FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/98 p. 4
  • Mifalia Amin’ny Fanaovana Fanambarana Feno

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifalia Amin’ny Fanaovana Fanambarana Feno
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fanolorana Boky sy Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fampiasana Tsara Ireo Boky Tranainy ao Amintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mamaly Fanontaniana Maro ny Fahalalana avy Amin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Fomba Fampiseho Azo Ampiasaina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 1/98 p. 4

Mifalia Amin’ny Fanaovana Fanambarana Feno

1 Tiantsika rehetra ny manao ireo zavatra haintsika tsara. Milaza ny Marka 7:37 fa niteny toy izao momba an’i Jesosy ny vahoaka: “Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra”. Tsy mahagaga raha nifaly tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah i Jesosy! (Ampitahao amin’ny Salamo 40:8.) Amin’ny fiheverana ireto fanoloran-kevitra ireto, dia hahita fifaliana toy izany koa isika, eo am-pankatoavana ny didin’i Jesosy “hitory amin’ny olona ka [hanao fanambarana amin’ny fomba feno, NW ]”. (Asa. 10:42). Amin’ny Janoary, dia hanolotra ny boky Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe isika. Ahoana no azontsika ampiasana io boky io mba hanaovana fanambarana feno?

2 Koa satria matetika ny olona no manahy momba ny raharaha ara-pahasalamana, dia azonao atao ny milaza hoe:

◼ “Na dia eo aza ireo zava-bita lehibe teo amin’ny sehatry ny fitsaboana, dia misy fijaliana be vokatry ny aretina. Araka ny hevitrao, inona no anton’izany? [Avelao izy hamaly.] Nilaza i Jesosy Kristy fa ho mariky ny andro farany ny areti-mandringana. (Lioka 21:11). Nefa milazalaza ny amin’ny fotoana tsy hisian’ny aretina intsony koa, ny Baiboly. [Vakio ny Isaia 33:24.] Mariho ny firesahan’itỳ boky fianarana itỳ momba ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.” Asongadino ireo fanazavana mifanentana amin’izany ao amin’ny boky Mpampianatra Lehibe, pejy faha-182, fehintsoratra faha-2-3.

3 Rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana eny akaikin’ireo toerana be fivarotana ianao, dia afaka miarahaba, ka avy eo dia hanontany hoe:

◼ “Hitanao ho toa mihalafo aoka izany ve ny zavatra amin’izao andro izao ka sarotra ny mahita vola ampy hivelomana? [Avelao izy hamaly.] Mihevitra ve ianao fa ho avy ny fotoana hisian’ny tsy fananana ahiahy ara-toe-karena indray andro any?” Avelao izy hamaly. Avy eo dia mampisehoa andinin-teny mifanentana amin’izany avy ao amin’ilay boky. Tohizo amin’ny filazana hoe: “Itỳ boky itỳ dia maneho ny fomba handaminan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanjakany, ireo zava-manahirana mahatonga ny fiainana ho sarotra aoka izany amin’izao andro izao.” Atolory ilay boky. Mety hilaza ianao hoe nahafinaritra anao indrindra ilay dinidinika, ka avy eo dia hanontany hoe: “Misy fomba mety hahafahantsika hanohy ny dinidinitsika ve amin’ny fotoana manaraka?” Amin’izany fomba izany, dia mety ho afaka ny hahazo ny adiresin’ilay olona ianao.

4 Mety hanana fahafahana hanandrana itỳ fomba fampiseho momba ny fiadanana maneran-tany itỳ ianao, amin’ny fampiasana ny boky “Mpampianatra Lehibe”:

◼ “Nahoana, araka ny hevitrao, no sarotra tratrarina aoka izany ny fiadanana maneran-tany? [Avelao izy hamaly, avy eo dia vakio ny Apokalypsy 12:7-9, 12.] Iray amin’ireo vokatry ny fanjerana an’i Satana ho etỳ an-tany ny tsy fisian’ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao. Nilazalaza vokany hafa i Jesosy ao amin’ny faminaniany momba ny fotoan’ny farany. [Sokafy eo amin’ny pejy faha-177 ny boky Mpampianatra Lehibe, ary vakio ny fehintsoratra faha-2-5.] Itỳ boky itỳ dia mamaly fanontaniana lehibe maro, ka faly aho manolotra azy ho anao, raha tianao ny hamaky azy.”

5 Rehefa miverina mitsidika ireo naneho fahalianana ianao, dia afaka miezaka mafy mba hanomboka fampianarana Baiboly, amin’ny fanamboarana itỳ tari-dresaka itỳ:

◼ “Fony isika niresaka farany, dia nanao fanamarihana mahaliana be ianao. [Tonony ny fanazavana nataon’ilay olona.] Nieritreritra momba izany aho, ka tiako ny hizara aminao ny vokatry ny fikarohana nataoko momba io foto-kevitra io. [Miresaha andinin-teny mifanentana aminy.] Manolotra ny hitarika fandaharam-pianarana maimaim-poana, izay nahatonga olona an-tapitrisany maro ho afaka hamakafaka ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ao anatin’ny fotoana fohy, izahay. Izany fandinihana izany dia afaka manorina ny fatokianao ny fahatanterahana azo antok’ireo fampanantenan’Andriamanitra.” Manasongadìna fanontaniana sasany hovaliana. Raha mandà ilay fampianarana Baiboly ilay olona, dia hazavao fa manana fampianarana manokana vita haingana isika, izay tsy mandany afa-tsy 15 minitra isan-kerinandro, ao anatin’ny 16 herinandro. Asehoy ny bokikely Takina, avadiho ho eo amin’ny lesona 1, ary anontanio raha azonao atao ny mampiseho ny lesona voalohany.

6 Aza hadinoina ny mampiasa taratasy fanasana: Azo ampiasaina amim-pahombiazana ao amin’ny fampidiran-dresakao mba hanairana ny fahalianan’ny olona amin’ny raharaha ara-panahy izy ireny, na azo apetraka raha tsy nandray zavatra vita an-tsoratra ilay olona. Raha misy fahalianana hita, dia ampiasao ny hafatra vita pirinty ao ambadik’ilay taratasy fanasana mba hampirisihana an’ilay olona hanaiky fampianarana Baiboly ao an-tokantrano sy ho tonga any amin’ireo fivoriantsika.

7 Aoka ianao hahay eo am-panaovana ny asanao, dia hahita fifaliana avy amin’izany. Mitandrema mandrakariva mba hanao fanambarana feno, ary mahità fifaliana amin’ny fanatanterahana tsara ireo lafiny rehetra amin’ny fanompoana. — 1 Tim. 4:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara