Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Oktobra: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Gazety tsirairay no atolotra raha lavina ny famandrihana. Manomboka amin’ny tapa-bolana faharoa dia hozaraina ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Novambra: Hitohy ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35. Ireo kongregasiona izay nahavita ny faritaniny, tamin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 tamin’ny tompon-trano rehetra ao amin’ny fonenana tsirairay, dia afaka manolotra ny boky Fahalalana. Desambra: Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Septambra, na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Anaovy fampandrenesana ny kongregasiona rehefa vita ilay izy.
◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ireo toromarika nomena ao amin’ny pejy faha-21-23 amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991 momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry horaisina indray.
◼ Ireo izay mifandray amin’ny kongregasiona iray dia tokony handefa ny taratasy famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! rehetra, na vaovao na fanavaozana, anisan’izany ny famandrihan’ny tenany manokana, amin’ny alalan’ny kongregasiona.
◼ Ny Fikambanana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha dia tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana, alohan’ny handefasan’ny kongregasiona ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany amin’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.
◼ Rehefa manao fanafarana zavatra vita an-tsoratra ny kongregasiona, dia tokony hitadidy fa ny CD-ROM an’ny Fikambanana dia tsy natao hozaraina amin’ny olona tsy an-kanavaka. Izy io dia natao hampiasain’ny mpitory indrindra indrindra.
◼ Ny “Valin’ireo Fanontanianareo” tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana May 1997, dia nanoro hevitra antsika mba ho malina rehefa miara-miasa amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toa antsika, eny amin’ny fanompoana. Misy antony tsara hanehoan’ny rehetra fahaiza-mitsara zavatra amin’io lafiny io. Tsy midika akory izany fa tsy afaka miara-miasa amin’ny anabavy eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ny mpiandraikitra mpitety faritany na ny rahalahy hafa. Ny hevitra kosa dia hoe tsy fahendrena ny hiarahan’ny rahalahy iray irery tsy tapaka amin’ny olona iray ihany, izay tsy lahy toa azy, kanefa tsy havany.