Afaka Manao Asa Lehibe Noho Izany Isika
1 Nampiavaka ny fanompoan’i Jesosy Kristy ireo asa niavaka. Namahana olona an’arivony maro, sy nanasitrana olona maro, ary nanangana olona sasany tamin’ny maty tamin’ny fomba mahagaga izy. (Matio 8:1-17; 14:14-21; Jaona 11:38-44). Nitana ny sain’ny firenena iray manontolo ny asany. Kanefa, ny takariva farany talohan’ny nahafatesany, dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy nahatoky toy izao izy: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy”. (Jaona 14:12). Ahoana no ahafahantsika manao asa “lehibe noho izany”?
2 Amin’ny famitana faritany bebe kokoa: Voafetra tao Palestina ny faritra niasan’i Jesosy, kanefa ny mpianany tany am-boalohany kosa dia nilazana mba hanao fanambarana “hatramin’ny faran’ny tany”, lasa lavitra be noho ny toerana nitorian’ny tenan’i Jesosy. (Asa. 1:8). Atao maneran-tany any amin’ny tany 232 ankehitriny ilay asa fitoriana natombony. (Matio 24:14). Mandray anjara feno amin’ny fiasana ny faritany nanendrena ny kôngregasiônanao ve ianao?
3 Amin’ny fanatratrarana olona maro kokoa: Somary vitsy ihany ireo mpianatra nilaozan’i Jesosy mba hanohy ilay asa fitoriana. Kanefa, vokatry ny fitoriany tamin-jotom-po tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nahatratra telo arivo teo ho eo ny olona nandray ny fahamarinana ka natao batisa tamin’izany andro izany. (Asa. 2:1-11, 37-41). Mitohy hatramin’izao androntsika izao ny fanangonana ireo izay ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’, satria olona maherin’ny 1 000 isan’andro amin’ny antsalany no ataontsika batisa. (Asa. 13:48, NW ). Moa ve ianao manao izay rehetra azonao atao mba hanatratrarana ireo olona tso-po na aiza na aiza mety hahitana azy ireo, ary hanolokoloana ny fahalianany haingana araka izay azo atao?
4 Amin’ny fitoriana an-taonany maro: Voafetra ho telo taona sy tapany ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Efa nitory ela noho izany kosa ny ankamaroantsika. Na hafiriana na hafiriana no mbola hamelana antsika hanohy io asa io, dia velom-pankasitrahana isika manampy ny mpianatra vaovao tsirairay mba hanomboka handeha eo amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana. (Matio 7:14). Moa ve ianao isam-bolana manan-javatra be dia be hatao eo amin’ny asan’ny Tompo? — 1 Kor. 15:58.
5 Afaka matoky hatrany isika fa noho ny fanohanan’i Jesosy antsika, dia mbola hanao asa lehibe hatrany isika amin’ny mahatena mpianany antsika. — Matio 28:19, 20.