Mandraisa Soa avy Amin’ny Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika 1999
1 I Jesosy no ilay Mpampianatra Mahay. ‘Talanjona tamin’ny fampianarany’ ny olona. (Marka 1:22). Afaka miezaka mafy mba hanahaka an’i Jesosy isika, na dia tsy misy amintsika aza afaka mandaha-teny sy mampianatra tsara toy ny nataony. (Asa. 4:13). Mba hahatratrarana izany zava-kendrena izany, dia hanampy antsika hanatsara hatrany ny fahaizantsika mandaha-teny sy mampianatra, ny fandraisantsika anjara amin’ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.
2 Amin’ny 1999, ny Anjara No. 1 dia hiorina indrindra amin’ny lahatsoratra avy ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny taona 1997. Hitombo be ny fahazoantsika ny hevitr’ireo zavatra ara-panahy, raha mamaky mialoha ireo fanazavana ireo isika, ary avy eo dia mandre izany mandritra ny fandaharan’ny sekoly. Ireo voatendry hanao ireny lahateny fampianarana ireny dia tokony hampiseho amin’ny fomba mahaliana sy velombelona fa tena azo ampiharina ilay zavatra ianarana. Hiorina amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana, na amin’ny Foto-dresaka Ara-baiboly, ny Anjara No. 3 sy ny Anjara No. 4. Tokony handinika amim-pitandremana ny zavatra hianarana ny mpiandraikitra ny sekoly, alohan’ny hanomezana ireo anjara. Tokony ho fakan-tahaka eo amin’ny fiainam-pianakaviany manokana ny mpianatra rehetra voatendry hanao ny famelabelarana avy ao amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana.
3 Ampiharo ny torohevitra, ary manomàna tsara: Afaka manatsara hatrany ny fahaizany mandaha-teny sy mampianatra ny rehetra. (1 Tim. 4:13). Noho izany, dia tokony hitady torohevitra isika, ka tsy hihevitra izany velively ho zavatra tokony handosirana. (Ohab. 12:15; 19:20). Tsy miresaka zava-misy na mamaky andinin-teny amim-pahazarana fotsiny no takina amintsika rehefa mampiseho ny fahamarinana amin’ny fomba mandaitra any amin’ireo fivoriana sy any amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Mila manohina ny fon’ireo izay mihaino antsika isika, ka manao izay hananany risi-po hanao zavatra. Afaka manao izany isika amin’ny firesahana ny fahamarinana amin’ny fomba mampiaiky sy avy amin’ny fo. (Ampitahao amin’ny Asa. 2:37.) Hanampy antsika hanatanteraka izany ny torohevitra raisintsika ao amin’ilay sekoly.
4 Raha vantany vao mahazo anjara ianao, dia eritrereto ireo toetra takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny izay tokony hiezahanao, araka ny hazavaina ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly. Diniho izay tokony hataonao mba hampiharana ny torohevitra azonao teo aloha. Saintsaino ny foto-kevitra hovelabelarinao, ny faritra hampiasainao raha takina izany, sy ny fomba hampiharanao ireo andinin-teny hita ao amin’ny anjara nanendrena anao. Saintsaino ny fomba tsara indrindra hampiasana ilay fanazavana mba hampianarana sy hanaovana izay hananan’ny hafa risi-po. — 1 Tim. 4:15, 16.
5 Raha matahotra hisoratra anarana amin’ilay sekoly ianao, dia mivavaha momba izany, ary avy eo dia resaho amin’ny mpiandraikitra ny sekoly ny fihetseham-ponao. Afaka mandray soa ny rehetra, amin’ny fanararaotana amin’ny fomba feno ilay fandaharana izay haseho ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika amin’ny 1999.