Fivoriamben’ny distrika 1992 “Ireo mpitondra fahazavana”
1 Nilaza i Jesosy fa ho “fahazavan’izao tontolo izao” ireo mpanara-dia azy. (Matio 5:14). Mifanohitra amin’izany, dia mihamitombo betsaka isan’andro ny fahamaizinana ara-panahy sy ara-pitondrantenan’izao tontolo izao. (Isaia 60:2; Rom. 1:21). Ny andraikitsika amin’ny maha-mpitondra fahazavana dia misy heviny lehibe kokoa raha mbola eo am-panatonana ny faran’izao fandehan-javatra izao isika. Amin’ny fanekena ny anjara asa lehibe raisintsika, dia tsy andrintsika tokoa ny hanatrehana ny fivoriamben’ny distrika 1992 “Ireo mpitondra fahazavana”. Ny voalohany amin’io fitohitohizana fivoriambe io dia hanomboka ny 5 Jona.
2 Fivoriambe haharitra telo andro: Amin’ity taona ity dia fivoriambe miisa 5 no alamina eto Madagasikara. Ho tian’ny rehetra amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny hanatrika ny fandaharana iray manontolo. Moa ve ianao tapa-kevitra manokana ny ho eo mandritra ireo telo andro ireo? Ataovy azo antoka fa efa nivavaka tamin’i Jehovah ianao mba hitahiany ny fiezahana hataonao.
3 Manomboka amin’ny lahateny fanokafana ny zoma maraina ka hatramin’ny famelabelarana farany ny alahady tolakandro, ny fandaharana iray manontolo dia tokony hitana ny fitandremanao. Hisy fanazavana mampirisika hovelabelarina sy haseho ao amin’ireo lahateny, fampisehoana sy fanadinadinana ary ao amin’ny fampisehoana tantara iray. Manaova fandaharana mba ho eo amin’ny fitoeranao ianao alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny zoma. Mazàna ny andro voalohany dia mila fotoana kokoa isika mba hahitana toerana hametrahana fiarakodia, toerana fipetrahana sy ny sisa. Koa tokony haka fotoana ampy ho amin’izany isika. Amin’ny fihainoana amim-pitandremana mandritra ny fotoam-pivoriana rehetra sy amin’ny fijanonana hatramin’ny hira sy ny vavaka farany, dia hahazo soa feno amin’ny fandaharana isika ka haneho ny fankasitrahantsika manompo noho ny fahafahana amin’ny maha-mpitondra fahazavana antsika.
4 Aoka ianao hihaino amim-pitandremana: Nanambara ny mpanao salamo hoe: “Mandinika [“mihaino tsara hatrany”, NW] ny teni-vavolombelonao aho. Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Sal. 119:95b, 97). Amin’izay fahafahana mivory rehetra ananantsika mba hampianarin’i Jehovah, dia ilaina ny maneho fitandremana sy ny mihaino, tsy amin’ny sofintsika fotsiny fa amin’ny fontsika koa. Vao mainka anefa izany tena ilaina rehefa manatrika fihaonana lehibe toy ny amin’ny fivoriamben’ny distrika isika. Betsaka ny zavatra manintona ny maso sy ren’ny sofina. Fahavoazana ho antsika manokana tokoa raha toa ka nanokana fotoana sy vola isika mba hanatrehana ny fivoriambe, nefa tsy hitondra mody afa-tsy fitadidiana kely fotsiny amin’ireo hevitra tsara azontsika ihatsarana amin’ny maha-mpitondra fahazavana antsika! Tsy maintsy manao izay azontsika atao isika mba hanoherana izay rehetra mampiriorio saina, raha tiantsika ny handray soa feno amin’ny fandaharana. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ho latsaka lalina ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny fanazavana amin’ny faran’ny fandaharan’ny fivoriambe?
5 Ny fahaiza-mihaino dia zavatra tsy maintsy kolokoloina sy anaovana fanazaran-tena. Ny teny hoe “mihaino” dia midika hoe “mihaino amim-pieritreretana tsara”. Hevero ireto fanoloran-kevitra vitsivitsy ireto: 1) Ataovy ny fiezahana rehetra mba ho tonga eny amin’ny toeran’ny fivoriambe isa-maraina efa niala sasatra tsara. Izany dia mitaky ny hanaovana fandaminana sy ny fiaraha-miasan’ny mpianakavy. Raha toa isika ka vizana noho ny tsy fahampian-torimaso na noana noho tsy fihinanana sakafo maraina, na sorisorena satria voatery hihazakazaka, dia tsy handray soa firy avy amin’ny fandaharana isika. 2) Saintsaino mialoha ny fomba hamelabelarana ny foto-kevitra. Herinandro vitsivitsy alohan’ny fivoriambe, nahoana raha asaina manazava ny mpianakavy tsirairay ny amin’ny hevitry ny hoe mpitondra fahazavana ho azy, ao anatin’ny faritry ny fianaram-pianakavianareo. Rehefa tonga eny amin’ny fivoriambe, dia diniho mialoha ny tapany tsirairay ho amin’ilay andro, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana. 3) Aoka ianao hitafy amin’ny fomba mety, ary mifeheza tena mba tsy hihinan-javatra na hisotro mandritra ny fizotran’ny fotoam-pivoriana. Voamarika fa nisy vitsivitsy nihinan-javatra na nisotro nandritra ny fandaharana tao amin’ny efitrano lehibe na ny kianja fanaovana fivoriambe. Fanehoana tsy fanajana izany, mampiriorio ny sain’ny hafa ary mampiseho tsy fahampian’ny fifehezan-tena. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1992 pejy faha- 8-18.
6 Ho tiantsika ny hanome fiheverana manokana ny amin’ny fakana fanamarihana an-tsoratra. Raha atao amin’ny fomba mety izany dia hanampy anao hanaraka amim-pitandremana ireo mpandahateny ary hitadidy izay renao. Koa satria isika misaina inefatra haingana kokoa noho ny miteny, ny fomba tsara indrindra hanalavirana ny fironana hampirenireny ny saina dia ny fakana fanamarihana an-tsoratra. Araka ny nomarihin’ny mpanoratra iray, dia “sarotra kokoa ny mihaino lahateny iray noho ny manao lahateny”. Angamba tadidinao fa ireo Kristiana voalohany dia fantatra tamin’ny fitondrany ireo potika lovia tanimanga tany amin’ny fivoriana sy tamin’ny fanoratany andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina tamin’ny ranomainty teo amin’izy ireny. Velom-pankasitrahana isika fa afaka mahavita zavatra tsara kokoa, amin’ny taratasy fakana an-tsoratra sy penina na pensilihazo. Ny fahaizana maka an-tsoratra dia midika ho fanoratana ny hevi-dehibe ihany, fa tsy fanoratana be loatra ka hahatonga antsika ho voatery hanoratra foana. Hanafoana ny zava-kendrentsika izany ka hiafara amin’ny tsy fahazoana ireo hevitra tena lehibe velabelarin’ilay mpandahateny. Ireo teny manampy amin’ny fahazoana ny hevitra ihany soratana, ary ampiasao ireo teny fanafohezana. Ny fanamarihana an-tsoratra noraisinao dia hanampy anao amin’ny fomba mandaitra indrindra, raha averinao jerena indray amin’io takariva io, ary atỳ aoriana indray, alohan’ny handinihana ao anatin’ny kongregasiona ireo hevi-dehibe amin’ny fandaharan’ny fivoriana momba ny asa.
