FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/96 p. 8
  • Torio Ilay Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Torio Ilay Fanjakana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Torintsika ny Fanantenana Momba Ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • “Mitondra Teny Soa Mahafaly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mahay Mampahery sy Mijery Lafy Tsaran-javatra
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • ‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 9/96 p. 8

Torio Ilay Fanjakana

1 Ao amin’ny Hebreo 10:23 (NW ), dia ampirisihina mafy isika “hihazona mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika”. Ary ny fanantenantsika dia mifantoka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandidy manokana i Jesosy hoe ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia tsy maintsy torina any amin’ny firenena rehetra. (Marka 13:10, NW ). Mila mitadidy an’izany ao an-tsaina isika rehefa mandray anjara amin’ny fanompoantsika.

2 Rehefa mifandray amin’olona isika, dia miezaka manombo-dresaka momba izay mahaliana na mampanahy azy ireny. Mazàna isika dia manonona zavatra izay fantatr’izy ireo tsara, toy ny heloka bevava eo amin’ny manodidina, ny zava-manahirana ny tanora, ny fanahiana momba ny fivelomana, na ny zava-tsarotra iray eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao. Koa satria ny sain’ny ankamaroan’ny olona mifantoka amin’ireny “fiahiahian’izao fiainana izao” ireny, rehefa asehontsika fa miahy ny hafa sy mahay mahatakatra ny fiheviny isika, dia matetika milaza izay ao an-tsainy ny olona. (Lioka 21:34). Izany dia mety hanokatra ny lalana mba hizarantsika ny fanantenantsika.

3 Raha tsy mitandrina anefa isika, ilay resaka dia afaka ny hifantoka eo amin’ny zavatra tsy manorina, hany ka tsy hahatanteraka ny zava-kendren’ny fitsidihantsika isika — dia ny hitory ilay hafatra momba ilay Fanjakana. Na dia misarika ny saina ho amin’ireo toe-javatra ratsy izay mitondra fahoriana be dia be aoka izany aza isika, ny tanjontsika dia ny hitarika ny saina ho amin’ilay Fanjakana, izay handamina ireo zava-manahirana rehetra an’ny olombelona amin’ny farany. Manana fanantenana tena mahatalanjona isika, ary mila mafy mihaino azy io ny olona. Koa na dia mety hiresaka lafiny sasany amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao aza isika amin’ny voalohany, dia tokony hifantoka haingana any amin’ny hafatra voalohany entintsika, dia ny “vaovao tsara mandrakizay”. Amin’izany fomba izany, dia hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoantsika isika. — 2 Tim. 3:1, NW; 4:5, NW; Apok. 14:6, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara