FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/97 p. 1
  • Ahoana ny Amin’ireo Havanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana ny Amin’ireo Havanao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Fomba Hitoriana Amin’ny Havana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Velombelomy amin’ny ranon’ny fahamarinana ireo havanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mahaiza Manohina ny Fon’ny Havanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • ‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 2/97 p. 1

Ahoana ny Amin’ireo Havanao?

Ny ankamaroantsika dia manana havana maromaro tsy ao anatin’ny fahamarinana. Toy inona moa ny faniriantsika hiarahan’ireo olon-tiantsika ireo amintsika eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana! Mety ho lehibe kokoa aza ny fiahiantsika ny amin’ny hoavin’izy ireo mandrakizay, raha mpianakavintsika izy ireo. Na dia efa niezaka nandritra ny taona maro hahatonga azy ireo ho liana amin’ny fahamarinana aza isika, dia tsy tokony hanatsoaka hevitra fa tsy misy antenaina intsony ny tarehin-javatra.

2 Fony i Jesosy nanao ny fitoriany, dia ‘tsy nino azy ny rahalahiny’. (Jaona 7:5). Nisy fotoana niheveran’ireo havany azy ho adala. (Marka 3:21). Na dia izany aza, dia tsy namoy fo i Jesosy, ny amin’izy ireo. Tatỳ aoriana dia nanaiky ny fahamarinana ireo rahalahiny. (Asa. 1:14). I Jakoba, rahalahiny iray reny taminy, dia tonga andry tao amin’ny kongregasiona kristiana. (Gal. 1:18, 19; 2:9). Raha tianao ny hanana ny fifaliana hahita ireo havanao hanaiky ny fahamarinana, dia aza mitsahatra miezaka hitondra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any aminy.

3 Aoka ianao hamelombelona, fa tsy hanototra: Rehefa nitory tamin’ny hafa i Jesosy, ireo mpihaino azy dia nahatsiaro ho novelombelomina, fa tsy ho nolevilevena. (Matio 11:28, 29, NW ). Tsy nanototra azy ireo tamin’ny fampianarana izay tsy ho takatr’izy ireo, izy. Mba hamelombelomana ireo havanao amin’ny ranon’ny fahamarinana, dia ataovy iray vera isaky ny manao izany, fa tsy iray sinibe! Hoy ny nomarihin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Ny vokatra tsara indrindra dia avy amin’ireo izay manaitra ny fahalianan’ny havany amin’ny fitoriana mitsitaitaika.” Amin’izany fomba izany, na dia ireo manohitra aza dia mety hanomboka hametraka fanontaniana, ary amin’ny farany dia hampitombo hetaheta ny fahamarinana. — 1 Pet. 2:2; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 3:1, 2.

4 Kristiana maro manambady no nahita fahombiazana teo amin’ny fanambarana tamin’ny vadiny tsy mpino, tamin’ny famelana zavatra vita an-tsoratra hisokatra eo amin’ny fanazavana izay mety hahaliana azy. Sady nanao izany ny anabavy iray, no nitarika fampianarana tamin’ny zanany ho ren’ny vadiny, ary nanome fanazavana izay hahasoa azy io. Indraindray izy dia nanontany azy hoe: “Izao sy izao avy no nianarako tamin’ny fianarako androany. Ahoana ny hevitrao?” Nanaiky ny fahamarinana ny vadiny tamin’ny farany.

5 Aoka ianao ho feno fanajana, ka tsy hamoy ny faharetanao: Nilaza ny mpitory iray fa “na ireo havana aza dia manana zo hanana ny fomba fiheviny manokana”. Tokony haneho fanajana àry isika, rehefa milaza ny heviny izy ireo, na rehefa mangataka amintsika mivantana mba tsy hiresaka aminy momba ny fahamarinana. (Mpit. 3:7; 1 Pet. 3:15). Amin’ny fananana faharetana sy fitiavana, sy amin’ny fahaiza-mihaino, dia afaka mitady fahafahana mety hanaovana fanambarana an-kolaka isika. Afaka mitondra valisoa ny faharetana toy izany, araka ny hitantsika amin’ny ohatry ny lehilahy kristiana iray. Niaritra tamim-paharetana ny fitondrana ratsy nataon’ny vadiny tsy mpino taminy nandritra ny 20 taona izy. Raha vao nanomboka niova ny vadiny, dia hoy ilay rahalahy: “Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, noho izy nanampy ahy hamboly fahari-po. Hitako tokoa ankehitriny ny vokany, satria manomboka mandeha eo amin’ny lalan’ny fiainana ny vadiko!”

6 Ahoana ny amin’ireo havanao? Angamba, noho ny fitondran-tena kristiana tsaranao, sy ny vavaka ataonao ho azy, dia ‘mety hahazo azy ho an’i Jehovah ianao’. — 1 Pet. 3:1, 2, NW, f.a.p.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara