Inona avy Ireo Zavatra Kasainao Hatao Amin’ireo Volana ho Avy?
1 Tsy marina ve fa azo inoana kokoa ny hahatratrarantsika ny zava-kendrentsika mendrika, rehefa manao fandaharana mialoha amim-pahendrena ny fotoana ananantsika isika? Manome antsika fahafahana maro samihafa mba hampandrosoana zava-kendrena teokratika ireo volana ho avy. (Ohab. 21:5). Inona avy ny sasany amin’izy ireo?
2 Ny Fivoriamben’ny Distrika “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra” dia fisehoan-javatra iray izay tokony hampidirintsika rehetra ao amin’ireo zavatra kasaintsika hatao. Mandamìna fotoana tsy hiasana na hianarana mba ho eo ianao amin’ny andro tsirairay amin’ny fivoriambe. Manaova fandaharana aloha be ho amin’ny filasianao sy ny dia hataonao.
3 Nahoana raha manao fandaharana mialoha mba hampitomboana ny fanompoanao eny amin’ny saha, mandritra ireo volana ho avy? Manome fahafahana ho an’ny tanora mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana iray na maromaro ny fotoam-pialan-tsasatry ny sekoly. Afaka manao fandaharana mialoha koa ny hafa mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aogositra, izay hisy faran’ny herinandro dimy feno. Amin’io Aogositra io, rehefa hamarana ny taom-panompoana isika, dia hisy ezaka hifarimbonan’ny rehetra, mba handraisana anjara feno araka izay azo atao eny amin’ny fanompoana.
4 Mikasa ny hanampy kongregasiona iray eo akaiky izay mila fanampiana amin’ny famitana ny faritaniny ve ianao? Afaka mampahafantatra an’ireo loholona momba ireo zavatra ilaina eo amin’ny faritra misy anao ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Na, raha mahafeno fepetra ianao, ka maniry hanao fangatahana atỳ amin’ny Fikambanana mba hiasa any amin’ny faritany tsy voasa matetika na tsy misy tompony, dia makà taratasy fangatahana any amin’ireo loholonao. Raha handeha hanao vakansy lavitra ianao, dia manaova fandaharana mialoha mba hanatrehana ireo fivoriana sy handraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha miaraka amin’ny kongregasiona eo amin’izany toerana izany. Raha mitsidika havana izay tsy Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia omano mialoha ireo fomba mety hizaranao ny fahamarinana amin’izy ireo.
5 Inona avy ireo zavatra kasainao hatao amin’ireo volana ho avy? Tsy isalasalana fa maniry hamelombelona ny ara-batanao ianao. Aza odian-tsy hita anefa ireo fahafahana lehibe kokoa izay misy mba hanatanjahana anao ara-panahy amin’ny fametrahana hatrany ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao. — Matio 6:33; Efes. 5:15, 16.