Manehoa Fiheverana ny Hafa — Fizarana Voalohany
1 Faly isika mahita ny fanambinana ny vahoakan’i Jehovah, izay niteraka fitomboan’ny isan’ny kongregasiona. Any amin’ny faritra sasany, indrindra fa any amin’ireo tanàn-dehibe, izany dia nahatonga ny fampiasana faran’izay betsaka an’ireo Efitrano Fanjakana. Indraindray izany dia mitaky ny hampiasan’ny kongregasiona maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany. Mitaky ny hanehoan’ny rehetra voakasik’izany, fiheverana fanampiny io tarehin-javatra io.
2 Ny kongregasiona tsirairay mampiasa ilay Efitrano Fanjakana dia tokony hamela azy io ho madio sy milamina ho an’ireo rahalahy hiditra manaraka. Ireo seza sy dabilio dia tokony halamina tsara, izay zavatra vita an-tsoratra rehetra teo ambony latabatra fanolorana azy dia tokony hampirimina any amin’ny toerany, ary izay zavatr’olona manokana hita mipetrapetraka dia tokony hangonina. Ireo toerana fivoahana dia tokony hilaozana mimpirina, ary tokony hatao azo antoka fa misy savony sy lamba famaohana ary papier hygiénique (taratasy fidiovana) ao ary koa fa nodiovina ireo fitoeram-pako.
3 Rehefa misy fivoriana hafa iray nalamina hanomboka aoriana kely, ireo izay mijanona aorian’ilay fivoriana teo aloha dia tsy tokony hitaredretra tsy amin’ny antony, ka hanelingelina ny fiomanana ho amin’ilay fivoriana manaraka. Ny resadresaka itarina dia mety hahatonga ny lalantsara ho feno olona mifanizina ary hanatara ny fandaminan’ireo rahalahy zavatra ho amin’ny fivoriana manaraka. Etsy an-danin’izany kosa, ireo izay manatrika ny fivoriana manaraka dia tsy tokony ho tonga aloha loatra, ka hampisy fitangoronan’olona tsy amin’ny antony ao amin’ny lalantsara na ny faritra fanantonana akanjo.
4 Any amin’izay isian’ny kongregasiona maromaro voakasik’izany, dia ilaina indrindra ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fanaovana fandaharana momba ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana isan-kerinandro. Mazàna dia mifandimby manao izany mandritra ny fotoana voatondro iray ireo kongregasiona. Rehefa manana io andraikitra io ny kongregasionanareo, dia ataovy azo antoka fa vita amin’ny fomba lalina sy haingana ny fanadiovana. Amin’izay dia tsy hanana antony tokony himenomenomana ireo kongregasiona hafa mampiasa ilay efitrano.
5 Indraindray dia ilaina ny hanovan’ny kongregasiona tsirairay ny fotoan’ny fivoriany, toy ny amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Raha voakasik’izany ny kongregasiona hafa iray, dia tokony hampahafantatra azy io aloha be ireo loholona mba hahafahany hampandre ireo mpitory ao aminy haingana araka izay azo atao. Afa-tsy izany koa, raha nalamina ny hisian’ny zavatra nahazoan-dalana iray, toy ny Sekolin’ny Mpisava Lalana, fivorian’ireo loholona ao amin’ny fizaran-tany, na fampakaram-bady, ireo kongregasiona hafa sy izay mpiandraikitra ny fizaran-tany rehetra voakasik’izany dia tokony hohatonina aloha be; amin’izay izy ireo dia tsy handamina ny hampiasa ny Efitrano Fanjakana amin’izany fotoana izany koa.
6 Misy efitrano vitsy ampiasain’ny kongregasiona tsy mitovy fizaran-tany. Tena ilaina ny hifampilazan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany mitsidika izany efitrano izany, ny amin’ireo fitsidihana ho avy izay efa nalamina ny hisiany. Mety hiteraka fanovan-javatra amin’ny minitra farany na zava-manahirana hafa, rehefa mandamina fitsidihana ho an’ny herinandro iray ihany ny mpiandraikitra mpitety faritany roa.
7 Ny fanehoam-piheverana ny hafa amim-pitiavana, ny fifampiresahana tsara, ny fanaovana fandaharana aloha be ary ny fiaraha-miasa dia hanampy mba hihazonana fifandraisana mafana eo amin’ireo kongregasiona. Ho azo antoka koa fa “ny zavatra rehetra [dia] hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana”. — 1 Kor. 14:40.