FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/99 p. 8
  • Fomba Hanitarana ny Fanompoanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Hanitarana ny Fanompoanao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Itaro ny Harenanao, dia ny Fanompoana Mifandray Amin’ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Tianao ve ny Hanao Bebe Kokoa?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 5/99 p. 8

Fomba Hanitarana ny Fanompoanao

1 Maherin’ny 40 taona lasa izay, dia nisy lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ampy ve ny Tsara Indrindra Ataonao?”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 1 Jona 1955. Nasehony tamim-pitiavana ny fomba mety hahafahan’ny vahoakan’i Jehovah hanatsara ny ezaka ataon’ny tenan’ny tsirairay eo amin’ny fanompoana, mba hahafahan’izy ireo hampitombo ny asany momba ilay Fanjakana. Mihatra amintsika amin’izao andro izao koa iny torohevitra tsara iny, eo am-panohizantsika manatsara ny tsara indrindra efa omentsika.

2 Ny antony tokony hanaovantsika ny fanompoana rehetra ataontsika dia ilay didy lehibe indrindra manao hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra”. (Marka 12:30). Mampiseho ny fitiavantsika feno an’i Jehovah isika, amin’ny fanararaotana ny fahafahana rehetra ananantsika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakany. Diniho ireto fomba mety hahafahanao hanitatra ny fanompoanao ireto.

3 Iantsorohy ny andraikitrao: Ireo rahalahy nanolo-tena dia afaka miezaka mafy mba hahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana ary avy eo dia handroso mba ho loholona. Ireo lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1990 hoe “Miezaka mba Handroso ve Ianao?”, sy ny hoe “Mahafeno Fepetra mba Hanompo ve Ianao?”, dia nanosika rahalahy maro mba hanao izay hahafahany hanana andraikitra ao amin’ny kôngregasiôna. Mangataha fanoloran-kevitra voafaritra tsara avy amin’ny loholona ao amin’ny kôngregasiôna, ny amin’ny fomba handrosoana sy hamenoana fepetra.

4 Ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana mbola mpitovo dia asaina mba hieritreritra tsara ny hangataka hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Afaka mahafantatra tsara kokoa momba io sekoly io ianao amin’ny famakiana lahatsoratra tondroina eo ambanin’ny hoe “Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana”, ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower (frantsay) ho an’ny 1986-1995, 1996 sy 1997. Mahita io ‘varavarana lehibe ho amin’ny asa’ io mivoha eo anoloanao ve ianao? (1 Kor. 16:9a). Rahalahy maro izay nandingana io varavarana io no tsy nahazo an’eritreritra mihitsy ny tombontsoam-panompoana rehetra nentin’ny fanokafana azy io. Ankehitriny izy ireo dia mankafy ny fanompoana ao amin’ny Betela na ny fanompoana eny amin’ny saha, amin’ny maha mpisava lalana manokana, misionera, na mpiandraikitra ny fizaran-tany azy.

5 Miezaha mba hahatratra ny fanompoana manontolo andro: Ny tanora nahavita fianarana tany amin’ny lise, sy ny vehivavy mpikarakara tokantrano, ary izay efa misotro ronono rehetra, dia tokony hieritreritra tsara momba ny asan’ny mpisava lalana. Jereo indray ny takelaka fanampiny ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jolay 1998, ary avy eo dia miresaha amin’ny mpisava lalana tao anatin’ny tarehin-javatra nitovy tamin’ny anao. Mety ho voatosika hanitatra ny fanompoanao ianao, amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana, tahaka ny ataon’izy ireo. (1 Kor. 11:1). Azo atao ve ny manitatra ny asanao ho 70 ora isam-bolana, ka ho mpisava lalana maharitra?

6 Rahalahy sy anabavy maherin’ny 17 000 izao no manompo ao amin’ny biraon’ireo sampana sy trano Betela maneran-tany. Nahoana raha manoratra any amin’ny Betela mba hahazoana fanazavana fanampiny momba izany? Angamba mety hahafeno fepetra ho amin’ilay tombontsoa tsy manam-paharoa manompo ao amin’ny Betela ny tenanao.

7 Manompoa any amin’izay ilana fanampiana kokoa: Mipetraka any amin’ny faritany iasana matetika aoka izany na any amin’izay isian’ny rahalahy maro mba hanao ny asa ve ianao? Efa nieritreritra ny hanitatra ny fanompoanao amin’ny fifindrana any amin’izay ilana fanampiana kokoa ve ianao? Angamba ianao afaka mifindra ho any amin’ny faritra ambanivohitra akaiky izay ilana mpitory maro kokoa. (Matio 9:37, 38). Tsy tokony hatao maimaika izany. Mendrika ny hodinihina sy hatao antom-bavaka izany. (Lioka 14:28-30). Resaho amin’ireo loholona na ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny toe-javatra misy anao. Hiara-manjohy hevitra aminao izy ireo mba hahitana raha fahendrena ny manao izany fifindrana izany dieny izao, na ny miomana hanao izany amin’ny hoavy. Raha maniry hanoratra atỳ amin’ny Fikambanana ianao mba hahazoana fanoloran-kevitra ny amin’izay toerana azonao ifindrana, dia tsy maintsy ampiarahina amin’ny taratasy iray voasonian’ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kôngregasiônanao ny taratasinao.

8 Hatsarao ny fanompoanao: Azo inoana fa afaka mandray anjara amin’ny fanompoana amin’ny fomba feno kokoa isika rehetra, amin’ny fanatsarana ny fanompoantsika eny amin’ny saha. Mandray anjara amin’ny endriny rehetra amin’ny fanompoana ve ianao, anisan’izany ny fitoriana isan-trano, ny fitoriana tsy ara-potoana ary koa ny asa fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly? Afaka manatsara ny fahaizanao mampianatra ve ianao, raha mitarika fampianarana iray? Tsara raha mijery indray ny takelaka fanampiny ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, ianao mba hahazoana fanoloran-kevitra azonao ampiasaina mba hahatsiarovan’ny mpianatrao ho voatosika hanolo-tena sy hatao batisa.

9 Misy firesahana bebe kokoa ny amin’ny fomba hanitarana sy hanatsarana ny fanompoantsika ao amin’ny toko faha-9 amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika. Azo antoka fa tokony haniry hanao betsaka araka izay azontsika atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika rehetra. Nahoana raha mieritreritra tsara ny tanjonao ara-panahy? Araho izao torohevitra hita ao amin’ny 1 Timoty 4:15 izao: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara