Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa
Herinandron’ny 6 Martsa
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Resaho ny amin’ny Valin’ireo Fanontanianareo.
15 min: “Be no Omena — Be no Takina”. Fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ireo izay mahafeno fepetra mba hieritreritra ny amin’ny firotsahana ho mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana Aprily.
17 min: “Fanambarana ‘ny Tenin’ny Faminaniana’ ”. Diniho ireo hevitra misongadina. Asao ny mpihaino mba hitantara fanandraman-javatra tamin’ny nampiasana na nametrahana ny boky Fanambarana. Ampirisiho mafy ny rehetra mba hanana fihetsika manorina rehefa manolotra an’ilay boky, satria izy io dia miresaka fisehoan-javatra mitranga ankehitriny izay mahakasika ny rehetra. Mampanaova fampisehoana momba ny fomba fampiseho iray na roa.
Herinandron’ny 13 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova teny fohy manintona ny saina ho amin’ilay faritra voafefy hoe “Fampahatsiahivana ho An’ny Mpitan-tsoratra sy ny Mpiandraikitra ny Asa”. Filazana momba ny toe-bola.
15 min: “Vaovao Momba Ilay Fanjakana Tonga Amin’ny Fotoana Ilana Azy Natao Hozaraina Maneran-tany”. Lahateny ataon’ny loholona iray. Asongadino ny maha-zava-dehibe an’io asa manokana hatao tsy ho ela, mandritra ny volana Aprily sy May io. Ampirisiho ny rehetra, anisan’izany ireo vaovao, hanao fandaharana mialoha mba handraisany anjara feno.
20 min: Lahateny ataon’ny loholona iray mifototra amin’ny boky Voalamina, pejy 113-115 mitondra ny lohateny hoe: “Ny Asan’ny Mpitory Maharitra Mpanampy, Mandavantaona sy Manokana”. Manaova fanadinadinana mpisava lalana roa na telo ary asongadino amin’izany ny fifaliana tsapan’izy ireo manao an’io asa io, ny vokatra tsara hitany teo amin’ny fanompoana, ny soa noraisiny, sy ny sisa. Azony atao ny mitantara fohy zavatra teny am-pitoriana. Raha tsy misy mpisava lalana maharitra dia mety ny manao fanadinadinana mpisava lalana mpanampy.
Herinandron’ny 20 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny miorina amin’ilay lahatsoratra hoe: “Raha Tokony Handoa Hetra Ianao, dia Mandoava Hetra”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1994, pejy 26-28.
15 min: “Ampio ny Hafa ‘Hitandrina Izay Voasoratra’ ”. Diniho ireo hevi-dehibe, ary avy eo dia mampanaova fampisehoana momba ny fiverenana mitsidika iray na roa.
Herinandron’ny 27 Martsa
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
12 min: “Ilay Fisehoan-javatra Lehibe Indrindra teo Amin’ny Tantaran’ny Olombelona”. Iaraho mandinika amin’ny mpanatrika. Avereno jerena ireo fandaharana natao ho amin’ny Fahatsiarovana. Hazavao ny antony ilantsika hanasa ireo olona liana sy hanampy azy ireny hanatrika ny Fahatsiarovana.
18 min: “Fitarihana Fianaram-pianakaviana Ara-baiboly Misy Heviny”. Lahateny ataon’ny loholona iray.
10 min: Fanolorana famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! mandritra ny volana Aprily. Any amin’ny faritany izay voasa matetika, dia azontsika atolotra koa na bokikely inona na bokikely inona (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Diniho izao fanipazan-kevitra manaraka izao raha ny amin’ny fanolorana gazety isan-trano: Mitsikia amim-pisakaizana. Manàna hafanam-po. Mitenena miadana. Aza miresaka afa-tsy lahatsoratra iray monja ao amin’ny gazety iray. Atolory ny tompon-trano ireo gazety. Ampahafantaro fa hiverina hitondra ireo nomerao manaraka ianao. Manaova famaranan-teny manorina raha lavina ireo gazety. Raiso an-tsoratra daholo ny fahalianana sy ny zavatra vita an-tsoratra voapetraka rehetra. Eo am-pamaranana, dia manaova fampisehoana ny amin’ny fomba fampiseho fohy iray na roa rehefa manolotra ireo gazety farany.