Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nanomboka ny herinandron’ny 4 May ka hatramin’ny herinandron’ny 24 Aogositra 1998. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana ireto:
1. Araka ny fitantaran’ny Baiboly, dia intelo nitsidika an’i Korinto i Paoly. [si p. 214 feh. 3]
2. Ireo dingana ho amin’ny batisa kristiana dia manomboka amin’ny fandraisana ho ao am-pontsika ny fahalalana marina an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. [kl p. 173 feh. 7]
3. Ny zotom-po tafahoatra mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana dia tsy manamarina ny tsy fahampian’ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa ary ny fanehoam-pitiavana, rehefa mifampiraharaha amin’ny hafa. (1 Kor. 13:2, 3). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/10/95 p. 31 feh. 5.]
4. Afaka mahazo ny fiainana ho tambin’ny fanompoantsika an’i Jehovah Andriamanitra isika. [kl p. 182 feh. 4]
5. Ny andinin-teny ao amin’ny Galatiana 5:26 dia mandrara ny tena Kristiana tsy hanao izay fanatanjahan-tena sy lalao rehetra misy fifaninanana. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo gF 8/12/95 p. 15 feh. 8.]
6. Rehefa nilaza i Paoly, ao amin’ny 2 Korintiana 10:4 hoe “tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay”, dia nanantitrantitra izy hoe tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana ara-nofo, toy ny fitaka, na fiteny manandra-tena na fitaovam-piadiana ara-bakiteny ny Kristiana, mba hiarovana ny kongregasiona amin’ireo fampianaran-diso. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny rs p. 215 feh. 3.]
7. Ny taratasy ho an’ny Filipiana dia nosoratan’i Paoly, volana vitsivitsy monja taorian’ny nanorenany ny kongregasiona tany Filipy, ary voatosika hanao izany izy noho ireo zava-nanahirana lehibe nipoitra teo amin’izy ireo. [si p. 224 feh. 3]
8. Araka ny voatonona ao amin’ny 1 Timoty 3:16, dia “nohamarinina tao amin’ny Fanahy” i Jesosy, tamin’ny nanomezana valisoa azy, dia ny nananganana azy ho amin’ny fiainana ara-panahy; izany dia tonga hatramin’ny nanambaran’Andriamanitra an’i Jesosy ho marina sy mendrika tanteraka ny hahazo andraikitra ambony fanampiny. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/4/90 p. 13 feh. 12.]
9. Ilay hoe ‘fandaozana’ resahina ao amin’ny Filipiana 1:23 (DIEM ) dia hita mazava fa ny fanantenan’i Paoly hiaraka amin’i Kristy avy hatrany aorian’ny fahafatesana. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/3/95 p. 30 feh. 4.]
10. Teo anelanelan’ny nanafahana an’i Paoly avy tamin’ny fanagadrana azy voalohany tany Roma sy ny fanagadrana azy tany farany, no nanoratan’i Paoly ny 1 Timoty. [si p. 234 feh. 2]
Valio ireto fanontaniana ireto:
11. Tamin’ny ahoana ny sasany tany Korinto no nandray anjara tamin’ny fomba “tsy mendrika” tamin’ireo marika, rehefa niangona mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy ireo? (1 Kor. 11:27). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/90 p. 19 feh. 17.]
12. Ny fisian’iza no nandrahona ny fahasalamana ara-panahin’ny kongregasionan’i Korinto, ka nanosika an’i Paoly hanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana? [si p. 214 feh. 2]
13. Ahoana no hanoneran’i Jehovah izay rehetra mety hafointsika noho ny fanompoam-pivavahana aminy? [kl p. 169 feh. 20]
14. Lafiny lehibe inona amin’ny “zava-miafina masina” no natao mazava tsara ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana? (Efes. 3:4-6). [si p. 223 feh. 18]
15. Rehefa nampiasa ny Tenin’Andriamanitra i Paoly, ahoana no nanomezany ohatra faran’izay tsara ho an’ireo minisitra kristiana amin’izao andro izao? [si p. 217 feh. 19]
16. Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina rehefa niteny izy fa ny Lalàna dia “nanampy noho ny fahadisoana [mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna, NW ]”? (Gal. 3:19). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo uw p. 147 feh. 3-4.]
17. Ao amin’ny Filipiana 1:3-7, inona avy no antony nideran’i Paoly an’ireo rahalahy, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny ohatra nomen’izy ireo? [si p. 225 feh. 12]
18. Nahoana ny minisitra kristiana rehetra no tokony hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Kolosiana 4:6? [si p. 228 feh. 13]
19. Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina rehefa niteny izy hoe iriny ny vehivavy mba “hiravaka amin’ny (...) fahamaotinana”? (1 Tim. 2:9). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo gF 22/6/90 p. 19 feh. 1.]
20. Nahoana ny Kristiana no tokony hihaino ny fampitandreman’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 6:4, mifandray amin’ny “fiadian-teny”? [si p. 236 feh. 15]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana ireto:
21. Ny Korintiana Faharoa dia nosoratana tany _________________________ ary toa nentin’i _________________________ . [si p. 214 feh. 2]
22. Mahasoa indrindra ny taratasin’i Paoly voalohany ho an’ny Korintiana, eo amin’ny fampitomboana ny fahatakarantsika ny _________________________ , izay nakany teny maro be. [si p. 213 feh. 23]
23. Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Galatiana, dia noporofoin’i Paoly fa avy amin’ny _________________________ an’i Kristy Jesosy ny fanamarinana, fa tsy avy amin’ny asan’ny _________________________ , ary noho izany dia tsy ilaina ho an’ny Kristiana ny _________________________ . [si p. 218 feh. 6]
24. Ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesaloniana, i Paoly dia nanonona inefatra ny _________________________ Jesosy Kristy, angamba noho ilay kongregasiona liana tamin’io fampianarana io. [si p. 231 feh. 15]
25. Ny taratasy faharoa ho an’ny Tesaloniana dia nosoratan’i _________________________ fony izy tany _________________________ tamin’ny taona _________________________ . [si p. 232 feh. 4]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana ireto:
26. Rehefa niresaka ny zony hivelona amin’ny fanompoana i Paoly, dia nanisy firesahana ny (Talmoda; Mishnah; Lalàn’i Mosesy), izay nilaza fa tsy tokony hakombona ny vavan’ny biby miasa mba tsy hihinanan’izy io, ary koa fa tokony hahazo ny anjarany teo amin’ny alitara ny (Levita; Netinima; fianakaviana mpisoron’i Arona) nanompo tao amin’ny tempoly. [si p. 213 feh. 24]
27. Nilaza ny hevitry ny Isaia 54:1-6 ny taratasin’i Paoly ho an’ny Galatiana, ka nampahafantatra fa ilay vehivavy vadin’i Jehovah dia ilay (Jerosalema teto an-tany; Jerosalema any ambony; Jerosalema Vaovao). (Gal. 4:21-26). [si p. 220 feh. 16]
28. Ao amin’ny Efesiana 1:10, ny hoe “fitondrana” dia manondro ny (Fanjakana Mesianika; Fitambara-mpitantana; fomba fitantanan’Andriamanitra ireo raharahan’ny ankohonany). [si p. 221 feh. 8]
29. Tondroina ho ilay “lehilahin’ota” voalaza ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:3 ny (mpanaraka ny Jodaisma; kilasin’ny klerjy ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristiana; Babylona Lehibe) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/4/90 p. 18, feh. 11.]
30. Raha misy zavatra lehibe mampisalasala anao momba ny olona iray mandritra ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, ny zavatra mampiseho fahendrena tokony hatao dia ny (mamela ny fihetseham-po feno fitiavana handresy ny fisalasalanao; tsy manohy ilay fifandraisana; manakimpy ny masonao manoloana ireo tsiny lehibe, ka hanantena fa hihatsara ny raharaha, aorian’ny fampakaram-bady). [fy p. 24 feh. 19]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny ireto:
1 Kor. 10:11, 12; 2 Kor. 4:7; 2 Kor. 8:14; Fil. 4:6, 7; 2 Tes. 1:8, 9, 12
31. Rehefa apetraky ny olona iray eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany ny fanompoana kristiana, dia mahazo ny hery avy amin’Andriamanitra izy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/90 p. 29 feh. 5.]
32. Tokony hihevitra ny ohatra fampitandremana ny amin’ireo Isiraelita teo ambanin’ny fitondran’i Mosesy isika, ka hanalavitra ny fatokian-tena. [si p. 213 feh. 23]
33. Ny fanomezana mampiseho fahalalahan-tanana ataon’ireo Kristiana manan-katao dia afaka manampy mba hameno izay ilain’ireo any amin’ny toerana tsy nambinina firy. Etsy an-danin’izany kosa, ny zotom-po sy ny fiaretan’ireo ampahorina dia afaka ny ho loharanom-pifaliana sy fampaherezana ho an’ireo mpanome. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/93 p. 21 feh. 20.]
34. Tsy tokony hampihena ny fitoriantsika ny vaovao tsara isika, satria, araka ny Baiboly, ny olona rehetra velona ankehitriny ary mbola velona hatramin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, ka voatsara ho fahavalon’ny fanompoam-pivavahana marina, dia hiharan’ny fandringanana mandrakizay. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/8/89 p. 19 feh. 4.]
35. Manome filaminana sy fahatoniana i Jehovah, ao anatin’ireo tarehin-javatra misedra indrindra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/2/89 p. 30 feh. 19-20.]