Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika nanomboka ny herinandron’ny 7 Septambra ka hatramin’ny herinandron’ny 21 Desambra 1998. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ny “fanomezam-pahasoavana” voalaza ao amin’ny 2 Timoty 1:6, dia manondro ny fahaizana miteny amin’ny fiteny samy hafa izay nomena an’i Timoty tamin’ny alalan’ny fanahy masin’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/8/85 p. 16 feh. 15.]
2. Ny Kristianina matotra iray dia ‘[mizatra mampiasa ny fahafahany manavaka, NW ] ny tsara sy ny ratsy’ amin’ny fanaovana ho fahazarana, ny mampiasa izay fahalalana ananany momba ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 5:14). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/9/85 p. 9 feh. 7.]
3. Ny hoe “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina” i Jehovah, dia milaza fa nampiseho ny tsy fizahany tavan’olona tamin’ny fomba tsy niovaova i Jehovah, teo amin’ny fifampiraharahany rehetra tamin’ny fianakavian’olombelona. (Matio 5:45). [wMG 15/11/96 p. 25 feh. 7]
4. I Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, ihany ilay hoe Jakoba mpitondra tenin’ireo ‘apostoly sy loholona’ tamin’ny fotoana nanaovana fanapahan-kevitra momba ny famorana. (Asa. 15:6, 13; Jak. 1:1). [si p. 248 feh. 2-3]
5. Na dia milaza aza ny 1 Petera 5:13 fa tany Babylona i Petera fony izy nanoratra ny taratasiny voalohany, dia asehon’ny porofo fa ny hoe Babylona dia anarana miafina manondro an’i Roma. [si p. 251 feh. 4]
6. Manondro olona iray ilay fitenenana hoe “ho avy ny antikristy”, ao amin’ny 1 Jaona 2:18. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo rs p. 60 feh. 5.]
7. Tsy manisy firesahana afa-tsy ireo izay mampandroso ny foto-pampianarana diso ihany ilay baiko ao amin’ny 2 Jaona 10 izay ilazana mba tsy hampiantrano na hiarahaba akory olona sasany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/10/85 p. 31 feh. 1-3.]
8. Apetraka any amin’ny faran’ny Baiboly ny bokin’ny Apokalypsy satria izy io no boky farany nosoratan’ny apostoly Jaona. [si p. 263 feh. 1]
9. Ny Apokalypsy 13:11-15 dia mampiseho araka ny marina ny anjara lehibe noraisin’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina tamin’ny fanohanana sy ny famoronana ny Fikambanam-pirenena sy ny mpandimby azy, dia ny Firenena Mikambana. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/89 p. 20 feh. 3.]
10. Koa satria mamela ny hisotroana zava-pisotro misy alkaola ny Baiboly, dia hety ny hamelana ny fomba amam-panao eo an-toerana mba hanapaka izay habetsahany azo sotroina. (Sal. 104:15). [wMG 15/12/96 p. 27 feh. 5]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona no dikan’ny hoe tsy tokony ho “mpikapoka” ny mpiandraikitra? (Tit. 1:7). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/12/90 p. 27 feh. 21.]
12. Manomeza antony roa anaovan’i Jehovah ny fanomezana ho tapany amin’ny fanompoam-pivavahana marina. [wMG 1/11/96 p. 29 feh. 3-6; p. 30 feh. 3]
13. Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao”? (Heb. 10:5). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/96 p. 14 feh. 3.]
14. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina “maharesy izao tontolo izao”? (1 Jaona 5:3, 4). [si p. 258 feh. 12]
15. Mahafaoka inona ilay fitenenan’i Petera hoe ‘fitadidiana tsara ao an-tsaina ny andron’i Jehovah’? (2 Pet. 3:12, NW ). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/97 p. 19 feh. 2.]
16. Inona no tafiditra ao amin’ny fahadiovana ara-panahy, ary amin’ny ahoana izy io no manampy mba hiarovana ny fianakavian’ny tena? (2 Kor. 7:1). [fy p. 46 feh. 14]
17. Mifanaraka amin’ny Apokalypsy 1:7, ahoana no ahitan’ireo izay nandefona an’i Jesosy azy “avy amin’ny rahona”? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/93 p. 22 feh. 7.]
18. Na dia nandany telo taona sy tapany nitoriana teo amin’ny Isiraelita aza i Jesosy Kristy, nahoana no nanda azy tsy ho ilay Mesia ny ankamaroan’izy ireo? [wMG 11/15/96 p. 29 feh. 1, 6; p. 30 feh. 3]
19. Ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2, nahoana no mety ny ilazalazana ny fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao ho toy ny “bibi-dia”? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo 1/7/89 p. 20 feh. 17.]
