Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
Fantatsika fa mendrika ny hahazo ny fitiavantsika sy ny fifikirantsika tsy mizarazara i Jehovah Andriamanitra. Kanefa, ity tontolo ity dia mitady hamitaka antsika tsy hihazona ny fifandraisantsika akaiky aminy. (Jaona 17:14). Mba hanamafisana kokoa ny fitiavantsika an’i Jehovah sy hanatanjahana antsika hanohitra ireo zavatra eo amin’ity tontolo ity, izay mahatandindomin-doza ny fahasalamantsika ara-panahy, dia nomena ny loha hevitra hoe “Tiava An’Andriamanitra, fa Tsy Ireo Zavatra eo Amin’ity Tontolo Ity” ny fandaharana vaovaon’ny fivoriamben’ny fizaran-tany amin’ny taom-panompoana 2001. — 1 Jaona 2:15-17.
Manosika antsika hitory momba an’i Jehovah ny fitiavana lalina azy. Na izany aza, dia tsy mora ny fanompoana eny amin’ny saha, ho an’ny maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ao amin’ilay anjara hoe “Manosika Antsika Haharitra eo Amin’ny Fanompoantsika ny Fitiavana An’Andriamanitra”, dia hianatra ny fomba nandresen’ny maro ny fahasarotan-kenatra sy ny vato misakana hafa, mba handraisana anjara feno amin’io asa io, isika.
Inona no vokatry ny fari-pitsipika mihamikororosin’ity tontolo ity eo amintsika? Ekena ho ara-dalàna ankehitriny ny fihetsika noheverina ho ratsy taloha. Ilay lahateny hoe “Mankahala ny Ratsy Ireo Tia An’i Jehovah” sy ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Ireo Zavatra eo Amin’ity Tontolo ity — Ahoana no Fiheverantsika Azy Ireo?”, dia hanamafy ny fahatapahan-kevitsika hanao hoe tsia amin’ny fanirian-dratsy.
Hisy Sekolin’ny Fanompoana Teokratika modely sy Fivoriana Momba ny Fanompoana modely ao amin’ny fandaharana, ary koa famintinana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tokony hatao amin’io herinandron’io. Ny lahateny ampahibemaso hoe “Ny Fomba Andresen’ny Fitiavana sy ny Finoana Ity Tontolo Ity” dia hampirisika antsika hanahaka an’i Jesosy mba hanohitra ny faneren’ity tontolo ity. (Jaona 16:33). Aza hadinoina ny manasa ireo ampianarinao ny Baiboly mba ho tonga. Izay rehetra maniry hatao batisa dia tokony hilaza amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha haingana araka izay azo atao, mba hanaovana ny fandaharana ilaina.
Io fivoriamben’ny fizaran-tany io dia hampifantoka ny saintsika amin’izay tena tokony hifantohan’ny fitiavantsika, mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah. Aza avela handalo fotsiny na tapany inona na tapany inona amin’izy io!