Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Any amin’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Jona: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Martsa na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Anaovy fampandrenesana ny kongregasiona, rehefa vita ilay izy.
◼ Ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana amin’itỳ taona itỳ dia hatao ny alahady 6 Aprily ao amin’ny ankamaroan’ireo kongregasiona. Ny lohateniny dia hoe “Mitoera ho Madio Tsy ho Azon’ireo Zava-mandoton’izao Tontolo Izao”. Tokony hanatrika isika rehetra, ary tokony hanampy ireo olona liana tonga tamin’ny Fahatsiarovana hanatrika azy io koa. Izay ho rentsika dia tena hanosika antsika hanavao ny fahatapahan-kevitsika hampifaly an’Andriamanitra.
◼ Mba handraisana soa be indrindra avy amin’ny fianaran’ny kongregasiona ny boky Lehilahy Niavaka, dia diniho, aza fady, ireo toro lalana faran’izay tsara hita eo amin’ny pejy voalohany amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Septambra 1992. Manazava ny fomba hanomanana ny lesona tsirairay sy ny ho fizotran’ilay Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, io lahatsoratra io. Handray soa avy amin’ny fijerena indray io fanazavana io ny mpitarika ny fianarana sy ny mpanatrika rehetra.
◼ Ao amin’ny fiaraha-monina rehetra, amin’ny fotoana maro samihafa amin’ny taona, dia misy fetin’izao tontolo izao izay tsy andehanan’ny ankizy any an-tsekoly na ny mpiasa any am-piasana. Izy ireny dia fahafahana faran’izay tsara hampitomboan’ny kongregasiona ny fanompoany eny amin’ny saha. Tokony hamantatra azy ireny mialoha ireo loholona ary hilaza mialoha amin’ny kongregasiona ireo fandaharana hatao mba hiaraha-mitory amin’ny fotoan’ny fety.