7 Mihira sy mivavaka amim-pahatsorana: Ny fihirana fiderana ho an’i Jehovah sy ny fanatonana azy amim-panajana ao amin’ny vavaka dia anisan’ny tapany amin’ny fanompoam-pivavahantsika. (2 Tant. 30:21, 27). Endriny lehibe amin’ny fivoriambe izy ireny ary afaka mandray anjara amin’izany isika rehetra. Mandritra ny fivoriamben’ny distrika “Ireo mpitondra fahazavana” haharitra telo andro hataontsika, dia hihira fihirana 18 isika ho fiderana an’i Jehovah ary ho tafaray amin’ny Raintsika any an-danitra ao amin’ny vavaka valo. Tombontsoa tsy hay tombanana tokoa re izany! I Jehovah dia manome antsika fanabeazana ara-panahy sy fampiofanana mihoatra ny 12 ora. Mandritra ireo minitra vitsy omena ho an’ny hira sy ny vavaka, dia misaotra an’i Jehovah noho ireo fanomezana mampiseho fahalalahan-tanana nataony isika sady mankalaza azy. Koa satria toy ny olona maro be tafangona no ahatongavantsika eo anoloan’i Jehovah ao amin’ny vavaka, moa ve ho tiantsika ny hahitany antsika ho toy ny olona tia tena sy tsy mankasitraka satria fotsiny tsy nahay nandamin-javatra ka tsy tafaray tamin’ny hafa tao amin’ny hira sy ny vavaka? Tsy maintsy ho betsaka ireo tahirim-boky any amin’ny fivoriambe tsirairay amin’ity taona ity mba hahafahan’ireo rehetra mipetraka amin’ny fomba mety eo amin’ny fitoerany hatramin’ny faran’ny fotoam-pivoriana tsy ho diso anjara amin’izany. Tahaka izany koa, tsy tokony hisy olona hiala amin’ny fitoerany alohan’ny fiafaran’ny fotoam-pivoriana mba hilahatra haka sakafo alohan’ny hafa. — Matio 7:12; Rom. 12:10; Fil. 2:1-4.
8 Ataovy ho voninahitr’i Jehovah ny zava-drehetra: Isan-taona isika dia omena fampahatsiahivana, hanampiana antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahalalam-pombantsika sy ny fitondrantena tokony hananana eny amin’ny fivoriambe. Tokony hoderaina ny ankamaroany noho ny fanarahany amim-pitandremana ireny fampahatsiahivana ireny. Raha manatona ny fiafarany ity fandehan-javatra ity, dia mitondra fanerena mitombo eo amintsika ny fiarahana amin’ny olona any am-piasana sy any an-tsekoly izay voalazalaza mialoha ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 ny fitondrantenany. Izany fiarahana izany dia mety hisy heriny ratsy eo amintsika raha tsy miambina hatrany isika. Tsy ho tiantsika velively ny hanome antony na ho an’iza na ho an’iza ‘hanendrikendrehana antsika ho mpanao ratsy’. (1 Pet. 2:12). Izany dia mitaky ny hanaovantsika fitandremana mihoatra noho izay mahazatra ny amin’ny toetrantsika kristiana. Tokony hitandrina ny fitondrantenany eny amin’ny fivoriambe sy any amin’izay toerana rehetra ho an’ny besinimaro ny rehetra, toy ny any amin’ny hotely fatoriana sy hotely fisakafoana. Mihevitra ireo rahalahiny rehetra ireo loholona. (Fil. 2:4). Tokony hanampy sy hidera ny hafa izy ireny noho ny fitondrantenany tsara. Tsy tokony ho saikatra koa ireo loholona hanome torohevitra feno fitiavana, na dia tsy fantany manokana aza ilay rahalahy na ilay anabavy, raha toa ka ilaina izany. Izay zava-manahirana lehibe rehetra nomarihina dia tokony holazaina any amin’ny Biraon’ny fivoriambe.
9 Inona no tokony hotadidintsika an-tsaina? Tokony hoentina amim-panajana sy amim-pahamendrehana ny tompon’ny hotely na ny mpampanofa trano. Zavatra kely fotsiny dia mety hanimba ny lazan’ny maro. Ny sampana mikarakara ny toeram-pilasiana dia hiasa mafy mba hahazoan’ny rehetra efitrano hilasiana.
10 Ny toetra vaovao voalaza ao amin’ny Efesiana 4:24 dia toy ny akanjo iray tafin’ny tena rehefa navela ny toetra taloha. Izany fiovana amin’ny toetra izany dia tokony ho hita taratra amin’ny fomba fitafitsika ara-bakiteny koa. Voamarika fa misy rahalahy sy anabavy sasany, indrindra ny tanora, mitafy amin’ny fomba tsy manaja ny toe-javatra sy tsy maotina mihitsy aza indraindray. Ny hafa indray manala ny kirarony ka tohanany amin’ny lamosin’ny seza eo anoloany ny tongony, na mandehandeha manao bàn-tongotra. Moa ve isika hitondra tena toy izany any amin’ny Efitrano Fanjakana? Mpilatsaka hatao batisa sasany koa no nanao Tee-shirt misy soratsoratra fanaovana dokam-barotra sy hevitr’izao tontolo izao na nopetahana dokam-barotra momba ireo zavatra vokarina isan-karazany. Tokony ho azon’ireo loholona miara-mandinika ireo fanontaniana amin’ireo miomana ho amin’ny batisa antoka fa takatr’ireo hatao batisa izay tokony hoheverina ho fomba fitafy mendrika amin’io fotoana io. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1985 pejy faha-30 sy ny La Tour de Garde 15 Oktobra 1973 pejy faha-639.
11 Fitaovana fandraisam-peo sy sary: Na dia azo atao aza ny mampiasa izany, dia mampirisika ireo mampiasa fakan-tsary vidéo izahay mba hihevitra ny hafa, mba hanao fisafidianana amin’izay horaisiny, ary mba hanaja an’ireo izay tsy maniry halaina sary raha eo am-pisakafoana, eo am-pihainoana ny fandaharana, na mandritra ny vavaka. Izay olona mandray sary amin’ny vidéo na mampiasa cassettes dia tsy tokony hitarika ny sain’ny mpanatrika na hitondra fanelingelenana. Tsy misy manohitra ny fakanao avy eo amin’ny toerana misy anao ny sasantsasany amin’ny fandaharana. Nefa mandritra ireo fotoam-pivoriana, dia tsy hety na ho an’iza na ho an’iza ny handehandeha eny anelanelan’ny toerana fipetrahana sy eo anoloan’ny mpanatrika, mandray feo na sary ny fandaharana. Raha ilaina izany, ny mpanatrika dia tokony hiresaka amin’izay rehetra tsy mampiseho fitiavan-drahalahy amin’io lafiny io. Mampahatsiahy anareo izahay fa tsy tokony hisy fakan-tsary na fitaovana fandraisam-peo hampifandraisina amin’ny olik’aratra na feo eny amin’ny fivoriambe, na koa hisy fitaovana hapetraka eny anelanelan’ny toerana fipetrahana na eny amin’ny faritra fivezivezen’ny olona.
12 Ho an’ireo ray aman-dreny: Antitranterinay indray ny maha-zava-dehibe ny hanarahan’ireo ray aman-dreny maso ny zanany amin’ny fotoana rehetra, na ao amin’ny faritry ny fivoriambe izany na any amin’ny toerana hilasiany. (Ohab. 29:15b; Lioka 2:48). Raha mandeha ny fandaharana, dia ataovy azo antoka fa mihaino amim-pitandremana sy maka fanamarihana an-tsoratra ny zanakao. Mandritra ny fiatoana dia misy fahafahana hiresadresaka amin’ny sakaiza avy any amin’ny kongregasiona hafa.
13 Mba hampisehoana ny maha-zava-dehibe ny hahafantarana amin’ny fotoana rehetra izay misy ny zanakao, dia nisy mpamily taksia nilaza tamin’ny rahalahy iray fa nandray tovovavy tanora roa tao amin’ny toerana nanaovana fivoriambe iray tao an-tanàna. Miharihary fa nikasa ny handehandeha teny ivelany izy ireo ny tolakandro manontolo ary nilaza tamin’ilay mpamily fa tsy hahita ny tsy maha-eo azy ny reniny hatramin’ny 5 ora hariva. Nanahy ny amin’ny tsy fananany ahiahy ilay mpamily taksia, fa ahoana kosa ny amin’ny renin’izy ireo? Loza toy inona moa raha toa ka nisy voina sasany nanjo azy ireo, ambonin’izany ny tsiny ho nentin’izany teo amin’ny anaran’Andriamanitra sy ny vahoakany!
14 Ankasitrahana ny fiaraha-miasanao feno: Amin’ny ahoana no zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny tsirairay avy amintsika amin’ny fitarihana omen’ny Fikambanana raha ny amin’ny fanatrehana fivoriambe any amin’izay nanendrena ny kongregasiona misy antsika? Ny volavolan-kevitra voatandrina fatratra nataon’ny Fikambanana sy ireo rahalahy tompon’andraikitra ao amin’ny tanàna tsirairay hisian’ny fivoriambe dia tafiditra amin’ny fanomanana an’ilay fivoriambe. Ao anatin’izany ny hisian’ny fitoerana sy sakafo ary boky ampy sy ny sisa. Raha misy rahalahy maromaro ihany manatrika fivoriambe any amin’izay tsy nanendrena azy ireo, dia hisy fahasahiranana. Mety ho vitsy no ho ao anatin’ny tarehin-javatra mitaky ny handehanany any amin’ny fivoriambe hafa iray. Ny toerana hanaovana ireo fivoriambe hafa dia toa mety hanintona kokoa noho ny antony isan-karazany, nefa raha toa ka mandeha any amin’ny toerana tiany ny ampahany lehibe amin’ireo rahalahy, dia tena hanakorontana tokoa izany.
15 Mangataka ny fiaraha-miasanareo izahay ny amin’ny raharaha momba ny famandrihana toerana. Aoka hotadidintsika fa Tsy Tokony Hamandrika Toerana AFA-TSY Ho An’Ny Havana Akaiky Sy Ireo Miray Fiara Amintsika Ihany ISIKA. Hisy toerana voatokana ho an’ireo be taona sy kilemaina amin’ireo fivoriambe rehetra halamina. Miangavy ny tsirairay izahay mba hanaraka amim-pitandremana ireo soratra manoro lalana sy toromarika ho an’ny mpanatrika. Nisy rahalahy be taona voatery nitady toerana nalalaka tany amin’ny faritra sarotra aleha satria nofenoin’ireo olona tanora kokoa ny toerana natokana ho azy ireny. Malahelo izahay milaza aminareo fa tsy azonay atao ny manome fahafaham-po ny fangatahana faritra na efitrano mitokana ho an’ireo manan-java-mahirana ara-pahasalamana toy ny allergies (tsy fahazakana zavatra).
16 Manipy hevitra aminareo izahay tsy hitondra afa-tsy izay entana ilainareo manokana eny amin’ny fivoriambe. Raha tsy azo atao ao ambany sezanao ny entana iray, dia angamba ho tsaratsara kokoa ny hamelana izany any an-trano. Tsy azo atao ny mametraka fitoeran-dranomandry lehibe eny anelanelan’ny toerana fipetrahana mba tsy hisian’ny loza, ary raha apetraka eo ambony seza eo akaikinao izany, dia mety hisy olona tsy hanana toerana.
17 Ankasitrahan’ny vahoakan’i Jehovah ny fahafahana mivory amin’ny toerana mahafinaritra mba handraisana soa avy amin’ny fandaharana ara-panahy nomanina. Ankasitrahantsika koa ireo asa maro be sy fanamorana ny fiainantsika omena amin’ireny fihaonana ireny. Manao fikarakarana betsaka sy fandaniana be dia be ny Fikambanana mba hisian’ny fitoerana ampy, fametrahana rafi-panamafisam-peo lafo vidy, sy sampana mikarakara sakafo mahomby nefa tsy andaniam-bola be, ary sampan-draharaha hafa izay mahatonga ny fanatrehana fivoriambe hahafaly sy hamelombelona ara-panahy.
18 Aoka isika hanatrika ny fivoriamben’ny distrika “Ireo mpitondra fahazavana”: Amin’ny fanatrehana ny fivoriamben’ny distrika “Ireo mpitondra fahazavana”, dia hihetsi-po isika handre hoe nahoana ny maha-mpitondra fahazavana no voninahitra sy tombontsoa lehibe. Hampahatsiahivina antsika koa fa andraikitra lehibe izany. Amin’ny fanehoana fitandremana mihoatra noho ny mahazatra amin’ireo zavatra ho re amin’ny fivoriambe, dia hanatsara ny fahaizantsika sy ny fankasitrahantsika ny anjara asa ananantsika amin’ny maha-mpitondra fahazavana antsika isika. Aoka isika hanao fandaharana dieny izao mba ho eo amin’ny fotoam-pivoriana rehetra, manomboka amin’ny hira fanokafana ny zoma ka hatramin’ny vavaka famaranana ny alahady tolakandro.
[Efajoro, pejy 5]
Fampahatsiahivana amin’ny fivoriamben’ny distrika
Batisa: Ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony ho eo amin’ny toerany, amin’ny faritra notendrena ho azy ireo, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny asabotsy maraina. Samy hitondra fitafiana fitondra milomano maotina sy lamba famaohana izay mikasa hatao batisa. Aorian’ny lahatenin’ny batisa sy ny vavaka hataon’ilay mpandahateny dia hanome toromarika fohy ho an’ireo mpilatsaka hatao batisa ny mpitari-draharaha ary avy eo dia hanasa hanao hira iray. Eo am-panombohana ny andininy farany amin’ny hira, dia hitarika ny mpilatsaka hatao batisa ireo mpampandroso olona ho any amin’ny toerana fandrobohana na any amin’ny fiara hitondra azy ireo any. Koa satria ny batisa raharaha manokana mahakasika akaiky an’ilay olona sy i Jehovah ho mariky ny fanoloran-tena, dia tsy misy fandaharana fanaovana izay lazaina hoe “batisa mitambatra” an’ireo mpilatsaka roa na mihoatra, izay mifampisakambina na mifampitantana mandritra ny fandrobohana.
Asa an-tsitrapo: Ilaina ny fanampian’ireo mpiasa an-tsitrapo mba hampandehanana tsara ny fivoriamben’ny distrika. Na dia tsy afaka miasa afa-tsy mandritra ny tapany amin’ny fivoriambe aza ianao dia hankasitrahana ny asanao. Raha afaka mitondra fanampiana ianao, dia aza fady mba manatòna ny sampan-draharaha momba ny asa an-tsitrapo rehefa tonga eny amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe. Azon’ireo ankizy latsaka ny 16 taona atao koa ny mandray anjara amin’ny fahombiazan’ny fivoriambe, nefa tsy maintsy miara-miasa amin’ny iray amin’ireo ray aman-dreniny izy na amin’ny olon-dehibe iray mendrika itokiana.
Insignes: Iangaviana ianao mba hanao ny insigne natokana manokana eny amin’ny fivoriambe ary mandritra ny dianao mandroso sy miverina mankeny amin’ny toeran’ny fivoriambe. Matetika tokoa izany no mamela hanao fanambarana tsara dia tsara. Tokony horaisina amin’ny alalan’ny kongregasiona izy ireny satria tsy ho hita eny amin’ny toerana hanaovana ireo fivoriambe.
Fampitandremana: Na aiza na aiza anajanonanao ny fiaranao, dia tokony hohidianao amin’ny fanalahidy ny varavarana amin’ny fotoana rehetra ary aza mamela ao anatiny zavatra ho hitan’ny mpandalo mihitsy. Raha azo atao dia hidio ao anaty coffre ny fitaovanao. Mitandrema koa amin’ny mpangalatra sy mpangarom-paosy, izay voasinton’ireo fihaonambe. Aza mamela zavatra sarobidy tsy misy miambina eo amin’ny fitoeranao eny amin’ny fivoriambe. Nisy filazana vitsivitsy voaray fa nisy olon-dratsy nanandrana nitaona am-pitaka ireo ankizy kely ho eny ivelan’ny faritra nanaovana fivoriambe. Miangavy anareo izahay mba haneho fahamalinana.