FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/96 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 4 Novambra
  • Herinandron’ny 11 Novambra
  • Herinandron’ny 18 Novambra
  • Herinandron’ny 25 Novambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 11/96 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra

Herinandron’ny 4 Novambra

Hira 29, Hira 128

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Miresaha ny amin’ny tatitra momba ny fanompoana eny amin’ny saha natao tamin’ny Jolay teto amin’ny nosy sy tao amin’ny kongregasiona eo an-toerana.

15 min: “Mampiasa Tsara ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?” Fanontaniana sy valiny. Asio teny ny amin’ny “Antony tokony handinihana ny Baiboly”, avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 77-79.

20 min: “Izao no Midika ho Fiainana Mandrakizay”. (Fehintsoratra 1-5). Aorian’ny teny fanokafana fohy momba ny fehintsoratra voalohany, dia manasà mpitory mahay roa hanao fampisehoana an’ireo fomba fampiseho ao amin’ny fehintsoratra 2-5. Antitrantero ny hamerana tanjona hanombohana fampianarana Baiboly. Ampirisiho ny rehetra hitondra ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996 amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandro manaraka.

Herinandron’ny 11 Novambra

Hira 40, Hira 129

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.

20 min: Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Nampiasa ny boky Fahalalana isika teo amin’ny asa fampianarana Baiboly, efa herintaona mahery izao. Azo inoana fa efa nahavita ilay boky ny mpianatra sasany, ary efa lasa lavitra kosa ny hafa ao amin’izy io. Ampirisihina isika hifantoka amin’ny fitarihana fampianarana izay natao hanampiana ireo vaovao hianatra ny fahamarinana amin’ny fomba haingana sy hampihatra azy io eo amin’ny fiainany ary ho tonga anisan’ny kongregasiona. Ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, dia manome fanoloran-kevitra tsara dia tsara mba hanampiana antsika hahita vokatra amin’ny maha-mpampianatra antsika. Diniho vetivety ny sasany amin’ireo zavatra azontsika atao mba hampianarana ireo mpianatra amim-pahakingana, araka ny nodinihina tao amin’ny fehintsoratra 3-13 amin’io takelaka fanampiny io. Manaraka izany, dia mifantoha amin’ireo zavatra ilaina hatao mba hanampiana azy ireny haka toerana hentitra, araka ny voasoritra eo amin’ny fehintsoratra 14-22. Vakio ny fehintsoratra 15, 17, 20, 21. Diniho indray ny tatitra manorina sasany mampiseho ny fomba nahazoan’ireo mpitory eo an-toerana vokatra tsara. Ampirisiho ny hisian’ny maro kokoa handray anjara amin’ny asa fampianarana Baiboly.

15 min: “Izao no Midika ho Fiainana Mandrakizay”. (Fehintsoratra 6-8). Resaho ny tombontsoa azo amin’ny fampiasana tari-dresaka mivantana mba hanombohana fampianarana. Manasà mpitory za-draharaha hanao fampisehoana an’ireo fomba fampiseho eo amin’ny fehintsoratra 6-7. Asao ny mpanatrika hitantara toe-javatra izay nanombohana fampianarana tamin’ny fitsidihana voalohany. Rehefa notolorana mivantana fampianarana ny lehilahy iray, dia namaly hoe: “Eny. Mandrosoa an-trano. Tiako ny hianatra.” Natomboka ilay fampianarana niaraka taminy, nanatrika ny fianakaviany iray manontolo tamin’ny herinandro nanaraka, ary tsy ela ny rehetra dia nanatrika ireo fivoriana sy nandray anjara tamin’ny asa fitoriana.

Herinandron’ny 18 Novambra

Hira 140, Hira 85

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

15 min: “Voairaka Isika”. Fanontaniana sy valiny. Miresaha vetivety momba ny fehintsoratra 13-16 ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1988, pejy 28-29.

20 min: Nahoana no Manome ho An’i Jehovah? Resaka ifanaovan’ny loholona roa, ka hanasongadinana hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1996, pejy 28-31. Na, azon’ny loholona iray aseho ao amin’ny lahateny iray ilay fanazavana.

Herinandron’ny 25 Novambra

Hira 46, Hira 180

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

15 min: “Aoka Isika Hizara Amin’ny Hafa Araka Izay Ilainy”. Lahateny ataon’ny loholona iray.

10 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika.

15 min: Diniho ny Zavatra Atolotra Amin’ny Desambra. Ny mpitarika itỳ fandaharana itỳ dia hamelabelatra ireo hevi-dehibe hita ao amin’ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, pejy 189, fehintsoratra 12 sy 13. Sorito sy anaovy fampisehoana ny fomba fampiseho fohy iray, ka ampiasao ireo hevitra eo amin’ny pejy 189 ireo. Tokony hanaovana fandaharana hentitra ho amin’ny fiverenana mitsidika izay rehetra maneho fahalianana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara