FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/97 p. 1
  • ‘Mitory ny Teny Isika’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Mitory ny Teny Isika’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • “Torio ny Teny”!
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • “Torio ny Teny”
    Mihirà ho An’i Jehovah
  • Torio ny Fanjakan’i Jehovah!
    Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah
  • “Torio ny Teny”
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 1/97 p. 1

‘Mitory ny Teny Isika’

1 Mifanaraka amin’ny filazalazan’ny Baiboly “ny andro farany”, ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao, dia tsy manana afa-tsy “endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra”. (2 Tim. 3:1, 5, NW ). Izany dia satria ireo mpitondra fivavahana dia tsy nanome tari-dalana ara-panahy tsara ho an’ny andian’ondriny. Tsy manohana ny Baiboly ny klerjin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana. Aleon’izy ireo mamerimberina fotsiny ireo fampianarana tsy misy dikan’ireo filozofa sy teolojiana, na miresaka momba ny raharaha ara-tsosialy sy ara-politika, toy izay hitory ny Tenin’Andriamanitra. Mpitondra fivavahana maro no tsy mino ny Baiboly. Mihevitra izy ireo fa an’ny andron’ny Ntaolo izy io. Koa mampirisika amin-karatsiam-panahy ny teorian’ny evolisiona àry izy ireo, fa tsy ny fampianaran’ny Baiboly momba ny Mpamorona Lehibe. Ny ankamaroan’ny klerjy dia tsy mampiasa akory ny anarana manokan’Andriamanitra, ary tsy manohitra ny fanafoanana azy io avy ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly maoderina.

2 Toy ny an’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy, dia foana ny fampianaran’ny klerjy amin’izao andro izao. (Matio 15:8, 9). Izany dia tsy misy hafa amin’ny nambaran’i Amosa mpaminany mialoha. Misy ‘mosary, nefa tsy fanirian-kanina, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah’. (Amosa 8:11). Ambonin’ny zavatra hafa rehetra, ny olona dia mila ny hanina ara-panahy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

3 Ny fanomezana fahafaham-po izay ilain’ny olona amin’ny ara-panahy: Nananatra an’i Timoty mba hifikitra tamin’ny “Soratra Masina, izay mampahahendry [ny olona iray] ho amin’ny famonjena”, i Paoly. Noho izany, dia nananatra azy mafy mba ‘hitory ny teny’ tamin’ny hafa, izy. (2 Tim. 3:14, 15; 4:2). Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia tsy maintsy mifikitra amin’izay ampianarin’ny Baiboly isika, rehefa mitory. Amin’izany isika dia manahaka an’i Jesosy, ilay Modelintsika, izay nanao hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16). Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ho fototry ny fampianarantsika isika, satria manaiky fa mirakitra ny fahendren’Andriamanitra izy io, ary tiantsika ny olona hahafantatra ny loharanon’ilay fanazavana omentsika azy. — 1 Kor. 2:4-7.

4 Tsy maintsy mandre ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aloha ny olona, mba hianarana momba an’i Jehovah sy hinoana azy. Hoy ny nosoratan’i Paoly tamim-pandrindran-kevitra: “Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” (Rom. 10:14). Amin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, isika dia manampy ny hafa hahazo finoana amin’ny alalan’ny fahalalana araka ny marina. Izany fahalalana izany dia afaka ary tena manova fiainan’olona ho amin’ny tsara. Hoy ny nosoratan’ilay mpanoratra anglisy atao hoe Charles Dickens, momba ny Baiboly: “Izy io no boky tsara indrindra amin’izay rehetra efa nisy na mbola hisy eto an-tany, satria manome antsika ireo fianarana tsara indrindra hahafahan’ny zavaboary olombelona rehetra miezaka ny ho marina sy mahatoky, hahazo fitarihana.”

5 Ireo izay mangetaheta fahamarinana ara-panahy dia manjary mahatakatra fa tohanan’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra izy io. Tany amin’ny taona 1913, i Frederick W. Franz, mbola mpianatra tany amin’ny sekoly fianarana ambony, dia nomena bokikely iray nitondra ny lohateny hoe Aiza moa Ireo Maty? (anglisy). Rehefa avy namaky tamim-pahalianana ny valin-tenin’ny Baiboly ho an’io fanontaniana io izy, dia nanambara hoe: “Itỳ no fahamarinana.” Olona an-tapitrisany maro nitady ny fahamarinana no nanjary nitovy hevitra tamin’izany. Aoka isika hanohy hitory ny Teny amim-pahazotoana sy amin-jotom-po, ka hahita koa ilay fifaliana mandre ny hafa manao hoe: “Itỳ no fahamarinana.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara