Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Novambra: Hitohy ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Ny kongregasiona izay nahavita nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 tamin’ny olona tao amin’ny trano tsirairay ao amin’ny faritaniny, dia mahazo manolotra ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana. Desambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Janoary: Ny boky Ny Baiboly: Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, na ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra. Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
◼ Rehefa tapitra ilay ezaka manokana hizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana, ireo kongregasiona izay mbola manana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 dia afaka mampirisika an’ireo mpitory mba hanolotra azy ireny toy ny fanolorany taratasy mivalona — isam-baravarana sy any an-toeran-kafa. Raha azo atao, ireo mpitory dia mahazo mamela iray ao amin’ny trano tsirairay tsy ahitana olona, nefa ataony azo antoka fa tsy ho tazan’ny mpandalo ilay izy. Tokony hiezahana ny hizara ny ambiny rehetra amin’io taratasy mivalona misy hafatra lehibe io.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Desambra na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Rehefa vita ilay izy, dia anaovy fampandrenesana ho an’ny kongregasiona, rehefa avy novakina ny tatitra momba ny kaonty manaraka.
◼ Ny kongregasiona dia tokony hanomboka hanafatra ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2001, miaraka amin’ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra ho an’ny Novambra. Hisy amin’ny teny anglisy sy frantsay ary malagasy io Diary io. Mandra-pahatongan’ny Diary sy mandra-pahazonareo azy, dia hisy soratra hoe “Halefanay Aoriana Kely” eo amin’ny faktioran’ny kongregasiona. Zavatra hafarana manokana ny Diary.