Fampiasana Tsara Ireo Boky Tranainy ao Amintsika
1 Nanome antsika sakafo ara-panahy soa sy tondraka i Jehovah. Be dia be amin’izany fanazavana izany no navoaka ho boky misy pejy 192 izay natonta tato anatin’ireo taona faramparany. Moa ve ianao manana sasany amin’izy ireny izay mbola tsara, any an-trano? Moa ve ny kongregasiona manana sasany ao amin’ny tahiriny? Raha izany no izy, dia ho tsara ny handinihana indray ny loha hevitra raketin’izy ireny sy ny hifantenana hevitra azo resahina sasany izay ho azonao ampiasaina amin’ny fanoloranao.
2 Raha mampiasa ny boky “Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany” ianao, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Fanaon’ny tanora maro ny ‘mampiaraka’ amin’izao fotoana izao. Hita izany eny amin’ny arabe, ao amin’ny televiziona, ao amin’ny gazetiboky samihafa. Araka ny hevitrao, tsy mampaninona ve io fanao io? [Avelao ilay olona hamaly.] Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-144, fehintsoratra faha-5, ilay boky, ary vakio ny Mpitoriteny 11:9, 10. Raha irinao ny hahazo fanazavana bebe kokoa, dia azonay apetraka aminao itỳ boky itỳ, amin’ny sarany 500 FMG.”
3 Mety hifidy ny hampiasa ilay bokikely hoe “Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?” ianao. Raha izany no izy, dia ho afaka ny hilaza toy izao ianao:
◼ “Olona maro no manontany hoe nahoana Andriamanitra no mamela fijaliana be dia be toy izao hisy eto an-tany. Koa satria tsitoha izy, nahoana izy no tsy manao zavatra mba hamaranana ny fahoriantsika? Ahoana ny hevitrao? [Avelao ilay olona hamaly.] Manome toky antsika ny Baiboly fa tsy nahafoy antsika Andriamanitra.” Avadiho ho eo amin’ny pejy faha-27, fehintsoratra faha-22, ilay bokikely, ary vakio ny Salamo 37:11, 29. Tondroy ilay sary manintona mampiseho izay azontsika andrasana amim-panantenana. Raha raisin’ilay olona ilay bokikely, dia manolora ny hiverina mba hampisehoana ny fomba azo ampiasana azy io mba hianarana ny Baiboly.
4 Ireo zavatra vita an-tsoratra avoakatsika dia nanosika olona an’arivony maro handinika ny Baiboly akaiky kokoa. Izay nianarany dia nanome azy fanantenana hoavy sambatra. (Sal. 146:5). Tombontsoantsika ny manampy azy ireny.