Ilay Fisehoan-javatra Lehibe Indrindra teo Amin’ny Tantaran’ny Olombelona
1 Tonga teto an-tany i Jesosy noho ny baiko avy tamin’ny Rainy mba hanao fanambarana momba ny fahamarinana izay hitarika antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Jaona 18:37, NW). Ny fahatokiany hatramin’ny fahafatesana dia nitondra voninahitra ho an’i Jehovah sy nanamasina ny anaran’Andriamanitra ary nanome avotra. (Jaona 17:4, 6). Izany no nahatonga ny fahafatesan’i Jesosy ho ilay fisehoan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra.
2 Hatramin’ny namoronana an’i Adama, dia tsy nisy afa-tsy lehilahy tanteraka roa niaina teto amin’itỳ tany itỳ. Adama dia ho afaka nitondra fitahiana mahatalanjona ho an’ny taranany mbola tsy ary. Nikomy tamim-pitiavan-tena kosa izy, ka nanameloka azy ireo ho amin’ny fiainana mampahonena izay hiafara amin’ny fahafatesana. Fony tonga tetỳ i Jesosy, dia nampiseho tsy fivadihana sy fankatoavana tonga lafatra, ka nanokatra ny fahafahana hahazo fiainana mandrakizay ho an’ireo izay maneho finoana izy. — Jaona 3:16; Rom. 5:12.
3 Tsy misy fisehoan-javatra hafa afaka mifampitaha amin’ny nahafatesan’i Jesosy ho sorona. Nanova ny fizotran’ny tantaran’ny olombelona izy io. Nanome ny fototra ho amin’ny fitsanganan’ny olona an’arivo tapitrisany maro avy amin’ny maty, izy io. Nametraka ny fototry ny Fanjakana mandrakizay iray izay hamarana ny faharatsiana sy hanao ny tany ho paradisa, izy io. Amin’ny farany dia hanafaka ny olombelona rehetra amin’izay endrika fampahoriana sy fanandevozana rehetra, izy io. — Sal. 37:11; Asa. 24:15; Rom. 8:21, 22.
4 Izany rehetra izany dia manampy antsika hahatakatra ny anton’ny nanomezan’i Jesosy toromarika mba hahatsiarovan’ny mpianany ny nahafatesany amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana isan-taona. (Lioka 22:19). Noho ny fahatakarana ny hevitr’izy io, dia tsy andrintsika ny hiaraha-mivory amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany amin’ny zomà 14 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Alohan’io fotoana io, dia ho tsara ny hiarahan’ny fianakaviana mamaky ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ireo andro farany niainan’i Jesosy teto an-tany sy ny fijoroany tamin-kerim-po ho an’ny fahamarinana. (Ireo andalan-teny omena hovakina dia hita ao amin’ny Calendrier 1995, 9-14 Aprily.) Namela ohatra ho antsika izy tamin’ny fifikirana tamin’ilay Mpamorona antsika. (1 Pet. 2:21). Aoka isika hanao izay farany azontsika atao amin’ny fanasana ny namantsika sy ny fianakaviantsika, ary koa ireo mianatra ny Baiboly sy ireo olona liana hafa, amin’io fivoriana lehibe io. Hazavao mialoha izay zavatra hitranga sy ny hevitr’ireo marika. — 1 Kor. 11:23-26.
5 Ireo loholona dia tokony hanao fandaharana aloha be mba hahazoana antoka fa milamina sy madio ny Efitrano Fanjakana. Tokony hisy fandaharana hatao mba hisian’ny olona iray hikarakara ny fahazoana ireo marika. Ny fampandalovana ireo marika dia tokony ho voalamina tsara. Nisy fanipazan-kevitra mahasoa momba ny fomba ahafahantsika maneho fanajana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, nomena tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1985, pejy faha-17. Tena hety ny handaminan’ny kongregasiona ny fanaovana asa fanompoana betsaka kokoa mandritra ny andro maromaro alohan’ilay fankalazana ary koa andro vitsivitsy aoriany.
6 Tamin’ny taona lasa, dia olona 12 288 917 no nanatrika ny fahatsiarovana an’io fisehoan-javatra lehibe io naneran-tany. Koa satria izy io no andro lehibe indrindra ao amin’ny fanisanandrontsika, isika rehetra dia tokony hanatrika eo.