FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/94 p. 1
  • Manehoa Fankasitrahana ny Tranon’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manehoa Fankasitrahana ny Tranon’Andriamanitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Isika Hanaja Ireo Fivoriana Masina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Manaja Fotoana ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fankasitrahana Ireo Fiaraha-mivory Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Aoka ny Fitondran-tenanareo ho Mendrika ny Vaovao Tsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 12/94 p. 1

Manehoa Fankasitrahana ny Tranon’Andriamanitra

1 Tamin’ny andron’ny Baiboly, i Jehovah dia nandidy ny vahoakany mba hiara-mivory tsy tapaka tao amin’ny tranony. (Lev. 23:2). Ireny fiaraha-miangona ireny dia nanampy azy ireo hampifantoka ny sainy tamin’ny tenin’Andriamanitra, satria nanome azy ireo fotoana hisaintsainana sy hifaneraserana ary hiaraha-mandinika ny Lalàn’i Jehovah. Nanjary feno ny hevitr’Andriamanitra ny sain’izy ireo, zavatra izay nitondra fitahiana ara-panahy tondraka. Tena fotoana feno hafaliana marina izy ireny. Nampandroso ny firaisan-tsaina sy ny fanompoam-pivavahana madio ilay fandaharana. Tsy latsaka noho izany ny maha-zava-dehibe ireo fiaraha-miangona any amin’ny tranon’Andriamanitra amin’izao andro izao.

2 Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mankasitraka ireo fivoriana isika? Ny kongregasiona sasany dia mitatitra fa vitsy ireo manatrika fivoriana. Indraindray, ny tarehin-javatra misy ny olona iray dia mety hisakana azy tsy hanatrika fivoriana iray. Moa ve anefa ianao namela zava-nanahirana toa madinika ihany hisalovana amin’ny fanatrehanao fivoriana tsy tapaka? Ny sasany mety hanapa-kevitra ny hijanona ao an-trano raha marary andoha kely na mahatsiaro ho vizana aorian’ny andro iray feno zavatra natao. Ny hafa nahatsiaro ho voatery hijanona niaraka tamin’ny havana tsy mpino izay naniry hitsidika azy. Ny sasany aza namoy fivoriana mba hijerena ny fandaharana ao amin’ny televiziona tiany indrindra na fisehoan-javatra ara-panatanjahan-tena iray. Miharihary fa ny habetsahan’ny fankasitrahana aseho amin’ireo tarehin-javatra ireo dia tsy mifandanja amin’ny faniriana feno fahatsoram-po nasehon’ireo zanak’i Kora toy izao: “Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko”. — Sal. 84:2.

3 Na dia misy sakafo ara-panahy tondraka aza omena any amin’ireo fivoriana, ny mpanatrika sasany dia mahita fa sarotra ny maneho fitandremana. Mety hanonofy am-pitoerana ny tenany, hieritreritra momba ireo fanahiana nandritra ny andro, na ho resin-tory mihitsy aza. Maro no nahita fa manampy azy ireo hitoetra ho mailo sy hifantoka amin’izay lazaina ny fakana naoty fohy. Ny fandraisana an-tsoratra dia mahatonga koa ilay fanazavana ho latsa-paka ao an-tsaina. Fanampin’izany, ny fanaovana fanomanana mialoha dia fanampiana iray mba hahafahana handray soa feno. Raha manao fanomanana tsara isika, dia ho afaka ‘hitandrina mafimafy kokoa’. — Heb. 2:1.

4 Ny ankizy sy ny olon-dehibe dia samy mila ny mandray ny fampianarana omena any amin’ireo fivoriana. Izay ianaran’ireo ankizy dia ho voafetra aoka izany raha manome azy ireo kilalao na boky fandoko mba hihazonana azy ireo ho variana sy hangina ny ray aman-dreniny. Tsy misy fifehezana araka ny tokony ho izy, raha avela hilalao, hiresaka, hitomany na hanao zavatra hafa izay manelingelina ny hafa mipetraka eo akaiky, ireo ankizy. Hihena mazàna ny fankanesana matetika sy tsy amin’ny antony any amin’ny trano fivoahana mandritra ny fivoriana, raha fantatr’ilay zaza fa hiaraka aminy ho any foana ny iray amin’ireo ray aman-dreniny.

5 Zava-dehibe ny fahamarinam-potoana: Indraindray, dia mety hisy toe-javatra tsy azo ialana hisakana antsika tsy ho tonga ara-potoana any am-pivoriana. Ny fahazarana tonga tara aorian’ny hira fanokafana sy ny vavaka anefa dia mampiseho tsy fananana fanajana ny zava-kendrena masin’ireo fivoriana sy ny andraikitsika tsy hanelingelina ny hafa. Tadidio fa ny fiaraha-mihira sy mivavaka amin’ireo rahalahintsika any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona dia anisan’ny fanompoam-pivavahantsika. Ny fahazarana ho tara mazàna dia vokatry ny tsy fahaiza-mandamin-javatra na ny tsy fanaovana fandaharana mialoha. Ny fahatongavantsika ara-potoana kosa dia mampiseho fa manaja sy mankasitraka ireo fivoriantsika isika.

6 Arakaraka ny ihantomoran’ny andro, dia tsy afaka afa-tsy ny hitombo ny ilantsika hiara-mivory. (Heb. 10:24, 25). Aoka isika hampiseho ny fankasitrahantsika amin’ny fanatrehana ireo fivoriana tsy tapaka, amin’ny fanaovana fanomanana mialoha, amin’ny fahamarinam-potoana, amin’ny fampifantohana tsara ny saina ary avy eo dia amin’ny fampiharana izay ianarantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara