Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Nahoana isika no tokony hanisy fiheverana manokana ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe, rehefa mitsidika ireo tranon’ny Fikambanana any Brooklyn sy Patterson ary Wallkill, any New York, sy any amin’ireo biraon’ny sampana manerana ny tany?
Antenaina hihazona fihetsika feno fahalalam-pomba tsara ny Kristiana. Amin’ny fotoana rehetra, ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe dia tokony hampiseho taratry ny fahamaotonana sy ny fahamendrehana mety amin’ny mpanompon’i Jehovah Andriamanitra. Tena marina indrindra izany, rehefa mitsidika ny tranon’ny Fikambanana any New York sy any amin’ireo sampany maneran-tany isika.
Mandritra ny 1998, dia hisy fivoriamben’ny distrika sy fivoriambe iraisam-pirenena. An’arivony maro amin’ireo rahalahintsika avy any amin’ny tany maro no hitsidika ny foiben’ny Fikambanana any New York, ary koa ireo sampany any amin’ireo tany hafa. Tsy rehefa mitsidika ireny trano ireny ihany, fa amin’ny fotoana hafa rehetra koa, dia mila ny ‘mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra isika amin’ny zavatra rehetra’, ka tafiditra amin’izany ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe mifanentana. — 2 Kor. 6:3, 4.
Amin’ny firesahana momba ny maha-zava-dehibe ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe mifanentana, ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, dia manazava fa ilaina ny fahadiovana ara-batana sy ny fitafiana maotona ary ny fisehoana ankapobe tsara, rehefa manao fanompoana eny amin’ny saha sy manatrika fivoriana kristiana isika. Avy eo, ao amin’ny pejy faha-131, fehintsoratra voalohany, dia manambara toy izao izy io: “Toy izany koa rehefa mitsidika ny Betela isika, na any Brooklyn, na any amin’ny tany hafa rehetra misy sampan’ny Fikambanana. Aza hadinoina fa ny dikan’ny teny hoe Betela dia ‘Tranon’Andriamanitra’. Antenaina àry fa raha ny amin’ny taovolo, ny fisehoana ivelany sy ny fitondrantena, ny fihetsika harahintsika dia ho sahala amin’ny rehefa manatrika ireo fivoriana ho amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Efitrano Fanjakana isika.” Io fari-pitsipika ambony io ihany no tokony hotandreman’ireo mpitory ilay Fanjakana avy eo an-toerana ary koa ireo avy any amin’ny toerana lavitra kokoa, izay tonga hamangy mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela, sy hitsidika ireo tranon’ny sampana.
Ny fitafiantsika dia tokony hisy akony tsara eo amin’ny hafa, raha ny amin’ny fomba fijeriny ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah. Kanefa, voamarika fa mirona hanao akanjo baranahiny loatra ny rahalahy sy anabavy sasany rehefa mitsidika ny tranon’ny Fikambanana. Tsy mety ny fitafiana toy izany, rehefa mitsidika ny trano Betela na aiza na aiza. Ny amin’io raharaha io, toy ny amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainantsika kristiana, dia maniry ny hihazona fari-pitsipika ambony mitovy ihany isika, dia fari-pitsipika mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, amin’ny fanaovantsika ny zavatra rehetra ho voninahitr’Andriamanitra. (Rom. 12:2, 1 Kor. 10:31). Tsara koa ny miresaka amin’ny olona ampianarintsika Baiboly sy ny hafa izay mety hitsidika ny Betela voalohany ary mampahatsiahy azy ireo fa zava-dehibe ny manisy fiheverana ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe mety.
Koa rehefa mitsidika ny tranon’ny Fikambanana àry ianao dia manontania tena hoe: ‘Moa ve maotona ny fitafiako sy ny fisehoako ankapobe?’ (Ampitahao amin’ny Mika 6:8.) ‘Moa ve izany manome taratra tsaran’ilay Andriamanitra izay ivavahako? Moa ve voahelingelina na tafintohina ny hafa noho ny fisehoako ivelany? Moa ve aho manome ohatra tsara ho an’ny hafa izay mety hitsidika ny Betela voalohany?’ Enga anie ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe ‘hampahamendrika mandrakariva ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra’. — Tit. 2:10.