FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/98 p. 3
  • “Jehovah no Mpamonjy Ahy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Jehovah no Mpamonjy Ahy”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanao ny Fanahy Masina ho Mpanampy Ahy Manokana ve Aho?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Mampitombo ny Herim-po ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Manàna Herim-po!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • ‘Mahereza sy Matanjaha!’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 2/98 p. 3

“Jehovah no Mpamonjy Ahy”

1 Rehefa naniraka ireo mpianany voalohany i Jesosy, dia nilaza tamin’izy ireo toy izao: “Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia”. (Matio 10:16). Moa ve izany nahatonga azy ireo hatahotahotra sy hiahotra? Tsia. Izy ireo dia nanaraka ilay fihetsika nambaran’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, rehefa nilaza tamin’ireo Kristiana tahaka azy toy izao izy: ‘Sahia manao hoe: Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’ (Heb. 13:6). Nifaly izy ireo natao ho mendrika ny fahafaham-baraka noho ny anaran’i Jesosy, ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara. — Asa. 5:41, 42.

2 Eo amin’ny ambaratonga farany ny asa fitoriana maneran-tany amin’izao andro izao. Araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, dia nanjary halan’ny firenena rehetra isika. (Matio 24:9). Notoherina sy noharabina ny asa fitoriantsika, ary norarana mihitsy aza, any amin’ny faritra sasany amin’ny tany. Raha tsy manam-pinoana isika, dia mety hatahotra. Kanefa, ny fahafantarana fa Mpamonjy antsika i Jehovah dia mamelombelona antsika sy manatanjaka antsika mba haharitra.

3 Ny herim-po dia toetran’izay matanjaka sy sahy ary mahery fo. Mifanohitra amin’ny tahotra sy ny fahasarotan-kenatra ary ny hakanosana izy io. Nila herim-po foana mba hiaretana ny mpianatr’i Jesosy. Tena ilaina izy io raha tiantsika ny tsy ho kivin’ny fihetsika sy ny zavatra ataon’izao tontolo izao mandrafy an’Andriamanitra. Tena mampahery antsika mihitsy ny mieritreritra ny ohatra faran’izay tsaran’i Jesosy, mpandresy izao tontolo izao! (Jaona 16:33). Tadidio koa fa ireo apostoly, teo anatrehan’ny fisedrana mafy, dia nanambara tamin-kasahiana hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asa. 5:29.

4 Isika tsy mba naman’izay mihemotra: Tokony hiezaka mafy hihazona fihetsika manorina eo amin’ny asantsika isika. (Heb. 10:39). Tadidio ao an-tsaina mandrakariva fa irahin’i Jehovah ho fanehoana ny fitiavany sy ny famindram-pony amin’ny olombelona rehetra, isika. Tsy mangataka ny mpanompony na oviana na oviana mba hanao zavatra izay tsy manan-java-kendrena mahasoa izy. Ny zavatra rehetra ampanaovina antsika dia hahasoa izay tia an’Andriamanitra, amin’ny farany. — Rom. 8:28.

5 Ny fahaiza-mijery lafy tsaran-javatra dia hanampy antsika hanohy hitady ireo olona toy ny ondry ao amin’ny faritanintsika. Ho afaka hihevitra ny tsy firaharahana asehon’ny olona ho fanehoany ny fahakiviany sy ny tsy fananany fanantenana isika. Aoka ny fitiavantsika hanosika antsika hangoraka sy hanam-paharetana. Isaky ny mahapetraka zavatra vita an-tsoratra isika na mahatsikaritra fahalianana bitika, dia tokony ho ny hanao fiverenana mitsidika haingana sy ny hanaitra fahalianana fanampiny no ho tanjontsika. Tsy mila ny misalasala na oviana na oviana ny amin’ny fahaizantsika hanomboka fampianarana Baiboly na hitarika azy io amim-pahombiazana isika. Tokony hitady ny fanampian’i Jehovah sy ny fitarihany tsy an-kijanona sy amim-bavaka kosa isika, amin’ny fatokiana fa hanampy antsika izy.

6 Mino mafy isika fa hataon’i Jehovah izay hahatanteraka ilay asa hatramin’ny farany. (Ampitahao amin’ny Filipiana 1:6.) Ny fitokiantsika tanteraka aminy amin’ny maha-Mpamonjy antsika azy dia manatanjaka antsika, mba tsy ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika”. — Gal. 6:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara