Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra
Anisan’ny dikan’ny teny hoe tahotra ny hoe “fanajana lalina ara-pivavahana sy tahotra an’Andriamanitra indrindra indrindra.” Izany dia mampiseho ilay tahotra mahasoa resahin’ny Baiboly ho “fiandoham-pahendrena.” (Sal. 111:10) Mifanohitra amin’io ny karazan-tahotra mifehy ny tontolon’i Satana manodidina antsika. Ahoana no hanalavirantsika io karazan-tahotra tsy mahasoa io, ka hampitomboantsika miandalana tahotra feno fanajana an’i Jehovah? Hiresaka momba izany ny fandaharana vaovaon’ny fivoriamben’ny faritra, ho an’ny taom-panompoana 2002. Ny foto-kevitra dia hoe: “Matahora An’Andriamanitra, ka Omeo Voninahitra Izy.” (Apok. 14:7) Ho takatsika ny fomba maro anampian’ny tahotra an’i Jehovah, antsika isam-batan’olona sy ny fandaminana.
Ny tahotra dia mety hidika ho tebiteby na tsy fahasahiana ary tsy faharisihana hisetra zava-tsarotra, milaza anefa ny Baiboly hoe: “Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah.” (Sal. 128:1) Hampiseho amintsika ny fomba handresena ireo olana eo amin’ny fivavahana marina ny fandaharan’ny fivoriambe. Ho hitantsika ny fomba hanampiana ireo vaovao hanolokolo izany tahotra an’Andriamanitra izany, dia ilay tahotra mahasoa izay tena hanosika azy ireo haniry hanompo an’Andriamanitra amin’ny fony, ny fanahiny, ny sainy ary ny heriny rehetra. (Marka 12:30) Hamarana ny andro voalohany ny lahateny hataon’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra hoe: “Mitoera ho Akaikin’ireo Tianao.” Hohazavainy ny fomba hahafahantsika ho mailo hatrany amin’ny fiezahan’ny Devoly hampiala antsika amin’i Jehovah, amin’ny fianakaviantsika, ary amin’ireo rahalahintsika kristianina.
“Jehovah no Atahory fa Tsy ny Olona”, izany no loha hevitry ny fitohitohizan-dahateny mizara efatra, amin’ny andro faharoa. Hohazavain’izy io ny antony sy ny fomba handresentsika ny hakanosana. Ny hakanosana mantsy dia manakana antsika tsy hanatanteraka ny fanompoantsika amin’ny fomba feno na hihazona ny tsy fivadihantsika sy hanana feon’ny fieritreretana madio any an-tsekoly sy any am-piasana. Ny lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Matahora An’Andriamanitra ary Tandremo ny Didiny”, dia hifototra indrindra amin’ireo zava-miseho mifampitohitohy tantaraina ao amin’ny Apokalypsy toko faha-14. Hamarana ny fivoriamben’ny faritra ny toromarika mampahery hoe “Mandehana Hatrany Amin’ny Fahatahorana An’i Jehovah.”
Zava-misongadina fanampiny ao anatin’ilay fandaharana irinao hatrehina ny Sekolin’ny Fanompoana, ny Fivoriana Momba ny Fanompoana modely iray, ny lahatenin’ny batisa ary ny famintinana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Asao ireo olona ampianarinao Baiboly mba hanatrika miaraka aminao. Tokony hiteny amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, haingana araka izay azo atao, ireo maniry hatao batisa. Irintsika rehetra ny hampiseho tahotra an’i Jehovah, dia ilay tahotra mahasoa, ka hanome voninahitra azy amin’ny fanatrehantsika manontolo io fandaharana miavaka io!