Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara ny Fotoananao
1 Manana habetsaham-potoana mitovy eo am-pelatanany ny rehetra, isan-kerinandro. Sarobidy indrindra ny ampahany atokantsika mba hampielezana ny vaovao tsara, satria fotoana lany amin’ny asa famonjena ain’olona izy io. (Rom. 1:16). Mampiseho ny fahatakarantsika izany isika amin’ny fiomanana tsara ho amin’ny fanompoana efa nokasaina hatao, sy amin’ny fahatongavana ara-potoana any amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoana, ary amin’ny fiaingana avy hatrany ho any amin’ny faritany. Tsy aleontsika ve mitory toy izay miandry fotsiny? Koa satria nampianatra antsika i Jehovah fa “ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy”, dia ilaintsika ny mampiasa amin’ny fomba tsara ny fotoana izay natokantsika ho amin’ny fanompoana. — Mpit. 3:1.
2 Ampiasao amim-pahendrena ny fotoananao: Fitahiana maro no azontsika, rehefa mifikitra amin’ny fandaharam-potoana iray izay mamela antsika handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, isika. Mazava ho azy, fa tokony hifandanja amin’ny habetsahan’ny fotoana lany eny amin’ny fanompoana, ny vokatra tsara azontsika. Afaka manokana fotoana bebe kokoa ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ve isika, raha manao fanitsiana kely fotsiny eo amin’ny fahazarantsika? Ohatra, afaka maka fotoana fanampiny hanaovana fiverenana mitsidika vitsivitsy ve isika aorian’ny fizarana gazety amin’ny asabotsy? Afaka mandany fotoana hanaovana fiverenana mitsidika na hitarihana fampianarana Baiboly koa ve isika, rehefa avy teny amin’ny saha fanompoana nandritra ny fotoana kelikely amin’ny alahady? Ho azo ampiana fitoriana eny amin’ny arabe ve ny asa isan-trano ataontsika? Amin’ireo fomba ireo na amin’ny fomba hafa, dia mety ho afaka hihatsara eo amin’ny fanompoantsika isika.
3 Rehefa eny amin’ny fanompoana isika, dia hanary fotoana sarobidy, raha tsy mitandrina. Mazava ho azy fa hamelombelona antsika sy hanampy antsika hanohy ny fiatoana kely, rehefa ratsy ny toetr’andro. Aoka anefa ianao hahay handanjalanja, satria mety ho tsy tena hilaina foana ny fiatoana toy izany.
4 Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nihananjary sarotra ny mahita olona ao an-trano. Mpitory maro no manao ny fitoriany isan-trano amin’ny fotoana hafa ao anatin’ny andro, mba hiatrehana io toe-javatra io. Nahoana raha manandrana manao fitoriana amin’ny faran’ny tolakandro na amin’ny fiandohan’ny takariva?
5 Tsara kokoa raha tsy mifampiresaka isika, eo am-panaovana fitoriana eny amin’ny arabe. Misaratsaraha kosa ianareo ary manatòna ny olona mba hanombohan-dresaka amin’izy ireny. Amin’izay dia hampiasaina amin’ny fomba mandaitra kokoa ny fotoana, ary fifaliana lehibe kokoa no ho azo avy amin’ilay asa.
6 Hararaoty ireo fahafahana hanao fanambarana: Rehefa nilaza ny tompon-trano iray fa tsy liana izy, dia nanontany ny Vavolombelona iray raha nisy olon-kafa azony niresahana tao an-trano. Izany dia nitarika ho amin’ny firesahana tamin’ny loham-pianakaviana iray izay narary nandritra ny taona maro ary voatana teo am-pandriana tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. Nanjary liana tamin’ny fiainana indray izy noho ilay fanantenana voasoritra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ela izy dia afaka teo am-pandriana, sy nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, ary nizara tamin’ny hafa ny fanantenany vaovao!
7 Nampihatra ny fanoloran-kevitra hitory alohan’ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna, ny anabavy tanora iray. Nahita ankizivavy 13 taona, izay nihaino tamim-pitandremana sy nandray zavatra vita an-tsoratra, izy, teo amin’ny varavarana voalohany. Ny ampitson’iny, dia nahita io zazavavy io ihany ilay anabavy tanora, tany an-tsekoly. Tsy ela taorian’izany, dia nanolotra ny hiara-mianatra Baiboly taminy izy, ary nanaiky ilay ankizivavy.
8 Ampiasao amin’ny fomba tsara ny fotoananao rehefa eny amin’ny fanompoana: Manampy antsika hampitombo ny fahaizantsika mampiseho ny vaovao tsara ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Afaka manatsara ny fahaizanao manombo-dresaka eny am-baravarana ve ianao, amin’ny fampiasana fampidiran-dresaka mandaitra kokoa? Afaka ny ho tonga mpampianatra kinga kokoa ve ianao, rehefa mitarika fampianarana Baiboly? Amin’ny fanaovana izany, dia tena afaka mampiasa amin’ny fomba tsara ny fotoananao eny amin’ny fanompoana ianao, ary hamokatra kokoa ny fanompoanao. — 1 Tim. 4:16.
9 Koa satria “mihafohy ny fotoana sisa tavela”, dia tokony ho feno asa kristianina ny fiainantsika. (1 Kor. 7:29, NW). Tokony ho loha laharana eo amin’ny lisitr’ireo zavatra omentsika ny toerana voalohany ny fanokanana fotoana ho amin’ny asa fitoriana. Aoka isika handray anjara amin-jotom-po sy amin’ny fomba tsara amin’ny fanompoana. Harena mahatalanjona izay nomen’i Jehovah antsika ny fotoana. Ampiasao amim-pahendrena sy amin’ny fomba tsara foana izy io.
[Efajoro, pejy 4]
Diniho ireto fanoloran-kevitra ireto:
◼ Tongava ara-potoana any amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoana.
◼ Raha mety dia hazony ho vitsy ny olona miara-manao fitoriana.
◼ Aza mitaredretra rehefa mankany amin’ny faritany.
◼ Iasao ny faritany rehefa ao an-trano ny ankamaroan’ny olona.
◼ Miasà irery indraindray, raha tsy mampidi-doza ny hanaovana izany.
◼ Manaova fiverenana mitsidika akaiky indrindran’ny faritany anaovana isan-trano.
◼ Manaova zavatra foana eo amin’ny fanompoana, eo am-piandrasana ny mpitory hafa voatana eo amin’ny varavarana iray.
◼ Raha azo atao, miankina amin’ny tarehin-javatra, dia mijanòna mihoatra ny adiny iray eny amin’ny fanompoana.