Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Desambra
Herinandron’ny 7 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
15 min: “Tsy Maintsy Miverimberina Mitsidika Isika”. Fanontaniana sy valiny. Hazavao fohy ny Ezekiela 3:17-19, ka antitrantero ny andraikitsika hampanakoako hatrany ilay hafatra fampitandremana.
20 min: “Fanolorana ny Boky Fahalalana”. Miara-midinika ilay lahatsoratra amin’ny mpitory mahay roa na telo ny rahalahy iray. Asio fampisehoana ny amin’ny fomba azo anaovana ny fanolorana amin’ny Desambra.
Herinandron’ny 14 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Manomeza fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hamaliana amim-pahaiza-mandanjalanja ireo fiarahabana amin’ny fetin’izao tontolo izao. Raha manana tahiry amin’ny boky Lehilahy Niavaka na Mpampianatra Lehibe ny kôngregasiôna, dia asehoy ny fomba azo ampiasana azy ireo amin’ny fomba mandaitra eny amin’ny fanompoana, mandritra ny fetin’ny Krismasy. Sorito ireo fandaharana manokana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny 25 Desambra sy 1 Janoary.
15 min: “Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana”. Lahateny ataon’ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Hazavainy ny andraikiny sy ny fomba ahafahan’ny mpanatrika rehetra manampy mba hahatonga ilay fianarana ho velombelona sy hahazoana fahalalana ary hampandroso ara-panahy. — Jereo Ny Fanompoantsika, pejy faha-66-67.
20 min: “Hitan’izy Ireo fa Hafa Isika”. Fanontaniana sy valiny. Diniho vetivety ny toetra tsirairay izay mahatonga antsika hiavaka. Hazavao ny fomba azo ampiasana io fanazavana io mba hitarihana ireo olona liana ho ao amin’ny fandaminana, ary mba hampisehoana amin’izy ireo ny fomba amokaran’ny fahamarinana toetra kristianina eo amin’ireo izay miaina mifanaraka amin’izany.
Herinandron’ny 21 Desambra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Raha hiova ny fotoan’ny fivorian’ny kôngregasiônanareo amin’ny taona vaovao, dia manomeza fampaherezana amin-katsaram-panahy mba hampirisihana ny rehetra hanatrika tsy tapaka ireo fotoam-pivoriana vaovao miaraka amin’ny kôngregasiôna. Ampahatsiahivo ireo mpitory mba hampahafantatra an’ireo mpianatra Baiboly sy ireo olona liana hafa ny amin’izay rehetra mety ho fiovana. Ampirisiho ny mpitory rehetra mba hitahiry Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana azy manokana, indrindra fa ireo takelaka fanampiny. Azo inoana fa hijery azy ireny indray isika amin’ny hoavy.
12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
25 min: “Aoreno eo Amin’ny Fanompoana An’i Jehovah ny Fiainanao”. Fanontaniana sy valiny. Adinadino ny mpitovo iray sy ny loham-pianakaviana iray, izay nahomby teo amin’ny fihazonana fandaharam-potoana tsy miovaova sy tsy tapaka hanaovana fanompoana eny amin’ny saha isan-kerinandro. Asao izy ireo hilaza hoe fandaminan-javatra manokana inona no ilaina mba hanaovana ho laharam-pahamehana ny tombontsoa ara-panahy.
Herinandron’ny 28 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Desambra. Mampisehoa boky tranainy navoaka talohan’ny 1985, izay misy, ka ho azo atolotra amin’ny Janoary. Ampirisiho ny mpitory mba haka amin’izany mba hozaraina amin’ity faran’ny herinandro ity.
15 min: “Mandraisa Soa avy Amin’ny Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika 1999”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Manasà mpitory sasany hilaza ny soa noraisiny avy tamin’ny fanarahana ny “Fandaharam-pamakiana Baiboly Fanampiny” isan-kerinandro. Ampirisiho ny rehetra mba hamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.
20 min: Manasà mpisava lalana na mpitory hitantara ny nametrahany ny boky Fahalalana sy ny nanombohany fampianarana Baiboly. Na milazà fitantarana mampahery avy ao amin’ny Diary 1998.