Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny Janoary
Herinandron’ny 1 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
20 min: “Aoka Isika Hanolotra ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Miaraka Amin’ny Bokikely Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay”. Diniho ireo hevi-dehibe, ary anaovy fampisehoana ny fomba fampiseho iray na roa.
15 min: Hovelabelarin’ny loholona iray ny amin’ny zavatra ilain’ny kongregasiona. Azony atao ny mandinika ny Tatitra nataon’ny Mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’ny fandalovany farany tao amin’ny kongregasiona. Asongadino ny fampiharana ireo torohevitra nomeny.
Herinandron’ny 8 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Manaova teny fiderana mifanentana noho ny fanohanana ara-bola ny asa eo an-toerana sy maneran-tany hitoriana ny vaovao tsara.
15 min: Ny Fiarovana Sarobidin’ny Karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Ny loholona iray dia miara-mandinika amin’ny kongregasiona ny maha-zava-dehibe ny hamenoan’ny tsirairay amin’ny fomba mety ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy ny hitondrany azy io amin’ny fotoana rehetra ary ny ilan’ny ankizy hanana foana ny Karatra Famantarana any aminy. Araka ny tondroin’ny lohatenin’ilay karatra, izy io dia manome fanamarihana mialoha izay ilaina (na tsy ilaina) amin’ny fikarakarana ara-pitsaboana. Nahoana izany no atao isan-taona? Ny karatra vaovao dia mampiaiky kokoa noho ny iray izay mety hoheverina hoe lany andro na tsy manome taratry ny fieken’ny olona iray intsony. Miteny ho anao ilay taratasy fanazavana raha tsy afaka miteny ho an’ny tenanao ianao. Hozaraina izao hariva izao ny karatra. Tokony hofenoina amim-pitandremana any an-trano izy ireny, nefa tsy hosoniavina. Toy ny efa natao tao anatin’ireo roa taona farany, ny fanaovanao sonia sy fanamarinana azy io dia hatao any amin’ny toerana fanaovana Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, eo ambany fanaraha-mason’ny mpitarika ny fianarana ny boky. Ireo manao sonia amin’ny maha-vavolombelona raha ny marina, dia tokony hahita ilay tompon-karatra manao sonia ilay taratasy fanazavana. Izany dia hatao aorian’ny fianarana ny boky amin’ny herinandron’ny 15 Janoary. (Jereo ny pejy faha-2 amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Janoary 1994 mba hahazoana ny tsipiriany amin’ny fanaovana azy. Jereo koa ilay taratasy tamin’ny 15 Oktobra 1991.) Ny mpitory vita batisa rehetra dia afaka mameno ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Ireo mpitory tsy vita batisa, amin’ny fampifanarahana ny teny ao amin’ilay karatra amin’ny toe-javatra misy azy sy ny fiekeny mafy manokana, dia mety haniry hanoratra ny toromariky ny tenany manokana. Ireo ray aman-dreny dia afaka manampy ireo zanany tsy vita batisa hameno ny Karatra Famantarana.
20 min: “Aoka Ianareo ho Mpankato fa Tsy ho Mpihaino Fotsiny”. Fanontaniana sy valiny.
Herinandron’ny 15 Janoary
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho fohy ny zava-manahirana mihamitombo momba ireo tsy tratra ao an-trano. Ampirisiho ireo mpitory hanonitra ny fotoana amin’ny fanaovana izay hanatonana ny mpandalo, ny olona mijoro eny amin’ny sisin-dalana, na mipetraka ao anaty fiarakodiany.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. (Na “Arovy ny Fahatsapanao Fahadodonana”, lahateny miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Oktobra 1995, pejy 25-28.
18 min: “Manaova Fiverenana Mitsidika any Amin’izay Rehetra Nametrahana Boky sy Bokikely”. Diniho ny fomba fampiseho anolorana hevitra. Ampirisiho ny hanaovana ho tanjona ny hanombohana fampianarana amin’ilay bokikely hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay.
Herinandron’ny 22 Janoary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
20 min: “Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1996 — Fizarana 1”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Jereo ny fitarihan-dalana nomena momba ny anjaran’ny mpianatra amin’ny toromarika amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izay nivoaka tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Oktobra 1995.
20 min: “Mitenena Amim-pahasahiana”. Lahateny sy fandinihana ataon’ny loholona iray. Jereo indray ny fandaharam-panompoana eo an-toerana atao ny alahady. Manaova teny fiderana noho ny fanohanana tsara ary manomeza fanoloran-kevitra amin’izay ilana fanatsarana.
Herinandron’ny 29 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Fanaovana Fanambarana Mandritra Ireo Andro Ratsy. Maro no mila miatrika ny oram-be mandritra ny fahavaratra. Ny antokona mpitory telo na efatra dia mandinika ny fomba ahafahany manohy mandray anjara amin’ny fanompoana na dia eo aza ny andro ratsy. Kongregasiona maro no mandamina fivoriana ho an’ny fanompoana ao amin’ny faritany, mba tsy hanaovana dia lavitra loatra. Diniho ny hevitra hafa hitanareo fa azo ampiharina ao amin’ny faritra misy anareo.
20 min: Manolora ny Boky Fanambarana Amin’ny Febroary. Hazavao hoe nahoana ny bokin’ny Apokalypsy no noheverina hatramin’ny ela ho misitery tsy takatry ny saintsika. Diniho ny fehintsoratra faha-6-9 eo amin’ny pejy faha-8, ka asehoy hoe nahoana io boky io no ilaina. Ampirisiho ny mpitory hitadidy ireo hevitra ireo ao an-tsaina mba hananany fototra ho an’ny hevitra azo resahina eny am-baravarana. Asio firesahana “Ny Planin’ny Bokin’ny Fanambarana” eo amin’ny pejy 98-99, ary asehoy ny fomba hahazoana mampiasa azy io mba hanomezana fahitana ankapobe ny bokin’ny Apokalypsy. Sariho ny saina ho amin’ny sary manaitra ao amin’ny fonony anatiny amin’ny voalohany sy farany ary ny hoe ahoana no azo ampiasaina azy ireny mba hanombohana resaka. Ampahatsiahivo ny rehetra haka ny boky mba hisy hampiasaina amin’ny fanompoana amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ.