FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/98 p. 2-7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 12/98 p. 2-7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Janoary: Rehefa mety ho boky 192 pejy navoaka talohan’ny 1985, ka mety hananan’ny kôngregasiôna ao amin’ny tahiry. Ny kôngregasiôna izay tsy manana an’izany boky tranainy izany, dia mahazo manolotra ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hisy ezaka manokana hatao mba hanombohana fampianarana Baiboly any an-tokantrano.

◼ Tokony hanomboka hanafatra ny volumes reliés amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! 1998, miaraka amin’ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra ho an’ny Desambra, ny kôngregasiôna. Hisy amin’ny teny anglisy sy frantsay ireo volumes reliés ireo. Mandra-pahatongan’ny volumes reliés sy mandra-pandefa ny entana, dia hisy soratra hoe “Halefanay Aoriana Kely”, eo amin’ny faktioran’ny kôngregasiôna. Zavatra hafarana manokana ny volumes reliés.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kôngregasiôna amin’ny 1 Desambra, na haingana araka izay atao aorian’izay. Rehefa vita izany, dia manaova fampandrenesana amin’ny kôngregasiôna, aorian’ny famakiana ny tatitra momba ny kaonty manaraka.

◼ Ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2000 dia hatao ny alarobia 19 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Omena mialoha ity filazana ity mba hahafahan’ireo rahalahy hanao ny famandrihan-toerana na ny fanekena ilaina mba hahazoana efitrano azo ampiasaina, rehefa kôngregasiôna maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana ka tsy maintsy mitady trano hafa. Tokony hanao fifanarahana amin’ireo mpitantana ilay trano ireo loholona, mba hahazoana antoka fa tsy hisy fanelingelenana avy amin’ny fanaovan-javatra hafa ao amin’ilay trano. Amin’izay ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia handeha amin’ny fomba milamina sy mirindra. Zava-dehibe io fotoana io, koa rehefa manendry mpandahateny amin’ny Fahatsiarovana ny fitambaran-doholona, dia tokony hifantina iray amin’ireo loholona mahay kokoa. Tsy tokony hifandimby fotsiny ireo loholona na hampiasa iny rahalahy iray iny ihany isan-taona. Tsy mihatra izany raha misy loholona mahay iray voahosotra, izay afaka manao ilay lahateny.

◼ Fotoana tsara ho an’ny maro mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny volana Janoary, izay misy faran’ny herinandro dimy feno.

◼ Zavatra Vita An-tsoratra Vaovao Misy:

Frantsay: cassettes audio (Marc); Étude perspicace des Écritures, Indeksan’ireo Zavatra Vita An-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower 1996, “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” (Fanontana vaovao). Gujarati: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Mahorais: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara