FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/98 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 8/98 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Na iza na iza amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Inona no zava-kendren’ny fiainana? — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony hino ny Trinite ve Ianao? Ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, Nos Problèmes — Qui nous aidera à les résoudre?, ary Ny Fanahin’ireo Maty — Afaka Manampy Anao ve Izy sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve izy Ireo? dia azo atolotra, rehefa mifanentana amin’ny toe-javatra. Septambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Oktobra: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.

◼ Handefasana taratasy hofenoina ampy tsara hampiasaina mandritra ny taom-panompoana 1999 ny kôngregasiôna tsirairay. Iangaviana ianareo mba hampiasa amim-pahendrena ireny taratasy ireny. Tsy tokony hampiasaina afa-tsy amin’izay nikendrena azy izy ireny.

◼ Haharay taratasy Filazana ny Isan’ny Zavatra Vita An-tsoratra (S-18) telo avy ny kôngregasiôna tsirairay. Ny mpitan-tsoratry ny kôngregasiôna dia tokony hihaona amin’ny mpikarakara ny boky eo am-piandohan’ny Aogositra, ka hametra daty any amin’ny faran’ny volana, hanisana ny zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny tahirin’ny kôngregasiôna. Tsy maintsy atao ny kaonty marin’ny zavatra vita an-tsoratra rehetra ao amin’ny tahiry, ary ireo tontalin’isa dia tsy maintsy ampidirina ao amin’ny Filazana ny Isan’ny Zavatra Vita An-tsoratra. Azo angatahina amin’ny mpikarakara ny gazety ny tontalin’isan’ny gazety eo am-pelatanana. Hiorina amin’ny filazana momba ny toetran’ny kaonty Aogositra 1998 ny famenoana ny taratasy S-18. Aza mampiasa filazana hafa hamenoana ny S-18. Halefanay miaraka ny taratasy S-18 sy ny filazana momba ny toetran’ny kaonty Aogositra 1998. Iangaviana ianareo mba handefa amin’ny paositra atỳ amin’ny Fikambanana ny “original”, fara fahelany ny 6 Septambra. Raha tara vao tonga ny taratasinareo S-18, izany hoe aorian’ny 6 Septambra 1998, dia fenoy haingana araka izay azo atao, aorian’ny naharaisanareo azy, aza fady, ary alefaso atỳ amin’ny sampana. Iangaviana ianareo hampahafantatra ny sampana, raha mbola tsy voarainareo hatramin’ny 15 Septambra 1998 ny taratasinareo S-18. Mariho, aza fady, fa tsy handefa ny zavatra vita an-tsoratra nohafaran’ireo kôngregasiôna mbola tsy nahatonga ny taratasiny S-18, hatramin’ny 30 Septambra 1998, ny sampana. Mitahiriza copie carbone iray ho an’ny tahirin-taratasinareo. Ilay taratasy fahatelo dia azonareo ampiasaina ho toy ny taratasy fiasana. Tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny mpitan-tsoratra no hanaovana ilay fanisana, ary hohamarinin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ilay taratasy nofenoina. Hanao sonia ilay taratasy nofenoina ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha.

◼ Tokony hanomboka hanafatra ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999 miaraka amin’ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra ho an’ny Septambra, ireo kôngregasiôna. Hisy kalandrie amin’ny teny anglisy sy frantsay ary malagasy.

◼ Manomboka ny 10 ka hatramin’ny 14 Aogositra 1998, ny Betela dia hanao fanisana ny zavatra vita an-tsoratra rehetra eo am-pelatanany. Noho izany, dia tsy hisy fandefasana amin’ny paositra na fizarana mivantana zavatra vita an-tsoratra mandritra ireo andro ireo.

◼ Tokony hanisy fiheverana avy hatrany ny fangatahana rehetra hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kôngregasiôna. Ny komitin’ny fanompoana dia tsy tokony hihazona ny fangatahana mba hahitana raha afaka mameno ny ora takina ilay olona nanao fangatahana. Mety hovan’ny Fikambanana avy hatrany ny daty anendrena, ho an’ireo fangatahana voaray aorian’ny daty noferan’ilay mpitory. Tsy misy fanendrena azo ahemotra raha tsy misy antony lehibe. Raha misy izany antony izany, dia tokony hisy taratasy hampiarahina amin’ilay fangatahana. — Jereo ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana (anglisy) Aogositra 1986, fehintsoratra 24-26.

◼ Bokikely samy hafa no hodinihina ao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna aorian’ny famitana Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Manomboka ny herinandron’ny 21 Septambra 1998, dia ny bokikely Takina no hampiasaina. Hanaraka izany ny fandinihana ny Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, sy ny Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara