Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 13 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
13 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray.
22 min: “Fanolokoloana ny Fahalianana Nateraky ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny fehintsoratra 1-5. Sorito ny fandaharana eo an-toerana hiasana izay faritany rehetra mbola tsy voasa. Diniho ireo fomba fampiseho momba ny fanaovana fiverenana mitsidika, eo amin’ny fehintsoratra faha-7 sy faha-8, ary anaovy fampisehoana ny tsirairay aminy. Antitrantero ny maha zava-dehibe ny fanolokoloana ny fahalianana rehetra sy ny fiezahana hanomboka fampianarana Baiboly. Farano amin’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-9 sy ireo andinin-teny voatonona.
Herinandron’ny 20 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra Hita Tamin’ny Fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Tantarao ny fahombiazana hita teo amin’ny fiasana ny faritany. Nisy tao amin’ny kongregasiona ve sambany vao nandray anjara tamin’ny fanompoana? Mitantarà fanamarihana tsara nataon’ny tompon-trano. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly ve ny mpitory sasany? Raha izany no izy, dia asao izy ireo hanazava na hamerina indray amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fomba nanaovany izany. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hanolokolo ny fahalianana hita.
20 min: “Aza Mitsahatra Mitory!” Lahateny sy fanadinadinana. Niaraka tamin’ny fandaminan’i Jehovah ny sasany ary naneho fikirizana teo amin’ny asa fitoriana, nandritra ny androm-piainany rehetra. Noho ny nananany fihetsika manorina, dia nahita fifaliana izy ireo tamin’ny fanaovana izany. (Jereo ny boky Fahalalana, pejy faha-179, fehintsoratra faha-20, sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1992, pejy faha-30-31, fehintsoratra 14-15.) Manasà mpitory iray izay narisika efa hatramin’ny taona maro mba hitantara ny antony nanehoany fikirizana teo amin’ny asa fitoriana.
Herinandron’ny 27 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ireo mpitory hamerina ny tatitra momba ny fanompoany amin’ny Novambra. Ny boky Fahalalana no zavatra atolotra amin’ny Desambra. Hazavao ny anjara asa lehibe nananan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny famoahana ny Baiboly amin’ny fiteny maro — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1997, pejy 11-12.
20 min: Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara ny Boky Fanjohian-kevitra. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny pejy faha-7-8. Asehoy fa io boky io dia natao hanampiana antsika hiomana mba handraisana anjara amin’ny fanompoana amin’ny fomba mandaitra kokoa. Hazavao ny fomba azo ampiasana ilay boky rehefa manao fitoriana an-telefaonina. Asehoy ny fomba hahitana fanazavana mahasoa mba hamaliana fanontaniana. Ampirisiho ny rehetra mba hahalala tsara ny ao anatin’io boky io, sy hanao azy io ao anaty kitapony, ary hampiasa azy io tsy tapaka.
15 min: Ahoana no Ahafahako Mifehy ny Fahazarako Mijery Televiziona? Loholona iray miresaka amin’ny rahalahy tanora iray izay mandany ora maromaro isan’andro ijerena televiziona. Amin’ny voalohany, dia manizingizina ilay rahalahy fa tsy misy maha ratsy izany. Milaza izy fa endri-pialam-boly fotsiny izany, ka tsy misy voka-dratsiny eo aminy. Mandinika ny hevi-dehibe ao amin’ny toko faha-36 amin’ny boky Manontany ny Tanora ilay loholona. Manazava izy fa ny fijerena televiziona tafahoatra dia maka fotoana sarobidy izay mety ho azo anaovana fianarana manokana, andehanana eny amin’ny fanompoana, na itondrana fanampiana ho amin’ny zavatra ilain’ny kongregasiona. Maneho fankasitrahana an’ilay torohevitra ilay rahalahy tanora, ary milaza fa mba hahasoa azy eo amin’ny ara-panahy, dia hanova ny fahazarany eo amin’ny fijerena televiziona izy.
Herinandron’ny 4 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Teny Atao Amin’ny Fotoana Mety”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika sy fampisehoana. Maro no mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana rehefa manandrana manombo-dresaka, ka mihevitra amim-pahadisoana hoe mila fahaizana manokana izy ireo mba hahitam-bokatra. Hazavao fa isika rehetra, anisan’izany ny mpitory vaovao sy tanora, dia afaka manombo-dresaka amin’ny fanaovana ezaka araka ny antonony. Diniho ireo fomba fampiseho anoloran-kevitra, ka asongadino fa tsotra izy ireo, ary manasà mpitory roa na telo hanao fampisehoana azy ireo. Asio firesahana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1998, pejy faha-8, mba hahitana fomba fampiseho fanampiny izay azo ampiasaina. Ampirisiho ny rehetra hijery ny lafy tsaran-javatra mba hahafahany hahita fifaliana kokoa eo amin’ny fanompoany.