Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
Amin’ny asabotsy 11 Aprily ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Ireo loholona dia tokony hanisy fiheverana an’ireto raharaha manaraka ireto:
◼ Rehefa manapaka ny amin’ny fotoan’ilay fivoriana, dia ataovy azo antoka fa tsy hampandalovina ireo marika raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro.
◼ Tokony hampahafantarina ny amin’ny fotoana sy ny toerana marina hanaovana ilay fankalazana ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny.
◼ Tokony ho vonona ilay karaza-mofo sy divay ilaina. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 May 1985, pejy 17.
◼ Tokony hoentina mialoha any amin’ilay toeram-pivoriana, ary hapetraka eo amin’ny toerany avy, ireo lovia sy vera ary ny latabatra sy ny lamban-databatra sahaza.
◼ Tokony hodiovina tanteraka mialoha ny Efitrano Fanjakana na ilay toerana hivoriana.
◼ Ireo mpikarakara ny mpanatrika sy ny mpanolotra ny marika dia tokony hofantenana sy homena toromarika mialoha, momba ny fizotran-javatra araka ny tokony ho izy sy ny andraikiny avy.
◼ Rehefa fankalazana mihoatra ny iray no atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ihany, dia tokony hisy firindran-javatra tsara eo amin’ireo kongregasiona, mba tsy hitangoronan’ny olona tsy amin’ny antony eo am-baravarana, eo amin’ny lalana fidirana, ny sisin-dalana, ary ny parking.