20. Iza no asehon’ireo “loholona efatra amby roa-polo” ao amin’ny Apokalypsy 4:4, ary mampahatsiaro antsika inona ny ‘satroboninahiny’ sy ny ‘seza fiandrianany’? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/95 p. 13 feh. 17.]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana ireto:
21. Ny lehilahy iray sy ny vadiny dia samy tsy maintsy _________________________ ilay adidy amin’ny vadiny, amin’ny fitadidiana ao an-tsaina fa _________________________ dia zava-dehibe kokoa noho ny fisehoana ivelany. [fy p. 26 famerenana]
22. Mba hanaovana ilay fihazakazahana izay napetraka eo anoloantsika, dia mila ny manaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika sy _________________________ izay malaky mahazo antsika, dia ny _________________________, isika. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/1/98 p. 10, feh. 15]
23. Ao amin’ny 2 Petera 1:5-8, ny apostoly Petera dia manoro hevitra mba _________________________ mba hambolena ireo toetra tsara izay hanakana antsika tsy ho _________________________ na _________________________ . [si p. 255 feh. 9]
24. Tena zava-dehibe ny _________________________ sy ny _________________________ rehefa mifampiresaka ny mpivady. [fy p. 36 feh. 21]
25. Niharihary fa tamin’ny _________________________ alohan’i Kristy, no nanombohan’ny Jiosy nandray ilay fampianarana ny amin’ny _________________________ avy tamin’ny Grika. [wMG 1/8/96 p. 6 feh. 2-3]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Nandritra ny fanaovana an-tranomaizina voalohany an’i Paoly tany Roma, i (Onesiforosy; Onesimosy; Onana), andevo iray nandositra avy tao amin’ny ankohonan’i (Filipo; Festosy; Filemona), dia anisan’ireo izay nihaino ny fitoriany. [si p. 241 feh. 2]
27. Ny (fitiavana; fanajana; fahaiza-mandray vahiny) dia faritana ho “fanehoana fiheverana ny hafa, fanomezam-boninahitra azy ireo”. [fy p. 30 feh. 7]
28. Ao amin’ny Lioka 14:28 i Jesosy dia miresaka ny amin’ny (fanaovana fiomanana mialoha; tsy fandanilaniana foana ny vola; fanalavirana ny fisamboram-bola). [fy p. 40 feh. 4]
29. Ilay “fahalehibiazana” voalaza ao amin’ny Joda 8, dia manondro ny (toerana tanan’i Jesosy; fiandrianan’i Jehovah; fahefana nomen’Andriamanitra ao amin’ny kôngregasiôna kristianina). [si p. 263 feh. 9]
30. Ao amin’ny Apokalypsy 11:11, ny “hateloan’andro sy tapany” nahatoy ny maty ireo sisa voahosotra teo imason’ny fahavalony dia manondro (telo taona sy tapany; fe-potoana fohy; telo volana sy tapany). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo re p. 167 feh. 21.]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Ohab. 8:30; Matio 19:13-15; Heb. 2:1; Jak. 4:15; 1 Pet. 3:4, NW
31. Tokony ‘hitandrina mafimafy kokoa’ ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fananana fahazarana tsara eo amin’ny fianarana sy fandaharam-potoana tsara ho an’ny famakiana Baiboly isika, mba hanoherana ny fitaoman’ny fampielezan-kevitra sesilany avy amin’ity tontolo ity. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/1/98 p. 7 feh. 9.]
32. Na rahoviana na rahoviana isika no manao fandaharana mialoha ny amin’ny hoavy, dia tokony handinika amim-bavaka ny fomba hifanarahan’ireny amin’ny fikasan’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/11/97 p. 21 feh. 10, 11.]
33. Ny “toe-tsaina tony sy feno halemem-panahy” ananan’ny vehivavy vady sady reny kristianina dia tsy hoe mahafaly ny vadiny fotsiny, fa ny zava-dehibe kokoa dia mahafaly an’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/89 p. 19 feh. 12.]
34. Amin’ny fanarahana ny ohatr’i Jehovah, ny ray tsara iray dia tokony hiezaka mafy mba hamboly fifandraisana mafana sy feno fitiavana amin’ny zanany, manomboka eo am-piandohan’ny fiainan-janany mihitsy. [fy p. 53 feh. 7]
35. Koa satria tsy nizaha tavan’olona i Jesosy rehefa nitso-drano ireo ankizy madinika, dia tsy tokony hihevitra ny lahy kely ho ambony kokoa noho ny vavy kely ny olona iray. [fy p. 52 feh. 4]