“Efa Niasana Imbetsaka Ange ny Faritaninay E!”
1 Efa nieritreritra ve ianao hoe efa niasana imbetsaka loatra ny faritaninareo ka tsy hisy olona toy ny ondry intsony ao? Angamba ianao niteny hoe: ‘Fantatro ny ho fihetsiky ny olona ao, ka inona no antony mbola hiverenana any amin’ny olona tsy liana?’ Marina aloha fa maro ny faritany iasana matetika. Tokony ho ny lafy tsaran’izany anefa no hojerentsika fa tsy ny lafy ratsiny. Nahoana moa? Saintsaino ireto antony efatra ireto.
2 Novaliana ny vavaka nataontsika: Hoy i Jesosy: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Lioka 10:2) Efa hatramin’ny ela be isika no niangavy an’i Jehovah handefa mpanampy. Misy mpiasa fanampiny izao any amin’ny toerana maro, ka voasantsika matetika kokoa ny faritanintsika. Tsy tokony hahafaly antsika ve ny namalian’i Jehovah ny vavaka nataontsika?
3 Mahita vokatra tsara isika raha miaritra: Mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona, ary manjary mahafantatra ny fahamarinana, na dia any amin’ireo faritany iasana matetika aza. Koa tokony hiverimberina hitory hatrany isika, ka hanantena fa hahita olona tso-po. (Isaia 6:8-11) Tokony tsy hitsahatra ‘hankany’ amin’ireo olona ao amin’ny faritanintsika, toa an’ireo mpianatr’i Jesosy fahiny isika, ka hiezaka mafy hanao izay hahaliana azy ireny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Matio 10:6, 7.
4 Kongregasiona maro any Portogaly no mahavita ny faritaniny isan-kerinandro, kanefa mbola mahita olona toy ny ondry foana. Nisy anabavy iray nanana fihetsika tsara, ohatra. Hoy izy: “Alohan’ny handehanana manompo isa-maraina, dia mangataka an’i Jehovah aho mba hanampy ahy hahita olona maniry hianatra Baiboly.” Nanao fandaharana hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny mpiasa tao amin’ny fanaovam-bolo iray izy, indray mandeha. Ny iray tamin’ireo mpiasa ihany anefa no tonga hianatra, tatỳ aoriana. Hoy izy io: “Izaho ihany no te hianatra.” Tao anatin’ny iray volana io mpiasa io dia nitarika fampianarana Baiboly roa, ary tsy ela taorian’izay dia natao batisa, ary nanao mpisava lalana!
5 Eo an-dalam-pahavitana ilay asa: Torina araka ny nambaran’i Jesosy mialoha izao ny vaovao tsara. (Matio 24:14) Ary na dia “tsy hihaino [antsika]” aza ny sasany, dia efa voamarik’izy ireo ny asa fitoriana ataontsika. Efa ampoizintsika fa hisy olona tsy hihaino, na hanohitra ny fahamarinana mihitsy. Ilaina ampitandremana momba ny didim-pitsaran’i Jehovah foana anefa ireny olona ireny.—Ezek. 2:4, 5; 3:7, 8, 19.
6 Mbola tsy vita ny asantsika: Tsy isika no manapaka ny fotoana hampitsaharana ny asa fitoriana. Fantatr’i Jehovah tsara ny fotoana tokony hanaovana izany. Fantany raha mbola misy olona mety handray ny vaovao tsara ao amin’ny faritanintsika. Misy olona milaza fa tsy liana, kanefa mety handray tsara kokoa amin’ny manaraka, noho ireo fiovana tampoka teo amin’ny fiainany: voaroaka tamin’ny asany izy, ohatra, na marary mafy, na maty havan-tiana. Maro ny olona mbola tsy nandre mihitsy ny zavatra torintsika, noho ny hevi-diso ananany momba antsika, na noho izy sahirana loatra. Mety hahamarika antsika sy hihaino antsika izy ireo rehefa mitsidika azy imbetsaka sy sariaka isika.
7 Rehefa mihalehibe ka manana ny tokantranony ny olona, dia manjary mandinika akaiky kokoa ny fiainana, ary mametraka fanontaniana tsy voavaly raha tsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nampandroso Vavolombelona roa ho ao an-tranony ny reny tanora iray, ka nilaza hoe: “Tamin’ny izaho mbola kely, dia tsy azoko mihitsy ny antony tsy nandraisan’ny mamanay ny Vavolombelona sy nilazany fa tsy liana izy, kanefa ny hiresaka taminy momba ny Baiboly fotsiny no notadiavin’izy ireo. Izay no nahatonga ahy ho tapa-kevitra hampandroso ny Vavolombelon’i Jehovah ho ao an-tranoko, mba hanazava ny Baiboly amiko rehefa lehibe sy manambady ary mitokan-trano aho.” Faly tokoa ireo Vavolombelona nampandrosoiny.
8 Afaka hahomby kokoa ve ianao? Tsy voatery ho ny olona itoriantsika foana no manasarotra ny fiasana matetika ny faritany, fa indraindray dia isika mihitsy. Misy hevitra ratsy ve ao an-tsaintsika? Mety hisy vokany eo amin’ny fihetsitsika sy ny toe-peontsika ary ny endriky ny tarehintsika izany. Toe-tsaina tsara sy tarehy mahafinaritra kosa no tokony hasehontsika. Havaozy ny fomba fitoriana. Ovao sy hatsarao ny zavatra lazainao. Mety ho azonao ovana ny fanontaniana apetrakao anombohan-dresaka, na ny andinin-teny ampiasainao. Anontanio izay fomba mahomby iasana ilay faritany, hitan’ireo rahalahy sy anabavy. Miaraha manompo amin’ny mpitory sy mpisava lalana samihafa, ary mariho izay fomba mahomby ampiasainy.
9 Ankasitrahan’i Jehovah sy tahiny ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Manaporofo ny fitiavantsika azy sy ny mpiara-belona amintsika koa ny fitoriantsika. (Matio 22:37-39) Andeha àry isika hamita hatramin’ny farany ny asantsika, fa tsy ho reraka miasa matetika ny faritanintsika.