano. Raha mety hahita fahasahiranana amin’io lafiny io ilay tompon-trano, dia tokony homarihina any amin’ny mpiandraikitra ny toeram-pilasiana amin’ny fivoriambe izany, ary izy dia ho faly hanampy.
19 Ireo fitaovana fandraisam-peo sy sary: Araka ny voalaza tetsy aloha, ny fampiasana fitaovana fandraisam-peo, indrindra fa caméras vidéo, dia raharaha manokana. Raha manapa-kevitra ny haka feo na sary ianao, dia iangaviana mba haneho fiheverana ireo izay manodidina anao. Mety hanelingelina izany na dia rehefa avy eo amin’ny toerana misy ny tena aza no hanaovana izany. Tsy tokony hisy hanakana ny fahitan’ny mpanatrika hafa eo am-pandraisana feo na sary. Ankoatra izany, dia tsy tokony hisy fitaovana na inona na inona hampifandraisina eo amin’ny olik’aratra na feo eny amin’ny fivoriambe, na hanakana ny lalana ivezivezen’ny olona na lalantsara.
20 Toerana ipetrahana: Mbola ilana fitandremana ihany ny zava-manahirana mifandray amin’ny famandrihana toerana. Ho tianay indray ny hampahatsiahy ny tsirairay izao: IREO HAVANA AKAIKY IHANY SY IZAY METY HIRAY FIARA AMINAO NO AZONAO AMANDRIHANA TOERANA.
21 Amin’ny fivoriambe tsirairay dia misy fandaharana atao ho an’ireo mila fikarakarana manokana, toy ireo zokiolona sy ireo kilemaina. Aoka ho azonao antoka aza fady fa tsy eo amin’ny toerana amin’ny faritra toy izany ianao raha tsy mahafeno fepetra. Aoka koa ianao ho mailaka hanampy ireo izay mila fikarakarana manokana hahita toerana raha tsy miaraka amin’olona afaka mikarakara azy izy ireo.
22 Hanomboka ny 26 Aogositra 1994 ny voalohany amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” eto Madagasikara. Efa tontosa ve ny fiomananao, ary efa vonona ve ianao izao hanararaotra ireo telo andro hiarahana amim-pifaliana amin’ny namana sy hahazoana zava-tsoa ara-panahy? Mivavaka amim-pahatsorana izahay mba hitahian’i Jehovah ny fiezahanareo hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” sy ho voafahana amin-java-tsoa eo amin’ny latabatr’i Jehovah.
Fampahatsiahivana Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika
Batisa: Ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony ho eo amin’ny toerany, amin’ny faritra voatondro ho azy ireo, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny asabotsy maraina. Voamarika fa ny sasany dia manao karazam-pitafiana tsy mendrika sy mampivily ny saina tsy ho amin’ilay fisehoan-javatra. Tokony hitondra fitafiana fitondra milomano maotina sy lamba famaohana izay mikasa hatao batisa. Aorian’ny lahatenin’ny batisa sy ny vavaka hataon’ilay mpandahateny, dia hanome toromarika fohy ho an’ireo mpilatsaka hatao batisa ny mpitari-draharaha ary avy eo dia hanasa hanao hira iray. Aorian’ny andininy farany, dia hitarika ny mpilatsaka hatao batisa ho any amin’ny toerana hanaovana batisa ireo mpikarakara ny mpanatrika. Koa satria raharaha manokana eo amin’ny olona iray sy i Jehovah ny batisa ho mariky ny nanolorany tena, dia tsy misy fandaharana hanaovana izay antsoina hoe “batisa mitambatra”, izay hifampisakambinana na hifampitantanan’ny mpilatsaka hatao batisa roa na mihoatra eo am-panaovana batisa azy.
Insignes: Anaovy eny amin’ny fivoriambe sy mandritra ny dianao mandroso sy miverina aza fady ilay insigne natao manokana ho an’ny 1994. Matetika izany no mahatonga antsika ho afaka hanao fanambarana tsara dia tsara eny am-pandehanana. Marina izany tamin’ny fomba niavaka tamin’ny herintaona, tamin’ireo fivoriambe natao tany Moscou sy Kiev. Tokony horaisina amin’ny alalan’ny kongregasionanareo izy ireny satria tsy hisy any amin’ny fivoriambe. Aza hadinoina ny mitondra ny karatrao momba ny Firaketana Ara-pitsaboana amin’izao fotoana. Tokony hanana any aminy koa ny karatra famantarana azy ireo mpianakavin’ny Betela sy ireo mpisava lalana.
Asa An-tsitrapo: Afaka manokana fotoana sasany ve ianao eny amin’ny fivoriambe mba hitondrana ny fanampianao ao amin’ny iray amin’ireo sampan-draharaha samihafa? Mety tena hilaina sy hitondra fahafaham-po lehibe ny fanompoana ireo rahalahy, na dia mandritra ny ora vitsivitsy monja aza. Raha maniry hitondra ny fanampianao ianao, dia iangaviana mba hiseho eo amin’ny Sampan-draharahan’ny Asa An-tsitrapo, any amin’ny fivoriambe. Azon’ireo ankizy latsaka ny 16 taona atao koa ny hanao zavatra tsara dia tsara, amin’ny fiasana miaraka amin’ny rainy na ny reniny, na olon-dehibe hafa iray azo itokiana.
Teny fampitandremana: Amin’ny fitoerana ho mailo amin’ireo zava-manahirana mety hisy, dia hiaro tena amin’ny fahasahiranana tsy ilaina isika. Matetika ireo olona lavitra ny toerana mahazatra azy no rembin’ny mpangalatra sy ireo olona maty eritreritra. Aoka ho azonao antoka fa voahidy ny fiaranao amin’ny fotoana rehetra, ary aza avela hisy zavatra ho hita mihitsy ao anatiny ka hitondra fakam-panahy hiditra ao an-keriny. Any amin’ireo fihaonambe no ahazoan’ireo mpangalatra sy ireo mpangarom-paosy ny zavatra angalarina tsara indrindra. Tsy ho fahendrena ny hamelanao izay mety ho zava-tsarobidy eo amin’ny toeranao. Tsy azonao antoka fa Kristiana avokoa ny olona rehetra manodidina anao. Nahoana no haka fanahy olona? Nisy tatitra voaray nilaza fa nisy olona tsy fantatra nanandrana nitaona am-pitaka ireo ankizy kely ho eny ivelany. ARAHO MASO HATRANY NY ZANAKAO AMIN’NY FOTOANA REHETRA.