FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/98 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 3/98 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Miezaha mafy hanomboka fampianarana Baiboly. Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Jona: Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na, na iza na iza amin’ireto boky 192 pejy izay mety hananan’ny kongregasiona ao amin’ny tahiry ireto: “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe, Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray, Ny Tena Fiadanana sy Filaminana — Avy Aiza no Hiaviany? Ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina sy Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe ary tahiry vitsivitsy amin’ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao” sy Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray ary Ny Tena Fiadanana sy Filaminana — Avy Aiza no Hiaviany? dia mety ho azo angatahina atỳ amin’ny sampana.

◼ Ny mpitory maniry ny ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily sy May dia tokony hanao ny fandaharany dieny izao, ary hanome ny fangatahany aloha be. Izany dia hanampy an’ireo loholona, eo amin’ny fandaminany ny fanompoana eny amin’ny saha, sy ny fanafarany gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa ampy. Tokony holazaina amin’ny kongregasiona ny anaran’izay rehetra nekena ho mpisava lalana mpanampy.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Martsa na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Anaovy fampandrenesana ho an’ny kongregasiona, rehefa vita ilay izy.

◼ Ireo izay mifandray amin’ny kongregasiona iray dia tokony handefa ny taratasy famandrihana rehetra amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, na vaovao na fanavaozana, anisan’izany ny famandrihan’ny tenany manokana, amin’ny alalan’ny kongregasiona.

◼ Ny Fikambanana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha dia tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana, alohan’ny handefasan’ny kongregasiona ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany amin’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

◼ Fanitsiana ny datin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1998 voalaza ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1998:

21-23 Aogositra: Antananarivo I, Antsirabe, Mahajanga

28-30 Aogositra: Antananarivo II, Antsiranana, Toliara

4-6 Septambra: Antalaha, Antananarivo Frantsay, Fianarantsoa, Toamasina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara