Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Desambra
Herinandron’ny 5 Desambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Sariho ny saina ho amin’ny lahatsoratra manaitra iray na roa azo asongadina rehefa manolotra ireo gazety farany. Asao ny mpitory mahay iray hanao fampisehoana momba ny fomba fampiseho ampiasana ny iray amin’izany lahatsoratra izany.
15 min: “Modely Iray Tokony Harahina Akaiky”. Fanontaniana sy valiny.
18 min: “Asao ny Hafa Hanaraka ny Dian’ilay Lehilahy Niavaka Indrindra”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Mandamìna ny hisian’ny fampisehoana fohy roa. Hamafiso fa ilaina ny fandraisana an-tsoratra isan-trano marina tsara; diniho vetivety ny fanazavana tokony horaisina an-tsoratra.
Herinandron’ny 12 Desambra
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Vaovao Teokratika. Filazana momba ny toe-bola, anisan’izany izay fankasitrahana voaray avy amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana natao. Manolora fanipazan-kevitra sasany momba ny fomba amaliana ireo fiarahabana amin’ny andro fetin’izao tontolo izao. — Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Desambra 1990, pejy faha-2.
14 min: “Tandremo Hatrany ny Fampianaranao”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Diniho ireo toromarika nampiarahina amin’ny “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1995”, amin’ny fisarihana ny saina ho amin’izay fampahatsiahivana ilain’ny kongregasiona indrindra.
18 min: “Manehoa Fankasitrahana ny Tranon’Andriamanitra”. Fanontaniana sy valiny. Manaova teny fanampiny momba ny ilana ny ho marim-potoana amin’ny fivoriana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1990, pejy 26-29.
Herinandron’ny 19 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ireo fandaharana atao eo an-toerana momba ny asa fanompoana mandritra ny fe-potoan’ny fety ho avy. Manipaza hevitra momba ny fomba fampiseho ireo gazety farany eny amin’ny faritany eo an-toerana.
20 min: “Manehoa Fitandremana ny Teny Faminaniana”. Takelaka fanampiny. Fanontaniana sy valiny miorina amin’ny fehintsoratra 1-8, hataon’ny loholona iray. Diniho ny fampiharana ireo andinin-teny voalaza.
15 min: “Ampirisiho Mafy Izy Ireo mba ho Tonga Mpanara-dia Azy”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana fohy roa. Ampirisiho ny rehetra hampiasa fotoana sasany amin’ny fanompoana ataony isan-kerinandro mba hanaovana fiverenana mitsidika.
Herinandron’ny 26 Desambra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: “Manehoa Fitandremana ny Teny Faminaniana”. Takelaka fanampiny. Fanontaniana sy valiny miorina amin’ny fehintsoratra 9-13, hataon’ny loholona iray. Hamafiso ny maha-zava-dehibe ny hanaovana fanomanana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sy ny hanatrehana azy io tsy tapaka ary ny handraisana anjara aminy. Manehoa fankasitrahana ny fampianarana ara-panahy, izay tena lehibe dia lehibe mba hitarihan-dalana antsika amin’izao andro farany izao.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na manaova lahateny iray miorina amin’ny lahatsoratra hoe “Manampy ny Zanakao Hifidy an’i Jehovah ve Ianao?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1994, pejy 26-30.
10 min: Miomàna ho amin’ny zavatra hatolotra amin’ny Janoary. Manomàna fomba fampiseho iray azo ampiasaina rehefa manolotra ny boky Fahatanoranao eny amin’ny faritany.