“Vao Mainka Aza” Tokony Hanatrika Ireo Fivoriana Isika
1 Nilain’ny vahoakan’i Jehovah foana ny fiaraha-mivory. Nanana ny tempoly sy ny synagogany ho foiben’ny fanompoam-pivavahana marina sy ny fampianarana araka an’Andriamanitra ary ny fiarahana mahafaly ny Isiraelita. Mitovy amin’izany koa fa tsy nahafoy ny fiaraha-mivory ny Kristiana tany am-boalohany. Raha mitombo ny fanerena sy ny fisedrana amin’izao andro farany sarotra izao, isika koa dia mila ilay fanatanjahana ara-panahy omen’ireo fivorian’ny kongregasionantsika — ary “vao mainka aza” mila izany isika. (Heb. 10:25, NW ). Manasongadina antony telo anatrehantsika ireo fivoriana isika.
2 Ho fifaneraserana: Ny Soratra Masina dia mananatra antsika mba ‘hifampionona sy hifampahery hatrany’. (1 Tes. 5:11, NW ). Mameno ny saintsika amin’ny hevitra mampahery ary manosika antsika hanao asa tsara ny fifaneraserana tsara. Raha mitokana kosa isika, dia mirona hanolokolo hevitra feno hadalana sy fitiavan-tena, na maloto mihitsy aza. — Ohab. 18:1.
3 Ho fampianarana: Manome fandaharam-pampianarana ny Baiboly mitohy izay natao mba hihazonana ny fitiavana an’Andriamanitra ho velona ao am-pontsika ireo fivoriana kristiana. Manome toromarika azo ampiharina eo amin’ny fanarahana “ny torohevitr’Andriamanitra rehetra” izy ireo. (Asa. 20:27, NW ). Ireo fivoriana dia mampiofana antsika eo amin’ny fahaizana mitory sy mampianatra ny vaovao tsara, fahaizana izay vao mainka aza ilaina ankehitriny mba hahitana ilay fifaliana tsy hay lazaina mahita sy manampy an’ireo izay hanaiky ny fahamarinana ara-baiboly.
4 Ho fiarovana: Eo amin’itỳ tontolo ratsy itỳ, dia tena fialofana ara-panahy ny kongregasiona — fialofana ahitana fiadanana sy fitiavana. Rehefa manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona isika, dia manan-kery lehibe eo amintsika ny fanahy masin’Andriamanitra, ka mamokatra “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, [finoana, NW ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. (Gal. 5:22, 23). Manatanjaka antsika mba hanana finoana mafy orina sy matanjaka ireo fivoriana. Manomana antsika mba hiatrika ireo fisedrana miandry antsika izy ireo.
5 Amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana, isika dia mahatsapa izay nolazalazain’ny mpanao salamo, voarakitra ao amin’ny Salamo 133:1, 3 manao hoe: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” Na aiza na aiza toerana anompoan’ny vahoakan’i Jehovah sy iarahany mivory amin’izao andro izao, dia “voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay”.