FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/96 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 1/96 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra atolotra amin’ny Janoary: Fanolorana manokana ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika miaraka amin’ny bokikely Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay. Febroary: Ny bokikely Tokony Hino ny Trinite ve ianao? na ny boky Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Aprily: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Ho an’ny faritany voasa matetika, izay bokikely rehetra (afa-tsy ny bokikely Fampianarana sy ny Sekoly) dia azo ampiasaina koa. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay mbola tsy nanafatra ireo zavatra hatolotra eny amin’ny saha fanompoana voalaza eo ambony, dia tokony hanao izany amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-14) halefany manaraka.

◼ Tokony hanao ireo fandaharana mety ny kongregasiona mba hankalazana ny Fahatsiarovana, amin’itỳ taona itỳ, ny talata 2 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kongregasiona tsirairay ny fankalazany ny Fahatsiarovana manokana, dia mety tsy ho azo atao foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kongregasiona maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany raha ny ara-dalàna, angamba ny kongregasiona iray na mihoatra dia afaka mampiasa trano hafa amin’io takariva io. Ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka tara loatra ka hahatonga ireo liana vao haingana hihevitra fa hanahirana ny hanatrika. Fanampin’izany, ny fandaharam-potoana dia tsy tokony ho tery loatra hany ka tsy hisy fotoana aloha na aorian’ny fankalazana mba hiarahabana ireo mpitsidika, hanaovana fandaharana ho an’ny fanampiana ara-panahy mitohy ho an’ny sasany, na hifaliana amin’ny fifanakalozana fampaherezana faobe. Aorian’ny fandinihana amin’ny fomba lalina ny lafin-javatra rehetra, ireo loholona dia tokony hanapa-kevitra hoe fandaharana inona avy no hanampy amin’ny fomba tsara indrindra ireo izay manatrika ny Fahatsiarovana mba handraisany soa feno avy amin’ilay fisehoan-javatra.

◼ Ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana 1996 dia hatao ny alahady 21 Aprily. Ny lohatenin’ny lahateny dia hoe: “Fitoerana ho Tsy Misy Tsiny eo Anivon’ny Taranaka Meloka Iray”. Hisy planina homena. Ireo kongregasiona manana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, fivoriamben’ny fizaran-tany, na andro fivoriambe manokana amin’io faran’ny herinandro io dia hanana ny lahateny manokana ny herinandro manaraka. Tsy misy kongregasiona tokony hanao ny lahateny manokana alohan’ny 21 Aprily.

◼ Manomboka amin’ny Febroary, ary raha ela indrindra dia amin’ny 3 Martsa, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe: “Kongregasiona Iray Tsy Mivadika eo Ambany Fitarihan’i Kristy”.

◼ Fanitsiana ao amin’ny:

Boky Tafaray, pejy 18, feh. 12, and. 4: Ny hoe “ny Raiko sy ny Rainareo” dia soloy hoe “Andriamanitro sy Andriamanitrareo”.

Boky Tafaray, pejy 180, fanontaniana amin’ny feh. 8: Ny hoe “Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa” dia soloy hoe “Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany”.

Fandaharana Amin’ny Sekoly Teokratika Amin’ny 1996, pejy 4, 5 Feb.: Ny hoe “No 3: td 30A” dia soloy hoe “No 3: td 30B”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara