FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/97 p. 7
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandevenana Mendri-kaja sy Tsotra ary Sitrak’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Fiheveran’ny Kristianina Ireo Fomba Rehefa Misy Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ahoana no Fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah An’ireo Fombafomba Atao Amin’ny Fandevenana?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Fisaonana sy fandevenana—Ho an’iza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1977
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 3/97 p. 7

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Rehefa angatahina hanampy mba handamina fandevenana iray ny kongregasiona, dia mety hipoitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

Iza no tokony hanao ny lahatenim-pandevenana? Ny mpikambana ao amin’ilay fianakaviana no hanapa-kevitra ny amin’izany. Azon’izy ireo atao ny mifidy na rahalahy iza na rahalahy iza, izay vita batisa ka tsara laza. Raha angatahina hanolotra mpandahateny iray ny fitambaran-doholona, dia hifidy loholona mahay mba hanao lahateny iray miorina amin’ny planin’ny Fikambanana. Tsy hankalaza ilay nody mandry izy, nefa mety hety ny hisarihana ny saina ho amin’ireo toetra tsara fakan-tahaka nasehony.

Azo ampiasaina ve ny Efitrano Fanjakana? Azo, raha manome lalana ny amin’izany ny fitambaran-doholona, ary raha tsy manembantsembana ny fivoriana iray efa voalamina araka ny mahazatra ilay izy. Azo ampiasaina ny Efitrano raha nanana laza tsara ilay nody mandry ka mpikambana tao amin’ilay kongregasiona, na zanaka tsy ampy taonan’ny mpikambana iray ao. Raha fantatry ny besinimaro noho ny fitondran-tenany tsy kristiana ilay olona, na raha misy anton-javatra hafa mety hitondra akony ratsy eo amin’ny kongregasiona, dia mety hanapa-kevitra ny tsy hanome lalana ny hampiasana ny Efitrano ireo loholona. — Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 62.

Raha ny ara-dalàna, ny Efitrano Fanjakana dia tsy ampiasaina ho an’ny fandevenana olona tsy mpino. Mety hisy zava-maningana, raha mpitory vita batisa mifanerasera amin’ny kongregasiona ireo mpikambana hafa rehetra ao amin’ny fianakaviany, ka fantatry ny maromaro ao amin’ny kongregasiona ho nandray tsara ny fahamarinana ilay nody mandry no sady tsara laza noho ny fitondran-tena nahitsy teo amin’ny manodidina, ary koa raha tsy misy fombafomban’izao tontolo izao hampidirina ao amin’ilay fandaharana.

Rehefa manome lalana hampiasa ny Efitrano Fanjakana ireo loholona, dia handinika ny hoe zavatra fanao sy ampoizina sa tsia ny fahitana ny vatam-paty any amin’ny fandevenana. Raha eny, dia ho azon’izy ireo atao ny hamela ny hitondrana azy io ao amin’ny Efitrano.

Ahoana ny amin’ny fandevenana olon’izao tontolo izao? Raha tsara laza teo amin’ny manodidina ilay nody mandry, dia ho azon’ny rahalahy iray atao ny hanao lahateny ara-baiboly mampionona any amin’ny trano misy ny faty na eny am-pasana. Ny kongregasiona dia handa tsy hikarakara ny fandevenana olona iray fantatra ho naloto fitondran-tena, tsy mpanara-dalàna na nanaraka fomba fiaina nifanipaka tanteraka tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Tsy hiara-mitarika fotoam-pivavahana fanakambanam-pinoana amin’ny mpitondra fivavahana iray velively ny rahalahy iray, na handray anjara amin’ny fandevenana tarihina ao amin’ny fiangonana irain’i Babylona Lehibe.

Ahoana raha voaroaka ilay nody mandry? Tsy ho voakasika amin’izany ny kongregasiona mazàna. Tsy hampiasaina ny Efitrano Fanjakana. Raha nanome porofon’ny fibebahana ilay olona, ka naneho ny faniriany ho voaray indray, ny feon’ny fieritreretan’ny rahalahy iray dia mety hamela azy hanao lahateny ara-baiboly any amin’ny trano misy ny faty na eny am-pasana, mba hanaovana fanambarana amin’ireo tsy mpino sy hampiononana ireo havana. Alohan’ny hanapahana hevitra anefa, dia ho fahendrena ny hakan’ilay rahalahy hevitra amin’ny fitambaran-doholona, sy ny hanehoany fiheverana an’izay hevitra mety hatoron’izy ireo. Raha hita fa tsy fahendrena ny hidiran’io rahalahy io amin’ilay raharaha, dia mety hety raha rahalahy iray izay mpianakavin’ilay nody mandry no manao lahateny iray ho fampiononana ireo havana.

Misy toro lalana fanampiny hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Janoary 1991, pejy 30-31; 15 Martsa 1982, pejy 28-29; 15 Septambra 1980, pejy 5-7; 15 Desambra 1978, pejy 5-8; 1 Desambra 1977, pejy 729-732; 1 Aprily 1971, pejy 31-32; ary Mifohaza! (frantsay), 8 Septambra 1990, pejy 22-23 ary 22 Jolay 1977, pejy 12-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara