FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/96 p. 8
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitenenana Misosa Tsara, Fitenenana toy ny Raha Miresaka ary Fanononana Tsara
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • ‘Milofosa Amin’ny Famakian-teny Ampahibemaso’
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fiteny Tsotra, Tsy Amboamboarina
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 9/96 p. 8

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Inona no tokony hotadidina ao an-tsaina raha ny amin’ny famakiana ireo fehintsoratra any amin’ny fivoriana?

Fotoana be dia be voatokana ho amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona no ampiasaina ho amin’ny famakiana ireo fehintsoratra. Midika izany fa ilay rahalahy voatendry ho mpamaky teny dia miantsoroka ny andraikitra mavesatry ny mpampianatra. Tsy maintsy mamaky teny amin’ny fomba izay ‘hampisy heviny’ an’ilay zavatra vakina izy, hany ka tsy hoe hahazo ny hevitr’izy io fotsiny ireo mpihaino, fa ho voatosika hanao zavatra koa. (Neh. 8:8, NW ). Noho izany, ilay mpamaky teny dia mila manomana tsara ny anjarany. (1 Tim. 4:13; jereo ny fianarana faha-6 amin’ny Boky ho An’ny Sekoly.) Indreto misy zavatra ilaina sasany mba hanaovana famakian-teny ampahibemaso misy dikany.

Mampiasà fanamafisan-kevitra araka ny tokony ho izy: Fantaro mialoha ny teny na fitambaran-teny ilaina hoantitranterina mba hampitana fahatakarana hevi-javatra marina.

Tonòny amin’ny fomba marina ireo teny: Ny fanononana araka ny tokony ho izy sy mazava dia tena ilaina raha tiana ny hahazoan’ny mpanatrika ny hevitr’ireo teny hita ao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra. Jereo ao amin’ny diksionera ny teny tsy mahazatra na mahalana vao ampiasaina, na mihainoa ny cassettes an’ny Fikambanana.

Mitenena mafy sy amin-kafanam-po: Ny fitenenana mafy sy amin-kafanam-po dia miteraka fahalianana sy manaitra ny fihetseham-po ary manosika ny mpihaino hanao zavatra.

Aoka ianao hafana fo sy ho toy ny miresaka: Ny fitenenana amin’ny fomba tsotra dia avy amin’ny fahaiza-miteny misosa tsara. Noho ny fiomanana sy ny fanazaran-tena, dia afaka ny ho tony ilay mpamaky teny ary ny vokany dia ho famakian-teny manintona fa tsy dridralava kosa. — Hab. 2:2, NW.

Vakio avokoa ilay zavatra vita pirinty rehetra: Ireo fanamarihana ambany pejy ary koa ny fanazavana ao anaty fononteny na anaty fononteny mahitsy dia vakina amin’ny feo avo mazàna, raha mampahazava ilay lahatsoratra vita pirinty izy ireny. Ny hany maningana amin’izany dia ireo fanondroana loharanon-kevitra. Ny fanamarihana ambany pejy dia tokony hovakina eo amin’izay misy firesahana ny aminy ao anatin’ny fehintsoratra, ka hialohavan’ny hoe: “Ny fanamarihana ambany pejy dia manao hoe (...)”. Rehefa voavaky ilay izy, dia tohizo fotsiny ny famakiana ny ambin’ilay fehintsoratra.

Rehefa atao tsara ny famakian-teny ampahibemaso, izy io dia iray amin’ireo fomba tena lehibe ahafahantsika ‘mampianatra ny hafa hitandrina izay rehetra nandidian’ilay’ Mpampianatra Lehibe antsika. — Matio 28:20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara