Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny Janoary: Fanolorana manokana: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Febroary: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Tokony harahina fiverenana mitsidika ny nametrahana io boky io, ary tokony hisy ezaka hatao mba hanombohana fampianarana Baiboly. Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Any amin’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina na bokikely inona na bokikely inona (afa-tsy ny bokikely Sekoly). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Amin’ny volana Febroary, ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (sg-MG) dia ho azon’ny rehetra raisina amin’ny sarany 200 FMG. Mbola be dia be ny ao amin’ny tahiry, koa ampirisihina ny rehetra, na ireo izay efa misoratra anarana, na ny mbola hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, na ankizy na olon-dehibe, na vita batisa na tsia, mba hahay hanararaotra izao fanolorana manokana izao.
◼ Ireo kongregasiona dia tokony hanao fandaharana mety mba hankalaza ny Fahatsiarovana amin’itỳ taona itỳ, amin’ny zoma 14 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kongregasiona tsirairay ny fankalazany ny Fahatsiarovana manokana, dia mety tsy ho azo atao foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kongregasiona maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany, dia angamba afaka manao izay hampiasana toerana hafa ny kongregasiona iray na mihoatra, amin’io takariva io. Tsy tokony hanomboka tara loatra ny Fahatsiarovana, ka hanahirana ireo olona liana vao haingana ny hanatrika azy io. Ankoatra izany, dia tsy tokony hifanakaiky loatra ireo fivoriana, ka tsy hisy fotoana aloha sy aorian’ny fankalazana hiarahabana ny mpitsidika, hanaovana fandaharana mba hanohizana ny fanampiana olona sasany eo amin’ny lafiny ara-panahy, na hifampaherezana amin’ny ankapobeny. Rehefa avy nandinika an-tsakany sy an-davany ny lafin-javatra rehetra ireo loholona dia tokony hanapa-kevitra ny amin’izay fandaharana hanampy amin’ny fomba tsara indrindra ireo izay manatrika ny Fahatsiarovana handray soa feno avy amin’io toe-javatra io.
◼ Amin’ny alahady 23 Aprily 1995, dia hisy lahateny ampahibemaso manokana hatao any amin’ny kongregasiona rehetra. Ny lohateniny dia hoe “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso”. Aza hadinoina ny manasa izay rehetra manatrika ny Fahatsiarovana amin’itỳ taona itỳ. Hisy ezaka manokana hatao mba hanampiana ireo mpianatra an-tapitrisany maro izay itarihana fampianarana Baiboly any an-tokantranony. Ny fanazavana hatolotra aorian’ny fivoriana amin’io andro io dia handrisika azy ireo sy ireo rahalahintsika amin’ny ankapobeny mba hiandry amim-panantenana ny handray anjara amin’ny fizarana taratasy mivalona manokana iray. Miaraka amin’izay koa, izy io dia hanazava zava-manahirana atrehin’ny olona sy ny ilana hanao zavatra amim-pahatapahan-kevitra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra.
◼ Manomboka amin’ny volana Febroary, na fara fahelany amin’ny 5 Martsa, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe “Mandresy Maneran-tany ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra”. Izy io dia hisy fampisehoana sary diapositives izay hanasongadina ireo Fivoriambe niraisam-pirenena manokana “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” izay natao nandritra ny taom-piasana 1993 sy 1994. Any amin’ireo faritra izay tsy hahafahana hahazo ireo sary diapositives raha tsy any aoriana kokoa, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hanao ilay lahateny hoe “Matokia An’ilay Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra”, ary hanohy hanao azy io mandra-pahazony ireo sary diapositives. Rehefa avy nahazo ilay lahateny miorina amin’ny sary diapositives ny kongregasiona rehetra, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hanohy hanao ilay lahateny hoe “Matokia An’ilay Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra” mandra-pahazo ny fandaharana ny amin’ny lahateny vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany any am-piandohan’ny 1996.
◼ Amin’ny Fivoriana Momba ny Asa amin’ny herinandron’ny 9 Janoary, ny mpitory vita batisa rehetra manatrika ao dia hahazo iray amin’ilay karatra hoe Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra, ary ny zanany dia hahazo Karatra Famantarana.
◼ Zavatra Vita An-tsoratra Misy ao Amin’ny Tahiry: Baiboly amin’ny teny malagasy amin’ny sarany 7 000 FMG.
◼ Fanitsiana: Aza hadinoina, aza fady, ny hampiditra ireto fanitsiana ireto ao amin’ny bokinareo Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina:
Pejy 68, feh. 14, and. 14: ny hoe “fiarovan-doha” dia soloy hoe “fiarovan-tratra”.
Pejy 115, feh. 13, and. 16: ny hoe “fanamafisana” dia soloy hoe “fanaovana izay hampanan-kery”.