Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aogositra
FANAMARIHANA: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Asa isan-kerinandro ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana mandritra ny Aogositra sy Septambra. Tokony hanao ireo fanitsiana ilaina ireo kongregasiona noho ny fanatrehana ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”, satria tsy hisy Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy Fivoriana Momba ny Asa mandritra ny herinandro hanatrehanareo ny Fivoriamben’ny Distrika. Amin’ny Fivoriana Momba ny Asa manaraka ny Fivoriamben’ny Distrika, dia hisy famerenana ireo hevi-dehibe tamin’ny fivoriambe haharitra 30 minitra. Ny famerenana ny fandaharana tamin’ny fivoriamben’ny distrika, tamin’ny andro tsirairay, dia tokony hanendrena mialoha rahalahy mahay roa na telo, izay ho afaka hifantoka amin’ireo hevi-dehibe. Hanampy ny kongregasiona hitadidy ireo hevitra fototra mba hampiharin’ny tenany manokana sy mba hampiasainy eny amin’ny asa fanompoana izany famerenana voaomana tsara izany. Tokony ho fohy sy tsy hilaza afa-tsy ny hevi-dehibe ireo fanazavana sy ireo fanandraman-javatra tantaraina hangatahina amin’ny mpanatrika. Araka izao manaraka izao no tokony hanaovana ny fanitsiana amin’ny fandaharana amin’ny Fivoriana Momba ny Asa: Tsy hisy fivoriana fanampiny halamin’ny kongregasiona mba ho solon’ny fandaharana amin’ny Fivoriana Momba ny Asa izay tsy ho natao nandritra ny herinandron’ny fivoriamben’ny distrika na ho solon’ny famerenana. Hifarana amin’ny fotoana noferana ho amin’izany koa ny Fivoriana Momba ny Asa tsirairay, izany hoe rehefa tapitra ny 45 minitra. Koa izany dia mitaky ny hanapahan’ireo loholona hevitra ny amin’ny hoe anjara inona ao amin’ny fandaharana no horaisiny ao amin’ny kongregasion’izy ireo mandritra ny Aogositra sy Septambra, ary anjara inona ao amin’ny fandaharana no tsy horaisiny.
Herinandron’ny 1 Aogositra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana mifanentana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asehoy ireo hevitra azo resahina ao amin’ireo gazety farany, izay ho azo asongadina eny amin’ny asa fanompoana amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ.
15 min: “Manàna Fihetsika Manorina Hatrany”. Fanontaniana sy valiny. Adinadino fohy ny mpisava lalana na mpitory efa ela izay hitantara ny fomba nahafahany nanana fihetsika manorina hatrany na dia nisy aza tsy firaikana na fanoherana tao amin’ny faritany.
15 min: “Ireo Bokikely — Fitaovana Sarobidy ho Amin’ny Asa Fanompoana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Manaova fampisehoana roa voaomana tsara momba ny fomba fampiseho anoroana hevitra.
Herinandron’ny 8 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: “Tena Halatra ve Izany?” Lahateny ataon’ny loholona iray, miorina amin’ny lahatsoratra eo amin’ny pejy faha-19–21 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1994.
20 min: Fanaovana Fanambarana Tsy Ara-potoana Bebe Kokoa. Miara-mandinika ny amin’ny fomba hanitarany ny fandraisany anjara amin’io asa io ny antokona mpitory telo na efatra. Amin’ny fampiasana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1988 pejy faha-22–27, dia mandinika indray izay nataon’ny hafa izy ireo ary miresaka ny amin’ny fomba kasainy hampiasaina mba hanaovana bebe kokoa amin’io karazan’asa io. Mampirisika ny mpanatrika ny mpitari-draharaha mba handinika ny fomba ahafahany mandray anjara amin’io asa fanompoana io.
Herinandron’ny 15 Aogositra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana, ao anatin’izany ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao.
15 min: “Fanolokoloana ny Fahalianana Amin’ny Fiverenana Mitsidika”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ataovy ao anatin’izany ny fampisehoana roa maharitra 3 minitra avy, mampiseho ny fomba azo ampiasana ireo fomba fampiseho mba hanaovana fiverenana mitsidika. Ampirisiho ny fanaovana ezaka mba hanombohana fampianarana Baiboly.
25 min: “Aza Mitsahatra Mandroso Amin’ny Fanarahana Fahazarana Milamina”. Fanontaniana sy valiny.
Herinandron’ny 22 Aogositra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy ny “Fandaharana Vaovao ho An’ny Andro Fivoriambe Manokana”. Ampirisiho ny rehetra hanao fandaharana mba hanatrehana izany.
15 min: Ahoana no Ahafahako Manatona Akaiky An’Andriamanitra? Fampisehoana ny amin’ny fianaram-pianakaviana. Miara-mandinika amin’ireo zanaka efa zatovo ny fanazavana ao amin’ny toko faha-39 amin’ny boky Manontany ny Tanora ny ray aman-dreny. Dinihiny ny lohatenikely hoe “Fanambarana ampahibemaso ny fisakaizanao amin’Andriamanitra” eo amin’ny pejy faha-315–318. Mitaraina ireo ankizy fa sakodiavatra rehefa mandeha isan-trano ary milaza hoe miverimberina ny zavatra lazaina amin’ireo fivoriana sady matetika loatra. Miara-manjohy hevitra amin-katsaram-panahy amin’izy ireo ny ray aman-dreny, ka mitarika ny saina ho amin’ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina mampiseho fa tena zava-dehibe ireo asa ireo raha ta hanana fifandraisana tsara hatrany amin’i Jehovah izy ireo.
15 min: “Fantaro Tsara Ireo Rahalahinao”. Fanontaniana sy valiny. Asaivo mitantara fanandraman-javatra fohy, izay mampiseho ny fomba nahafahany nifankahalala tsara kokoa tamin’ny hafa ny mpanatrika, rehefa nampihatra ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-6.
Herinandron’ny 29 Aogositra
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Adinadino ny mpitory iray na roa, izay afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy na, raha tsy izany, afaka nanitatra ny asany nandritra ireo volana fialan-tsasatra. Tantarao ireo fifaliana sasany hitany.
15 min: “Ho Afaka ny Hiverina Amin’ny Laharan’ny Mpisava Lalana Indray ve Ianao?” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Ampidiro amin’izany ireo fanandraman-javatra eo an-toerana mampiseho ny fomba nahafahan’ny olona iray niverina tamin’ny asan’ny mpisava lalana indray na ny fomba niarahan’ny ankohonana iray niasa mba hanampiana mpianakavy iray hanararaotra io tombontsoa io.
17 min: Atolory ny Boky Hiaina Mandrakizay Mandritra ny Septambra. Ampirisiho ny fanaovana ezaka amin-kafanam-po mba hametrahana io boky io sy hanombohana fampianarana Baiboly mandritra ny Septambra. Navoaka tamin’ny 1982 izy io ary hatramin’izay dia nampiasaina ho fitaovana lehibe hitarihana fampianarana Baiboly. Nisy izao hafatra izao ireo boky nivoaka tamin’ireo fivoriamben’ny distrika: “Mirakitra mihitsy izay ilaina mba hanampiana ireo olona maro hafa hanana ilay fanantenana mitovy amin’ny antsika itỳ boky fianarana vaovao itỳ. (...) Mirakitra ireo fahamarinana lehibe rehetra ao amin’ny Baiboly tokony ho azon’ireo vaovao izy itỳ, mba hahafahany hanokana ny fiainany ho an’i Jehovah sy hanompoany azy amin’ny fomba azo ekena”. Hita amin’ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ny vokatra azo, teo amin’ny 2 652 323 tamin’ny 1983 ka hatramin’ny 4 709 889 tamin’ny 1993. Asaivo misy mitantara ny fomba nianarany ny fahamarinana rehefa nianatra io boky io izy na ny fomba nanampiany ny hafa rehefa niara-nianatra azy io taminy. Araka ny hamelan’ny fotoana izany, dia lazao ireo toetra hafa mampiavaka ilay boky, ka azo asongadina rehefa manolotra azy io.