Fampahatsiahivana ho An’ny Mpitan-tsoratra sy ny Mpiandraikitra ny Asa
Isan-taona, ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Febroary dia misy fampandrenesana iray izay mangataka ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra ny asa mba “hijery indray ny asan’ireo mpisava lalana maharitra rehetra”. Inona no zava-kendrena amin’io fijerena indray ny asan’ireo mpisava lalana maharitra io? Izany dia natao mba hamaritana hoe iza no mety hila fanampiana mba hanatratrarana ny ora takina alohan’ny hifaranan’ny taom-piasana.
Takina amin’ny mpisava lalana maharitra ny hanokanany 1 000 ora isan-taona amin’ny fanompoana. Amin’ny faran’ny volana Febroary, ny mpisava lalana sasany dia mahita fa latsaka ny ora vitany ka izany dia afaka mitarika ho amin’ny fahakiviana. Ireo loholona matetika dia afaka manampy ireo mpisava lalana, manome azy ireo fampaherezana sy fanipazan-kevitra azo ampiharina. Miankina amin’izany ny hanatratraran’ireo mpisava lalana amim-pahombiazana ny fepetra takina amin’izy ireo amin’ilay taona na hijanonany tsy ho mpisava lalana intsony.
Azo antoka fa ireo mpisava lalana dia hankasitraka ny fiahiana amim-pahatsorana avy amin’ireo loholona amin’io lafiny io. Ny kongregasiona koa dia handray soa avy amin’ny fananana mpisava lalana izay sambatra eo amin’ny fanompoany ka mifikitra amim-pahatokiana amin’ny fanendrena azy.