Voairaka Isika
1 Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’. (Matio 28:19). Any amin’ny tany sy vondro-nosy 232 manerana ny tany, dia mpidera an’i Jehovah Andriamanitra mihoatra ny dimy tapitrisa no manome porofo velon’ny fahatanterahan’io didin’i Jesosy io. Fa ahoana ny amin’ny tenantsika manokana? Moa ve isika mihevitra ho zava-dehibe ny fanirahana antsika hitory?
2 Adidy noho ny feon’ny fieritreretana: Ny atao hoe fanirahana dia “didy mba hanatanterahana asa asaina hatao”. Nahazo baiko hitory avy amin’i Kristy isika. (Asa. 10:42). Takatry ny apostoly Paoly fa izany dia nahatonga azy ho tsy maintsy nanambara ny vaovao tsara, na hoe hanana adidy noho ny feon’ny fieritreretana hanao izany. (1 Kor. 9:16). Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe tantsambo iray ao amin’ny sambo iray efa hilentika ianao. Mibaiko anao ilay kapiteny mba hampitandrina ireo mpandeha sy hitarika azy ireny ho amin’ny lakan’aina. Moa ve ianao hody tsy hahalala io didy io ka hifantoka amin’ny famonjena ny tenanao fotsiny? Azo antoka fa tsia. Miankina aminao ny hafa. Tandindomin-doza ny ainy. Manana adidy noho ny feon’ny fieritreretana ianao hanatanteraka ny fanirahana anao mba hanampy azy ireny.
3 Nirahin’Andriamanitra handefa fampitandremana iray isika. Tsy ho ela i Jehovah dia hamarana itỳ fandehan-javatra ratsy manontolo itỳ. Tandindomin-doza ny aina an-tapitrisany maro. Hety ve ny hodiantsika tsy hahalala ny loza mety hahavoa ny hafa ka hiahy ny famonjena ny tenantsika fotsiny? Mazava ho azy fa tsia. Manana adidy noho ny feon’ny fieritreretana isika hanampy mba hamonjena ny ain’ny hafa. — 1 Tim. 4:16.
4 Oha-pahatokiana tokony harahina: I Ezekiela mpaminany dia nahatsapa andraikitra hampita hafatra fampitandremana ho an’ireo Isiraelita tsy nahatoky. Nampitandrina azy tamim-panantitranterana ny amin’ireo vokany i Jehovah raha tsy nanatanteraka ny asa nanendrena azy izy, ka nanao hoe: “Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao! ary tsy mananatra azy hianao (...), dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tànanao ny rany.” (Ezek. 3:18). Naneho tsy fivadihana i Ezekiela tamin’ny nanatanterahany ny fanirahana azy na dia teo anoloan’ny fanoherana mafy aza. Noho izany, dia afaka nifaly izy rehefa tanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah.
5 Taonjato maro tatỳ aoriana, ny apostoly Paoly dia nanoratra momba ny andraikiny hitory. Hoy izy: “Afaka amin’ny ranareo rehetra aho. Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra.” Nitory ampahibemaso sy isan-trano i Paoly satria niaiky izy fa ny tsy fanaovana izany dia ho afaka nahatonga azy hivesatra trosan-dra eo anatrehan’Andriamanitra. — Asa. 20:20, 26, 27.
6 Manana ny zotom-pon’i Ezekiela ve isika? Mahatsapa ho voatosika hitory toa an’i Paoly ve isika? Mitovy amin’ny azy ireo ny fanirahana antsika. Tsy maintsy manohy manatanteraka ny andraikitsika hampitandrina ny hafa isika, na dia eo aza ny tsy firaharahany, ny tsy firaikany, na ny fanenjehany. Olona an’arivony maro hafa koa no mety mbola handray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ka hanambara hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zak. 8:23). Enga anie ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika hanosika antsika tsy hilavo lefona. Voairaka hitory isika!