Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hatolotra amin’ny Jona: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Jolay sy Aogositra: Ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy manaraka ireto: “Indro Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Rehefa mifanentana amin’ny toe-javatra, dia azo atolotra ny bokikely toy ny: Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, Nos problèmes — Qui nous aidera à les résoudre?, Ny Fanahin’ireo Maty — Afaka Manampy Anao ve izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve izy Ireo? Septambra: Fanolorana manokana ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. (500 FMG, mpitory; 200 FMG, mpisava lalana). Mariho ao amin’ny taratasy hofenoina S-20, aza fady, ny isan’ny boky nalain’ny mpisava lalana sy ny mpitory.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na ny olona iray notendreny dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona ny 1 Jona na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita ilay izy.
◼ Manomboka ny herinandron’ny 9 Septambra 1996, ka hatramin’ny herinandron’ny 29 Septambra 1997, dia ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany no hodinihina ao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.