FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/99 p. 7
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 5/99 p. 7

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Tokony hitandrina ny amin’inona moa ny ray aman-dreny, rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana ny zanany tsy ampy taona?

Mety ny itondran’ny ray aman-dreny kristianina ny zanany miaraka aminy eny amin’ny fanompoana, sy ampiofanany azy mba hizara ny vaovao momba ilay Fanjakana amin’ny hafa. Eo am-panaovany izany, dia ilainy ny manao andry maso ny zanany noho ny loza mety hitranga eny amin’ny faritany, na dia any amin’ny manodidina “milamina” aza. Mihamaro hatrany ny ankizy iharan’ny herisetra sy ny fitondrana ratsy, noho ny fitomboan’ny olona mpierina sy mpanao firaisana mamoafady amin’izao “fotoan-tsarotra” iainantsika izao. (2 Tim. 3:1-5, NW). Mila maneho fitandremana araka ny antonony ny ray aman-dreny mba hiarovana ny zanany kely amin’ireo izay mety hiremby azy. Inona no azo atao?

Manoro hevitra amim-pahendrena ny Baiboly fa tokony ho malina sy hitsinjo izay loza mety hitranga isika, mba hahitana mialoha ny loza. (Ohab. 22:3; Matio 10:16). Tsy ny hanao fitsipika akory no zava-kendrena eto, fa fahendrena ny hiarahan’ny ray na ny reny na ny olon-dehibe hafa iray amin’ny ankizy iray eny amin’ny fanompoana. Rehefa miara-miasa ny mpitory tanora roa efa mahay mandray andraikitra, dia tsara raha manara-maso azy ireny amin’ny fotoana rehetra ny ray na ny reny na olon-dehibe hafa iray. Mazava ho azy fa rehefa mihalehibe ny ankizy iray ary hita fa mahay mandray andraikitra kokoa, dia afaka manapa-kevitra ny ray aman-dreny raha tsy dia ilainy loatra intsony ny fanaraha-mason’izy ireo mivantana. — Jereo koa ny Valin’ireo Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1992.

Fahendrena koa ny hitadidiana foana ny fiarovana amin’ny loza, rehefa mandeha fiarakodia sy rehefa mandeha an-tongotra. Matetika ny fitandremana araka ny tokony ho izy no misakana ny loza sy ny fanaintainana, ny vola lany amin’ny fitsaboana, ary ny fahavoazana ara-pitsarana mety hitranga eto amin’ity tontolo tia mampiakatra fitsarana ity.

Mety ho an’ny tanora ny “midera ny anaran’i Jehovah”. (Sal. 148:12, 13). Tena manaitra ny hafa sy mitondra voninahitra ho an’i Jehovah ny teniny mahafinaritra sy ny fitondran-tenany tsara, eny amin’ny saha fanompoana. Ry ray aman-dreny, tena ataovy mihitsy izay hanampiana ny zanakareo mba handray anjara tsy tapaka amin’ny fanambarana ny vaovao tsara, ary amin’izay fotoana izay koa dia aoka ianareo ho mailaka mandrakariva hiaro azy ireny amin’ny loza tena misy!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara