Jereo ny Herin’ny Baiboly!
Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fijerena ilay vidéo hoe The Bible—Its Power in Your Life (Ny Baiboly — Ny Heriny eo Amin’ny Fiainanao). Izy io no fahatelo ao amin’ny fitohitohizana vidéocassettes, mitondra ny lohateny hoe La Bible — un livre historique et prophétique (Ny Baiboly — Boky Mirakitra Zava-misy sy Faminaniana).
Maniry hanana fanambadiana vanona ve ianao? Mila fanampiana mba hamakivakiana soa aman-tsara ireo fotoan-tsarotra ve ianao? Ahoana no ahafahan’ny tanora ho tonga olon-dehibe mahay mandray andraikitra? Afaka manampy ny Baiboly, araka ny asehon’io vidéo io. Henoy izay lazain’ny olona ny amin’ny herin’ny Baiboly teo amin’ny fiainany, ka nahatonga azy hanao ny tsara. Henoy izay hazavainy momba ny fomba nanampian’ny foto-pitsipiny azy hiatrika ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana amin’ny andro maoderina.
Io vidéo io dia fitaovana sarobidy, mba hanampiana ireo olona vao liana hahita ireo soa azo avy amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra ho mpitari-dalana eo amin’ny fiainany. Ny Fikambanana dia manana ao amin’ny tahiriny ny vidéo The Bible—Its Power in Your Life. Afaka manafatra azy io amin’ny alalan’ny mpikarakara zavatra vita an-tsoratry ny kôngregasiôna ianao.