Mivavaha mba Hahazoana ny Fanampian’i Jehovah
1 Nandentika tao amin’ny mpianany ny ilana ny fitahian’i Jehovah teo amin’ny fanompoan’izy ireo i Jesosy. (Matio 9:37, 38). Ny vavaka fiderana sy fisaorana ataontsika amim-pahatsorana, omban’ny fangatahana sy ny fitalahoana mafy, dia mampiseho ny fianteherantsika tanteraka amin’ny fanampian’i Jehovah. (Fil. 4:6, 7). Mampirisika antsika mba hanohy hivavaka “amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana” ny Soratra Masina, ary voafaoka amin’izany ny vavaka ataontsika momba ny fanompoana. — Efes. 6:18.
2 Midera an’i Jehovah amin’ny vavaka isika, noho ireo toetrany sy zava-bitany tsy manan-tsahala. Midera azy koa isika, satria izy no Mpanome ilay vaovao tsara izay torintsika. Mendrika ny fiderana avy amintsika izy, satria izy irery ihany no mahatonga ny fanompoantsika hahomby. — Sal. 127:1.
3 Ny vavaka fisaorana ataontsika dia mampiseho fankasitrahana noho ilay fahalalana nomen’i Jehovah antsika momba ny sitrapony sy ny fikasany. Tsy tombontsoa ve ny mizara ny fahamarinana momba ilay Fanjakana amin’ny hafa? Misaotra an’i Jehovah isika noho izay rehetra vitantsika eo amin’ny fanompoana. — Sal. 107:8; Efes. 5:20.
4 Tena mety indrindra ny hangatahantsika ny fanampian’i Jehovah mba hahitana olona izay hanaiky ny fanolorantsika fampianarana Baiboly, sy hanohinana ny fon’izy ireny amin’ny fahamarinana. Amin’ny fanaovana fangatahana toy izany, dia miaiky isika fa Andriamanitra irery ihany no afaka mahatonga ny asantsika eny amin’ny fanompoana hahomby. — 1 Kor. 3:5-7.
5 Toa tsapan’ny anabavy iray fa tsy namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ny vehivavy iray nanaovany lalana fizarana gazety. Tsy naniry hanarinary fotsiny ireny gazety sarobidy ireny izy, ka nangataka tamin’i Jehovah hoe: Enga anie ka tsy handray ireo gazety ilay vehivavy, raha tsy mamaky azy ireo. Rehefa nitsidika tamin’ny fotoana nanaraka ilay anabavy, dia hoy ny nolazain’ny vadin’ilay vehivavy: “Misaotra betsaka noho ny fanateranao ireto gazety ireto tsy tapaka. Mamaky azy ireo aho sady tena tia azy ireo.”
6 Amin’ny fiangaviana amim-panetren-tena sy amim-pahatsorana, dia afaka mitalaho amin’i Jehovah mba hanampy antsika hiatrika ny tsy firaikana sy ny fanarabian’ny olona ary handresy ny tahotra olona isika, mba hanohizantsika hitory amim-pahasahiana amin’ny hafa. (Asa. 4:31). Raha manohy mivavaka “amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana” isika eo am-panaovantsika amim-pankatoavana ny fanompoantsika masina, dia afaka matoky ny fanampian’i Jehovah. — 1 Jaona 3:22.