Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Janoary
Herinandron’ny 6 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Miresaha momba ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Septambra, nanerana ny nosy sy tao amin’ny kongregasiona.
20 min: Fotoana Hanavaozana ny Karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra Izao. Miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny famenoana ilay karatra amin’ny fomba feno sy ny fitondrana azy io amin’ny fotoana rehetra, ny loholona mahay iray. Io taratasy io dia misolo toerana anao, raha tsy afaka miteny ny tenanao, rehefa tratran’ny loza. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 22:3.) Ilaina ny mameno karatra vaovao isan-taona mba hanomezana fanambarana tsy lany andro momba ny fandavana ra. Nisy dokotera sy olon-kafa nilaza mantsy fa ny taratasy mihoatra ny herintaona dia mety tsy hanome taratry ny finoan’ny olona iray amin’izao fotoana izao. Aorian’ny fivoriana, ny mpitory vita batisa rehetra dia homena karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra. Ary ireo izay manan-janaka tsy ampy taona sy tsy vita batisa dia hahazo Kara-panondro iray ho an’ny zanaka tsirairay. Hazavao fa ireo karatra ireo dia tsy tokony hofenoina amin’izao fivoriana izao. Tokony hofenoina amim-pitandremana any an-trano izy io, kanefa TSY hosoniavina kosa. Ny fanaovana sonia sy ny fanamarinan’ny vavolombelona ary ny fanisiana daty ny karatra rehetra dia hatao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona manaraka, eo ambany fanaraha-mason’ny mpitarika ny fianarana ny boky. Hanamarina izy fa samy nahazo karatra sy mahazo ny fanampiana ilainy, ireo rehetra miara-mianatra ny boky aminy. Ireo vavolombelona manao sonia dia tokony hahita ara-bakiteny an’ilay tompon-karatra manao sonia azy io. Izay rehetra tsy eo amin’io dia hampian’ny loholona/mpitarika amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana manaraka, mandra-pananan’ny mpitory vita batisa rehetra karatra feno tsara sy vita sonia. (Diniho indray ny taratasy tamin’ny 15 Oktobra 1991.) Amin’ny fampifanarahana ny teny ao amin’io karatra io amin’ny toe-javatra misy azy manokana sy ny fiekeny manokana, ireo mpitory tsy vita batisa dia mahazo manoratra ny toromariny manokana, ho an’ny tenany sy ny zanany. Izay mandinika sy miahy ny amin’ireo tsipirian-javatra lehibe dia lehibe ireo dia mendrika ny hahazo teny tsara avy amin’i Jehovah. — Ohab. 16:20.
15 min: “Manana ny Toetra Ilaina sy ny Fitaovana Hampianarana ny Hafa”. (Fehintsoratra 1-6). Manaova teny fohy momba ny fehintsoratra 1 sy 2, ka hamafiso ny ilantsika hatoky fa, noho ny fanampian’i Jehovah, dia ho afaka ny hampianatra ny hafa amin’ny fomba mandaitra isika. Manasà olona efatra samy hafa, izay haka ny toeran’ny mpitory sy ny tompon-trano, mba hampiseho ireo fomba fampiseho ao amin’ny fehintsoratra 3-6, ka ny tsiroaroa dia samy hampiseho ny fomba fanaovana fitsidihana voalohany sy fiverenana mitsidika.
Herinandron’ny 13 Janoary
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Manasongadìna hevitra azo resahina ao amin’ireo gazety farany. Manipaza hevitra momba ny fomba fampahafantarana ny tena rehefa manatona ny olona mba hanao fitoriana tsy ara-potoana. Asao ny mpanatrika hilaza izay teny fampidirana nampiasainy tamin’ny olona tao anaty fivarotana, teny an-dalana, teny amin’ny zaridainam-bahoaka, teny ambony fitaterana, sy ny toy izany.
15 min: “Manana ny Toetra Ilaina sy ny Fitaovana Hampianarana ny Hafa”. (Fehintsoratra 7-9). Tantarao ilay fanandraman-javatra momba ny fanaovana fiverenana mitsidika hita ao amin’ny Diary 1995, pejy 45, ka antitrantero ny maha-zava-dehibe ny fanolokoloana izay fahalianana rehetra hita. Manasà mpitory mahay iray hampiseho ireo fomba fampiseho ao amin’ny fehintsoratra 7 sy 8. Na dia ny boky Tafaray aza no natolotra tamin’ny voalohany, dia tokony hampifantoka ny ezaka ataontsika amin’ny hitarihana fianarana amin’ny boky Fahalalana isika amin’ny farany. Ampirisiho ny rehetra mba handamina fotoana hanaovana fiverenana mitsidika amin’ny herinandro ho avy.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na “Apetraho Amin’i Jehovah ny Entanao”. Lahateny mampahery miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1996, pejy 27-29.
Herinandron’ny 20 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: “Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra”. Fanontaniana sy valiny. Asao ny mpanatrika hitantara vetivety fanandraman-javatra mampiseho ny fomba nahitany fihetsika tsara avy tamin’ny olona avy amin’ny saranga samy hafa.
20 min: Fanaovana Fanambarana Amin’ny Alalan’ny Fitondran-tena Tsara. Miara-midinika amin’ny tanora roa na telo ny loholona iray. Miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1987, pejy 10-20, ny fiaraha-midinika. Mampidira fanandraman-javatra tao amin’ny zavatra vita an-tsoratra sy teo an-toerana, izay mampiseho fa nisy fiantraikany tsara teo amin’ny mpitazana ny fitondran-tena mahitsin’ireo tanora kristiana.
Herinandron’ny 27 Janoary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
10 min: Fandinihana ny Valin’ireo Fanontanianareo, ataon’ny sekretera.
15 min: “ ‘Mitory ny Teny Isika’ ”. Fanontaniana sy valiny. Manaova teny mampiseho ny antony ankasitrahantsika lalina ny Tenin’Andriamanitra. — Jereo Mifohaza! (frantsay) 22 Jona 1984, pejy 10-12.
15 min: Fandinihana ny Zavatra Atolotra Amin’ny Febroary. Asehoy ireo toetra mampiavaka ny Boky ho An’ny Sekoly. Jereo km-MG 1/1/96, pejy 4, feh. 1-3. Ho fanarahana ilay anjara teo aloha, dia ampirisiho ny fampiasana andinin-teny iray voafidy tsara, ao amin’ny fomba fampiseho ampiasaina. Manaova fampisehoana fohy iray na roa. Aza hadinoina ny milaza fa 500 FMG no vidin’ilay boky. Ampahatsiahivo ny rehetra mba haka boky hampiasainy amin’izao herinandro izao.