Be no Omena — Be no Takina
1 Tombontsoa toy inona moa ny antsika manana ny fahamarinana! Noho ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah, dia “nanankinana ny vaovao tsara” isika. (1 Tes. 2:4, NW). Manome antsika andraikitra lehibe kokoa izany. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay nomena be, dia be no hotakina aminy”. — Lioka 12:48b, NW.
2 Toy inona moa ny fahamarinan’ireo teny ireo! Koa satria isika rehetra notahina tamin’ny alalan’ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitambaran-drahalahy mahatalanjona ary ny fanantenana kanto, dia azo atao marina ny milaza fa be no nomena antsika. Rariny raha be no antenaina ho setrin’izany.
3 Mihazòna fomba fijery araka ny tokony ho izy ny amin’ireo fepetra takina: Nanatsoaka hevitra ny sasany fa be loatra no antenaina amintsika. Amin’ny maha-lohan’ny kongregasiona kristiana azy, dia i Jesosy Kristy no mamaritra an’“izay ilaina” mba hampandehanana azy io araka ny tokony ho izy. (Efes. 4:15, 16, NW). Manome toky antsika izy fa ‘mora ny ziogany ary maivana ny entany’. (Matio 11:28-30). Manisy fiheverana amim-pitiavana an’ireo izay voafetra ny azony atao, izy. (Lioka 21:1-4). Raha manome ny tsara indrindra avy amintsika isika, na toy inona na toy inona habetsahany, dia hotahina isika. — Kol. 3:23, 24.
4 Manontania tena hoe: ‘Moa ve mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainako ny tombontsoan’ilay Fanjakana? Moa ve aho mampiasa ny fotoanako sy ny fananako rehetra amin’ny fomba izay mitondra fiderana ho an’ny anaran’Andriamanitra sy soa ho an’ny hafa? Moa ve hitako fa ny fahafinaretako lehibe indrindra dia avy amin’ny fanompoana an’i Jehovah fa tsy avy amin’ny fankafizana amim-pitiavan-tena zavatra ara-nofo?’ Ny valin-tenintsika amim-pahamarinana amin’ireo fanontaniana ireo dia manambara ny antony manosika ao am-pontsika. — Lioka 6:45.
5 Halaviro ny ho azon’ny fakam-panahy hanao izay ratsy: Mbola tsy nisy mihitsy hatramin’izay, fakam-panahy sy fanerena manosika ho amin’ny fitiavan-tena sy ny faniriana mihoa-pampana ary ny fitiavana fahafinaretan’ny nofo, toy izao. Isan’andro isika dia miatrika fihaikana ny fitsipi-pitondran-tena, mbamin’ny fakam-panahy hanaiky lembenana. Mba hanoherana amim-pahombiazana ireny fihaikana ireny, dia tsy maintsy mangataka an’i Jehovah mba hanampy antsika, isika. (Matio 26:41). Amin’ny alalan’ny fanahiny, dia afaka manatanjaka antsika izy. (Isaia 40:29). Fanampiana lehibe ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. (Sal. 1:2, 3). Manana anjara asa lehibe koa ny fahaiza-manitsy tena sy ny fifehezan-tena. — 1 Kor. 9:27.
6 Tsy ampy ny ho tia ny tsara — tsy maintsy mankahala ny ratsy koa isika. (Sal. 97:10). Izany dia midika ho tsy fanolokoloana faniriana fatratra ireo zavatra izay ratsy. Mitanisa zavatra fito izay ankahalain’i Jehovah ny Ohabolana 6:16-19. Miharihary fa izay maniry hampifaly an’i Jehovah dia tsy maintsy mankahala ireo zavatra ireo koa. Noho isika notahina tamin’ny alalan’ny fahalalana marina ny fahamarinana, dia tokony haniry hanao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany isika, ka hampifantoka ny saintsika amin’ny zavatra tsara.
7 Araka ny tokony ho izy ny hivavahana mba hisian’ny toe-javatra mety mba ‘hananantsika foana zavatra be dia be hatao amin’ny asan’ny Tompo’. (1 Kor. 15:58, NW). Maro no nahita fa ny fananana fandaharam-potoana feno eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia fiarovana satria tsy mamela fotoana firy hikatsahana zavatra tsy misy vidiny izany.
8 Rehefa dinihina ny zava-drehetra, izay takin’i Jehovah amintsika dia tena antonona. (Mika 6:8). Manana ny antony rehetra tokony hahavelom-pankasitrahana isika isaky ny misy tombontsoam-panompoana azontsika. (Efes. 5:20). Noho izany, dia tsy mitsahatra ny “miezaka mafy sy mikely aina” isika, matoky fa ny valisoantsika dia ho lehibe lavitra noho izay rehetra takina amintsika. — 1 Tim. 4:10, NW.