Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Aprily
Herinandron’ny 6 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ampahatsiahivo ny rehetra ny toerana sy ny fotoana hankalazana ny Fahatsiarovana amin’ny asabotsy 11 Aprily. Vaovao Teokratika.
15 min: “Ny Fanompoantsika — Fanehoana ny Tena Fitiavana”. Fanontaniana sy valiny. Manaova teny fohy momba Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1987, pejy 16-17, fehintsoratra 3-7.
20 min: “Gazety Manambara Ilay Fanjakana”. Loholona iray mandinika ny lahatsoratra miaraka amin’ny mpitory telo na efatra izay nahomby tamin’ny fametrahana gazety. Resaho ireo foto-kevitra manintona ao amin’ireo gazety farany, ka manolora fomba ahafahana mampiditra ireny hevitra ireny ao anatin’ny fomba fampisehontsika. Diniho ny fomba ahafahana mampitombo ny fanelezana gazety eo amin’ny faritany eo an-toerana. Amin’ny fampiasana ireo nomerao farany, dia asehoy ireo lahatsoratra izay manaitra fahalianana, toy ireo mahakasika zava-manahirana ara-tsosialy sy ara-pianakaviana ary eo amin’ny fiaraha-monina. Manaova fampisehoana fohy roa na telo.
Herinandron’ny 13 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “ ‘Vao Mainka Aza’ Tokony Hanatrika Ireo Fivoriana Isika”. Fanontaniana sy valiny. Raha mamela ny fotoana, dia jereo indray ny fananarana hita ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 63-65. Omeo teny fiderana mafana ireo rehetra manatrika tsy tapaka ireo fivoriana.
Herinandron’ny 20 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Hazavao fa tsy tara loatra raha omena izao ny fangatahana ny ho mpisava lalana mpanampy amin’ny May.
10 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray izay mampiseho amin-katsaram-panahy fomba voafaritra tsara azo anatsarana ny eo an-toerana.
25 min: “Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika tarihin’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Diniho ny asa fampianarana Baiboly eo an-toerana. Manaova teny fiderana rehefa nanao zavatra tsara ny kongregasiona. Asehoy izay mbola azo atao mba hanombohana sy hitarihana fampianarana Baiboly, tafiditra amin’izany ny fianaram-pianakaviana. Hazavao ny fehintsoratra faha-5 amin’ny fanadinadinana ray na reny iray izay mitarika tsara ny fianaram-pianakaviany. Vakio ny fehintsoratra faha-8, ary antitrantero ireo hevitra valo voatanisa eo. Hazavao ny fehintsoratra faha-13 amin’ny fanasana mpitory iray mahay mitarika fampianarana, mba hitantara ny fomba ahafahana mamita lesona tsy misy fanakantsakanana tsy ilaina. Mampidira fanandraman-javatra voafidy tsara iray izay mampiseho ny vokatra tsara azo teo an-toerana.
Herinandron’ny 27 Aprily
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao ny anaran’izay rehetra ho mpisava lalana mpanampy amin’ny May. Sorito ny fandaharana fanampiny izay atao eo an-toerana ho amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoana. Milazà fanoloran-kevitra mahasoa sasany momba ny fanomanana fomba fampiseho izay manasongadina ireo gazety farany. — Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996, pejy 8.
15 min: Ny Fomba Anompoan’ireo Mpiandry Kristiana Anao. Lahateny ataon’ny loholona iray, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1996, pejy 24-27.
18 min: Mihazòna Fihetsika Mahay Mijery ny Lafy Tsaran-javatra Rehefa Mitory any Amin’ny Faritany Iasana Matetika. Loholona iray miara-miresaka momba an’io zavatra ilaina io amin’ny mpitory roa na telo izay nanjary kivy satria tsy misy olona firy mandray any amin’ny faritany izay iasana matetika. Miara-mandinika amin’izy ireo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1988, pejy 16-19, fehintsoratra 4-14, izy. Miresaka amin’ny fijerena lafy tsaran-javatra momba ireo fomba hampiharana ireny fanoloran-kevitra ireny eo an-toerana izy ireo.